Koriam-penina... Isika Roa

... Nofihiniko ny tananao dia niara-niarina tsimoramora teo ambony fasika
isika, ny fiparasaky ny fasika nokopahina tamin'ny akanjotsika sisa no
hafatra napetraky tosy ho an'iny tora-pasika iny

Nifampitantana
isika namonjy ny arabe, ilay zavan-jiro karakara mitsikilo antsika avy
eny an-tendrom-boanio no nanilo dia antsika indray hamonjy ny lalan-tara
hitodiana any an-trano ...

Vao nahazo ilay arabe midadasika isika
dia nosakambiniko ianao, nafatotrao tan-takibako ny tananao roa,
novakaninao fitiavana ny vatako manontolo,

Tsy te hamindra aho
fa te hianoka ny nofinofy sy hidola ny onjam-pitia eo anilanao , rehefa
nihanakaiky ny tranonao isika dia hoy ianao mantsy ahy :

-
rahoviana vao fodiana iray no hodiantsika ??
- nitsiky aho namaly
anao nanao hoe : tsy ho ela intsony izany ry aiko
- natehikao teo
an-daingon-tavako ilay oroka mamy dia mamy sady hoy ianao manao hoe :
iny oroka iny no ampanarahiko anao any am-pandrianao , ka hamisavisanao
ny ho avintsika feno fiadanana

Nikopaka ahy ianao dia niakatra
ilay tohatra, ilay tohatra fipetrahantsika rehefa malay misaraka

Nitsiky
ianao sady nikopaka farany, injao henoko ny tao an-tranonao niteny hoe :
hay tonga ianao ?? iza no nanatitra anao ???

Ny siokan'ny
rivo-dranomasina sisa nanaraka hatrany an-trano, ny siokako kosa
nanaraka anao hatrany am-pandrianao ny famololony ...