Koriam-penina...Aiza ianao....

.....AIZA IANAO....

Niezaka ny
hiantso anao aho vao nirava, nefa tsy nety nahazo mihitsy .Mbola tsy tafaverina angamba
ianao ilay hoe handeha hamangy ny dadabenareo any ambanivohitra na mety hoe
nisakafo tany dia nijanona tany. Tsy niara -nody tamiko I Andry ka dia honjohonjoko
samirery  nody.

Nanomboka
nirotsaka tsikelikely ny orana. Tsy nahataitra ahy anefa izany vao maika aza
nandrangitra ny habangana tato anatiko. Indreo eo anoloako misy mpifankatia
mifampitantana sady mifampitarika manavatsava ny orana, tazako avy ety aoriana fa
na ny fandehan’izy roa aza dia feno dolam-pitia, ka tsy mahataitra azy akory
izay orana mijojo fa vao maika aza mamporisika azy roa hitady aloka hahafahana
mifanorokoroka sy hihatahana ireo mason’ny raiamandreny mahamenatra.

Tsy lavitra
ahy aza dia misy mpifankatia hafa ihany koa mifampisavisavika eo am-pialofana.
Hita mihitsy hoe zaran’izy roa aza misy ity orana latsaka ity hahafahany
manararaotra mifampitosy . Nahita izany rehetra izany aho dia nahatsiaro anao,
ianao izao any tsy haiko hoe aiza. Niditra tao amin’ilay sinoa  fandehantsika aho dia namonjy nipetraka teo
amin’ilay latabatra  fipetrahantsika roa.

Nanantona
ahy ilay ramatoa sady nitsiky no niteny hoe lenabe
ianao izany, ary ianao irery angaha ? Nitsiky tsy sazoka aho namaly ny tsikiny
no sady niteny taminy hoe : omeo ilay lasopy
mahazatra ange azafady e. Dia teo aloha niandry ny orana nitsahatra.

Niverina niantso
anao indray aho nefa dia tsy nisy namaly ihany. Tena angamba natory any izy hoy
ny eritreritro. Dia lasa teo ny vinaninko mijery ireo mpifankatia milahatra
tsiroaroa anaty sakambim-pitia , toa tsy mampihontsona azy ireo akory izato
orana.

Mandra-piandry
ilay sinoavavy mikenonkenona dia nandray taratasy aho ka nanoratsoratra
tononkalo ho anao, ary tamin’izay indrindra no nanoratako ilay hoe :

AIZA

Mandeha tsiroaroa, ny mpifankatia, manavatsava orana
Ny masoko ankiroa, mahita izany akia, mila hananga-torana

Mifanorokoroka, etsy sy eroa, ny mpifankatia
Ny ahy anefa izay oroka, lavitra tokoa, raha teto mantsy indry

Misakambikambina, mamihina ny tiany, ireo tovolahy be sangy
Izaho kosa miambina, ilay findaiko iny, sady manidy vangy

Miandry ny antsonao, miandry hiantso anao, ora firy izao !!!
Ny findainao, tsy azo hatramin'izao, fa aiza hoa ... ianao ????

Nihaalina
ihany ny andro, nihanangatsiaka ihany koa ilay sakafo nafarako. Sady nisakafo
aho no niverina namaky ilay tononkalo. Avy eo dia niverina niantso anao indray.
Nefa ny teo ihany no teo. Nanao dia maika aho nody. Sorena aho fa tsy naheno
anao, nefa nientanentana ihany koa fa nahavita nizara an-tsoratra ny
hafenoam-poko.

Vao tonga
tany an-trano aho dia nipetraka teo amorom-pandriana sady niverina namaky ilay
tononkalo. Nihomehy aho dia nofihiniko ilay taratasy, teo aho dia resin-tory …