Koriam-penina...Antsonao....

...ANTSONAO...

Saika tara
aho, nefa sady tsy nihinan-kanina maraina, no tsy naha-pasoka akory. Revo teo
am-pibanjinana ilay sarinao ka na I Andry tonga naka ahy aza tsy nahavery dia
ahy. Soa fa tonga tokoa izy raha tsy izany dia notrongisin’ilay fiarabe iny
aho.

Toy ny tsy ety an-tany ialahy hoy izy fa dia misy inona loatra.
Raha mba fantany tokoa mantsy ilay tsiambaratelon’ny foko an. Tany am-piasana
moa dia tsy nisy nandeha tamin’izay laoniny ny asa , fa na ny ala sivana
fanokafana ilay solosaina aza efa ela dia ela vao niverina tato an-dohako. Marary ve ialahy hoy I Andry namerina
nanontany ? Tsy marary izany aho leitsy fa somary varimbariana fotsiny
mieritreritra hoe ny olona izao miala sasatra isika miasabe toy izao e. Aza
manodin-dresaka eo leitsy a,
hoy izy nandona ahy sady nitsiky vendrana toy ny
fanaony. Fantany fa manafi-javatra aho fa tsy te hisikotra izy

Vao nipaika
ny tamin’ny roa ambin’ny folo, dia izaho no tafavoaka voalohany ny varavarana.
Namonjy nihataka ny rehetra no sady kinga ery namelona ilay finday .
Nidobodoboka tsy nisy toy izany ny foko mandram-piandry anao handray ny
antsoko. Efa naneno intelo anefa tsy mbola nandray ihany ianao. Avy eo dia
nivadika ilay fanenony ka ilay tovovavy halako indrindra iny no nilaza tamiko
fa mbola ivelan’ny faritra fifandraisana ianao. Kepoka kely ilay foko efa
nanantena ny hihaino anao. Nahenako ny fanenon’ ilay finday no sady nataoko
tsara jery, nanantena ihany aho hoe hisy antso hampihovitra azy eo no ho eo.
Kanjo dia nofy izany. Mety mbola sahirana izy izay angamba hoy ny
eritreritro  , sady nikisaka
nitari-tongotra aho namonjy an’I Andry sy ireo namana mpiara-miasa.

Nony tonga
teo anivon-dry zareo aho dia naheno ireo firesany nifampitantara ny sabotsy
aliny sy ny alahadiny. Vao maika nampahatsiahy ahy an’ilay olon-tiako  izany resaka izany. Tamin’izay indrindra no
nihovitra ny tao am-paosiko. Poa toa izay aho dia naharay sy nanindry ny
bokotra famaliana. Elabe hoy aho nibitaka
sady tsy nisy arahaba akory. Manao ahoana ianao ??? efa nalahelo mihitsy aho
tsy nahazo anao teo. Faly ery aho naheno anao nitakoritsika tao an-tsofiko,
mbola sahirana nibata entana niakatra ny tohatra aho
hoy ianao ka tsy afaka
nandray , no sady teo daholo ny havako rehetra dia tsy tiako indray ho be
fanontaniana hoe iza no mba miantso ahy aty nefa izaho tsy manana namana
betsaka aty intsony. Dia naleoko vita mihitsy ny tany vao nitokana aho niantso
anao. Inona ny vaovao ? tsy haiko na mba nifanojo taminao ihany ilay nofiko
alina fa tena mamy ange izany raha nofy e . Dia nitantara ianao ka nitantara,
ka moa va tsy ireo nofy mamiko alina mihitsy no nolazainao tamiko.  Tsy afaka niteny firy aho fa revo mihaino
izato korianan-dresakao, sady tsy foiko tapahina no satriko hitohy hatrany.

Sosoa
voatapo-drano anefa ny haravoako fa sady naneno ilay famantarana fa tsy ho ela
dia ho tapaka ny fifandraisana , no efa nipaika ihany koa ny ora hiverenana
miasa.  Nangalatra nanoroka anao an-teny
mamy aho dia namono indray ilay finday dia niverina natanjozotra nanaraka ireo
mpiara-miasa. Dia hoy indray I Andry, dia
tsy nisakafo akory ialahy an, fa
inona loatra ary izao mahavariana an’ialahy izao, sa tsy inona fa iza ???? aza
dia mifanafina moa leitsy fa mba zarao ihany a !!!
sady nitsiky aho no
niteny hoe : aleo aloha miasa leitsy fa
avy eo izany hita eo a