Koriam-penina...Hafatrao...

... HAFATRAO ...

Tsy haiko na adiny firy aho na adiny firy no resin-tory teo
fa nony efa nisasaka ny alina dia nivadika aho dia nianjera tamin’ny tany.  Taitra tampoka aho dia nitsangana, ilay tononkalo
amin’io mbola eny an-tanako ihany . Nojereko ny famantaran’andro efa amin’ny roa
ora sy sasany maraina. Nitorombina kely teo am-pandriana aho dia nisintona ilay
akanjo mandry nivalona teo an-tongony. Niomana ny hisolo  akanjo aho, ka namoaka ireo zavatra rehetra
tao anaty paosiko. Sady namoaka ilay finday aho no nanao jery miavona
tany.  Nojereko ihany aloha sao dia hoe
mba misy vaovao. Inona tokoa, nisy nametraka hafatra tokoa tao. Laharana  tena vaovao amiko mihitsy ilay izy. Novakiako
ilay hafatra ka sady nidoboka ny foko no tsemboka ny tanako. “Lany hery ilay
vatoaratry ny findaiko dia mangalatra kely mandefa hafatra amin’ity an’I dadatoako
ity aho. Malahelo anao mafy aho, ny foko, ny saiko , ny vatako.Nisy hafatra ho
anao nosoratako any anaty imailakao any.  Manoroka anao mamy,Haingo”. Vao nahita ilay
sonianao aho dia nihovitra ny tenako iray manontolo.

Poa toy izay dia narehitro ilay solosaina. Nibosesika tao
anatiko tao ny fibitahana maro isan-karazany. Toa arivo taona vao tafasokatro
ilay hafatrao. Izaho ve no maika loatra sa ilay fifandraisana mihitsy ny iva
fandeha. Naka toerana tsara aho ary dia nanomboka namaky :

“Efa ato an-trano aho vao afaka namahana indray ny vatoaratry
ny findaiko. Izay ihany koa vao hitako ireo antsonao maro dia maro. Azafady akia
ry foko fa tsy fidiny ahy akory izany fa noho ny halavan’ny resatsika lavabe
androany antoandro no nahatonga izany. Izao ihany koa izahay vao tonga satria
tsy nanaiky ry dadabe fa hoe efa an-taona maro hono aho no tsy hita dia tsy mba
hijanona ny hisakafo akory. Izaho koa moa amin’izy mianakavy dia olona tonga hiala
sasatra ka tsy misy tokony hahamaika dia raikitra teo ny fanokoan-dresaka. Raha
mba fantany mantsy fa any ange ilay Solo izay miandry sy manantena ny hitafa
an-tarobia amiko. Dia angamba mety ho namela ahy izy. Dia niresaka teo izahay
ka niresaka, dia I dadabe moa fombany ny manadihady  ka dia fanontaniana maro no
nototofany ahy. Firy taona moa dia ho vita  ny fianaranao ?  dia hijanona any ve ianao ? tsy efa tokony
hikarakara sy hijerijery izay sahaza anao amin’izay ve ianao rehefa vita ny
fianaranao ? tsarovy ihany fa vehivavy ianao ka sao tara loatra ny ho avy ? sy
ny sisa sy ny sisa ….izaho amin’io mamaly tsy sazoka fotsiny am-pahalalam-pomba
fa ny saiko tsy ao mihitsy e . Tsy haiko ry malalako fa tena malahelo anao mafy
aho e, ny hamonjy fodiana ihany no ao an-dohako. Hahafahako mangala-potoana
hifampiresahana aminao. Raha mba fantatrao mantsy fa tena misy hery tsy haiko ambara
mihitsy ao anatiko ao te hahita anao, te hihaona aminao, te hanoroka anao, te
hisafo anao. Mila anao mihitsy ny vatako ry fitiavako, ary ilaiko zaraina
aminao izany filàny izany.

Aoka izay sao dia mirediredy eto aho kah, sady avelako ihany
koa aloha ianao fa mbola hiasa kely eto ilay zanak’I dadatoa. Manoroka anao
mamy dia mamy . antsoinao aho rahampitso an. Veloma ianao ry fitavako mamy
indrindra dia manofisa antsika mamy izany havako izany an !!!”

Dia nasianao sary fokely menamena miredareda teo akaikin’ilay
sonia. Nitsiky aho, sady niverina namaky indray ilay  hafatrao feno fitiavana. Niezaka ny hamaly aho
fa tsy nahatsindry tondro akory ny tanako, mbola variana nifantoka loatra tao
amin’ilay soratrao teo foana ny saiko ka diso daholo na ny arahaba nofantenako
ho anao aza.

Dia nolaniako teo indray ilay aliko , zary haiko tsianjery
ireo teny mamy nosoratanao ho ahy. Ny zava atsinanan’ilay masoandro no nampisaraka
ahy tamin’ilay hafatrao. Tsy maintsy miomana indray aho fa maraina ny andro.