Koriam-penina...Nofy mamy

.....NOFY MAMY ....

Tsy dia
nahinan-kanina firy aho iny alina iny. Tsy nijery fahita lavitra ihany koa,
naleoko nijery sy namaky ireo imailaka nifandefasantsika, nohalehibeaziko ireo
sary nofantenanao halefa ho ahy, dia nifampibanjina taminao teo anoloan’ny
fitaratry ny solosaina aho nandritra ny minitra maromaro. Novakiako avy eo ilay
nosoratanao tamiko farany :

” kely sisa dia
ho tapitra ity taom-pianarana ity ry foko, ka ho avy indray aho hiala sasatra, efa
azoko ny tapa-kila ary efa voafandriko ny daty hahatongavako, izay no
fanomezana natolotro ho ahy, tamin’ny fandraisako karama voalohany. Ny 15 jolay
aho no miala aty Grenoble dia handalo kely ao Paris hijery voan-dalana ho an’ny
ao an-trano dia ilay zandrin’i neny no hanatitra ahy any Roissy. Iangaviako ianao
tsy hitsena ahy eny Ivato, fa aleo i dada sy i neny ihany aloha no maka ahy
eny. Araka ny resatsika dia aleo aloha rehefa milamindamina tsara ny fiainantsika
izay isika vao miseho ho hitan’ny olona e , sady mamy ange ilay toy izao e , sa
ahoana hoy ianao ? “

Io andalan-tsoratra
farany io no noezahiko notehirizina tao anatiko ary nataoko fefin’ilay tsiambaratelontsika.
 Aleo tokoa isika samy hamita ny
fianarantsika aloha izay vao miroso amin’ny resaka fianakaviana, ataon’ny olona
ahoana tokoa moa ny hino hoe efa telo taona izao ianao no lasa tany , ary efa
ho efa-taona isika no nifankatia mangina tsy nisy nahalala ??

Dia nanaraka ahy
hatrany anaty nofiko ireo angolan-teninao vao novakiako teo : “lavitra ahy,
nefa ny herin’ny fitiavantsika no miaro ahy sy mampahery ahy amin’ny
trangan-javatra rehetra aty. Tsy moramora ny fiainana aty, ny asa an-tselika
vonjena, ny fianarana vonjena. Miritarita ny fiainana aty ary mandeha haingana
be ny fotoana. Tsy zakan’ny saiko sy ny lohako izay fiainana izany raha tsy teo
ny fitiavana anao nampahery  ahy ry
malalako a. Mivavaka ho anao aho, mivavaka ho antsika, mivavaka ho an’ny
fitiavantsika, Tiako ianao”  

Dia nanonofy
anao aho, nanonofy antsika ilay nitoka-monina tao am-pibanjinana iny
faravodilanitra iny, nanonofy ilay ondankondanao tan-tsoroko, nanonofy ilay
safonao malefaka sy ilay orokao manitra fitiavana mampanadino ny tontolo manodidina,
nanonofy aho hoe teo anilako teo ianao, nanonofy zavatra be dia be sy
nahafinaritra aho …

Poa toy izay dia
naneno ilay akoholahy tao ambadiky ny trano, taitra aho, alatsinainy sahady ny
andro, tsy maintsy hifoha indray hiasa, sitrany ahay vaza-mihetsika hanomanana
ny fidirana afaka iray volana sy tapany. Nijery ilay sarinao nataoko tsara
petraka teo an-doham-pandriana aho , dia nitsiky taminy toy ilay fitsikiny
natokany ho ahy.