Lolo Jahnaray sy ny tontolon'ny reggae.

Efa an-dàlana ankehitriny ny Fianar Reggae Festival, andiany
fahaefatra, ambohipihaonan’ny artista mivoy ny reggae eto anivon’ny Ranomasimbe
Indianina, izay hatao ao Fianarantsoa renivohitra, ny 26-27-28 martsa ho avy izao. Anisan’ny
mandray anjara amin’izany i Lôlo Jahnaray, terak’iny faritra atsimo-atsinanan'ny Nosy iny.

Hatry ny fahakeliny no efa naniriany handeha lavitra miaraka
amin’ny mozika, ary ny reggae no gadon-kira hitany nety taminy satria hoy izy “izay
no fiainana niainako teto Madagasikara
”. Izy rahateo tena mpankafy an’i Bob
Marley sy ny tantara navelany.

Ny taona 1991 no nanombohany namorona hira sy niakarany
sehatra saingy nisedra olana ara-bola toy ny ankamaroan’ny artista ihany izy ka efa
tamin’ny taona 2015 teo vao nahatafavoaka ny rakikira “We’re the same”.

Tsy nionona tamin’ny gadona reggae fotsiny i Lôlô fa
nitrandraka hatrany, ary nanampy azy 
tamin’izany ny fifandraisany sy fankafizany ny artista hafa toa an’i
Matsubara, Rossy, Dat’kotry, Hazolahy, Givazo, D’Gary, sns. Vokatr’izany
fivelaran’ny talentany izany dia avoitran’ny mozikany ankehitriny ny gadona Haroumba : batrelaka
(gadona mampalaza an’i Farafangana, tany niaviany) miharo reggae.

Betsaka ny ezaka efa vita, ary mbola maro ny tiana ho
tanterahana
, hoy i Lolo, satria ny gadona reggae mihitsy no sarotra eto
Madagasikara. Ankoatra ny sehatra madinidinika efa niakarana, ankoatra ny
rakitsary mihetsika efa vita, dia ny Fianar Reggae Festival no sehatra goavana
araraotina hampahafantarana ny tena, satria ny hira mbola marobe no mila avoaka
ka itadiavana mpamokatra ankehitriny.

Tsy mandeha irery i Lolo eny ambony sehatra fa manampy
azy ao i  Hasina (ampongamaroanaka), i Nesta
(gitara beso), i Rinah (angorodao), Laza (rythm).

 

 

Mirary soa azy ho lasan-davitra ny RadioVazoGasy ary manasa
anareo hitsidika ny pejiny ao amin’ny tambazotra Facebook : Lolo Jahnaray