Nahoana ?????

Nahoana no tsy voaloha ny
karaman’ny fonksionera raha tsy misy ny findramam-bola avy any ivelany ?

Nahoana no tsy harifomba ny
toera-pitsaboana lehibe fa voatery manao évacuation sanitaire ? Nahoana no tsy
misy na tsy ampy ny fanaovana dialyse ?

Nahoana no tsy ampy fitaovana sy
fanafody ireo dispensaires ?

Nahoana no tsy mihinana sy
voatsabo ny Malagasy raha tsy misy ny fanampiana avy any ivelany ?

Nahoana no tany manan-karena I
Madagasikara nefa lasa Mpangataka ny Firenentsika ?

Tsotra ny valiny, ny fahantrana
ara-tsaina no mahatonga izao fahoriana izao.

Ny harena misy fa ny mpitantana
azy no kilavaka.

Madagascar
est riche mais la population est miséreuse car les dirigeants sont des
misérables !!! Jamban’ny taolana rizareo tia fanjakana, ka mivarotra ny
Fahaleovantena amin’ny ro tsaramaso.

Ataony resabe mampiesona fotsiny ny atao hoe Tombotsoa
Avon’ny Firenena (Intérêt supérieur de la Nation) fa ny tombotsoa manokana ho an’ny ekipa
sy ny ankohonany ary ny vadikely anelakelantrano no tena imasoany.

Fanjakazakana, izay no
mahatonga izao romoromo politika tsy misy farany izao : lasa ny mamba,
misosoka ny voay. Anjaranay indray izao no manjaka, tsy mitondra… fa manjaka.

 Dia tonga hatramin’ny Fanjakana tsy ara-dalana,
izay tsy eken’izao tontolo izao mpandala ny Demokrasia. Tsy ny mpanao politika
ihany fa hatramin’ny andrim-panjakana rehetra izay manam-pahefana, boboka ny
ankamaroany.

Izay ilay fahantrana
ara-tsaina mahatonga ny fahorian’ny vahoaka Malagasy.

Fahantrana ara-tsaina ny filazana
fa ny vola misy fa ny hampiasana azy no tsy fantatra.

Fahantrana ara-tsaina ihany koa
ny filazana fa ny lalana tsy mahavoky : adalan’ny firenen-kafa ny manao lalana
ivoahan’ny vokatra sy ifaneraseran’ny olom-pirenena ?

Raha tamin’ny
andron’ny fanjanahan-tany, nanondrana “riz de luxe” I Madagasikara ary tsy
nanafatra vary avy any ivelany fa nanana amby ampy ny vokatra.

Izao manafatra vary
fanome ny biby “brisure”. Ny tantsaha ve no kamo ? Tsia, tompoko, fa
ninian’ireo mpanao fanjakana ny famotehana ny fambolena teto amintsika.

Antony ? mba
hahafahany mandeha mandady mangataka fanampiana any ivelany. Fanampiana izay ho
entiny mameno ny paosiny aloha.

Lohan’androrosy, tia
kely : mahantra ara-tsaina. Dia ny Malagasy izay efa gejaina ao anaty fahoriana
no mbola mitondra henatra eo imason’izao tontolo izao.

Ifandrombahan’ny
firenen-kafa ampiasaina ny teknika Malagasy SRI izay teknika mampitombo ny
vokatra, eto amintsika kosa zara raha misy ny fampiasana azy : ho very
fihinanana mantsy ny manam-pahefana.

Tamin’ny taona 1960 isika no
lazaina fa nahazo Fahaleovantena, nandritra izany kosa zera baomba lava izao
tao Vietnam tao, tamin’ny taona 1976 vao nitsahatra izany. Amin’izao fotoana
itenenantsika izao efa mitranga ho isan’ny dragona ao Asia I Vietnam. Isika mba
aiza ? Potsitr’ovy iray no ifampizarana, raha misy aza !

Fahantrana ara-tsaina
mitarika fahantram-pirenena.

Raha nanao komandy fiara-manidina
maromaro ny Sinoa dia nametraka fa izay te-hifampiraharaha aminy dia tsy
maintsy manaiky fa any aminy no amboarina ireo fiara-manidina ireo ary tsy
maintsy ampitaina aminy ny hai-raha ara-teknolojika. Voatery nanaiky ny EADS
mpivarotra ny Airbus.

Ny antsika asa izay nahaporitra
nanondranana ireo bois de rose, izay any Chine no be nandefasana azy,
fara-faharatsiny ve tsy tokony mba norafetina teto aloha sitrany hahay manome
asa ny Malagasy mialohan’ny fanondranana ? Ary ireo contrats lehibe
isan-karazany, hatraiza ny fahefan’ny adalam-bola Malagasy miady ny tombotsoa
ho an’ny mpitady asa sy ny tanora ? sa miha-kely ny commissions-n’ireo
mpivarotra sonia ?

Taiza teto ambonin’ny tany no
nisy hoe Praiministra ka manana compte en millions d’euros tany Soisa ?
mahagaga ve raha miaina ao anatin’ny fahoriana ny Malagasy ?

Tsotra fotsiny, jereo
daholo ireo mpanao politika manodidina anao ? firy amin’izireo no manan-karena
tampoka ? Tsy tahotra tsy henatra fa mihetraketraka manao lapa be, mividy fiara
maro sy lafo vidy indrindra, mandeha miantsena any an-dafy ?

Raha dinihana ny vola
viravirain’izireo tsirairay avy be lavitra noho ny an’I Prezida Sarkozy sy ny
Prezida Obama mitambatra ! République
bananière, tsy fahantrana ara-tsaina intsony fa fahambanian-tsaina mihitsy !

Mendrika izany ve ny
Firenentsika amin’izao taon-jato faha-21 izao ?

Enjehantsika ny Françafrique,
kianintsika ny rapa-dango ataon’ireo orinasa vaventy vahiny. Aza adinontsika
anefa fa matoa izireny afaka manjakazaka eto amintsika dia satria ireo
manam-pahefana eto amintsika mivarotra izany fahefany izany amin’ny
mpanam-bola.

Aiza ilay
Fahaleovantena e, namidy ohatrinona ?! Aiza ilay hoe miaro ny Tombotsoa Avon’ny
Firenena e !