Nanidina, ara-bakiteny, ilay fiara ka tany amin'ny rihana ambony vao nijanona.

 

 

Izao no vokatry ny hafainganam-pandeha diso tafahoatra. Tany Santa Ana, Californie, no nitranga ny loza. Rehefa diso nirimorimo loatra ilay fiara ka nahadona zavatra iray dia nanidina tsotra izao ka tany amin'ny rihana voalohan'ny trano fitsaboana nify iray vao nijanona. 

Nila ora maromaro ihany ny famonjena ireo tao anatiny sy ny fanalana ilay fiara teny ambony teny.