Salome Karwah : tsy lavon'ny 'Ebola' saingy nodimandry teo am-piterahana.

 

Vaovao mampalahelo avy any Liberia : nanampy betsaka ireo tratran'ny areti-mifindra "Ebola" sy tena nanome tànana ireo mpitsabo ao amin'ny "Médecin Sans Frontière" i Salome Karwah, mpitsabo mpanampy, tamin'ny fotoana niadiana mafy tamin'ity aretina ity tao amin'ny fireneny. Isan'ireo avotra izy kanefa dia namoy ny ray aman-dreniny sy havana maro. Ary izany indrindra no nitsanganany ho vavolombelona nanampy ara-tsaina sy araka izay tratrany nitsaboana ny hafa.

Indrisy anefa fa raha voatery nodidiana izy niteraka ny zanany fahaefatra tamin'ny 17 febroary teo, dia nahatsiaro tena ho nanarinaritra nony tafody tany an-trano. Saingy nony niverina hotsaboina tany amin'ny hopitaly izy dia toa tsy dia nahasahy nikarakara azy ireo mpitsabo fa nataon'izy ireo dia mbola misy takaitran'ny Ebola ka hamindra angamba. Vokatr'izay dia tsy tana ny ainy fa nodimandry izy ny 25 febroary.