'Takadansé', salegy sy séga atolotr'i Tiana

Tamin’ny faramparan’ny taona 2015
iny no natolotra ny mpanjifa i “Takadansé”, rakikira fahaenina novokarin’i Tiana, entiny hanamarihana izay 20 taona niainany teo amin’ny sehatry ny mozika izay. Iza
tokoa moa no tsy hahatsiaro an’i Tiana teny am-piandohana raha tsy hitanisa
afa-tsy “Miala tsiny” (aie aie aiaaaa), “Laisse pa moin la”, “Toamasina”,
sy ny fampiaraham-peon’izy sy Silo tamin’ny “Eo am-pisarahana” isika !

Mamintina ny làlana nodiavina nandritra
izay fotoana lavalava izay izy io
, hoy izy, ka izany no mahatonga azy  misy hira amin’ny teny malagasy no misy amin’ny
teny kiriolona, misy gadona gasy no misy séga
”, maneho ny fahaizan’ny
andriambavalanitra mandrindra sy manambatra kolotsaina roa, dia ny an’ny tany
niaviany sy ny an’ny firenena onenany ankehitriny.

Isan'ny tanjona anatin'izy ity koa ny hampitana amin’ny taranaka ireo nentin-drazana ka mahatonga an’i “Ravorontsiloza” sy “Soamiditra
tafiditra ao. Ary etsy andaniny dia voaresaka amin’ny “Click
droit
” ihany koa ny fiaraha-monina ankehitriny, ny fifandraisana somary
manahirana amin’ ny sala-taona taizan’ny teknolojia.

Na fomba fanao aza moa ny mitety
faritra sy firenena rehefa mamoaka rakikira toa izao dia mbola tsy anatin’ny
fandaharam-potoanan’i Tiana aloha izany hatreto, "
raha tsy hoe misy ny mpikarakara angaha dia tonga aho", hoy izy. Isan’ny olana navoitrany ihany koa ny
fahasarotan’ny fametrahana sangan’asa any amin’ny haino aman-jery any an-tanindrazana.

Marihina fa i Jeannys Rakotoasimbola no
nitendry sy nandrindra ny mozika manontolo, ny JBE Mizik no mpanonta sy mpamokatra ary Tiana sy Sitraka (Pazzapa) no eo amin’ny hira.

Izay liana dia afaka mitsidika sy manjifa ny vokatra ato amin'ny takelaka : Tian'Art

Dia mirary an'i Tiana handroso sy  hisidina avo hatrany ny RadioVazoGasy.