Tarika Sunrise

Ny tarika dia misy mpikambana eo amin’ny 15 eo
ho eo ary mitondra ny anarana hoe Sunrise raha adika dia hoe “fiposahan’ny
masoandro. Nofidiana io anarana io noho ny hevitra rehetra fonosiny. Ny masoandro miposaka, manazava ary mitondra hafanana. Izahay dia
te-hiasa, hanambara ny finoanay an’i Jesosy Kristy (miposaka), te ho
vavolombelon’i Jesosy Kristy (manazava) ary farany te hitondra vokatra tsara eo
amin’ny olona izay mihaona aminay amin’ny fanambarana ny Vaovao
Mahafaly(mitondra hafanana).

Ny Sunrise dia niforona tamin’ny taona 2003 fa
ny mpikambana tsirairay avy dia efa samy nanana ny traikefa ara-artistika
talohan’ny nidirany tato amin’ny tarika. Izahay dia avy amin’ny sehatra sy
fikambanana samihafa: Ny Ako, Vonjy, Singers of Jesus, Miangaly, antoko
mpihiran’ny fiangonana...

Ny fanoloran-tenanay dia ny fisehoana
an-tsehatra, manao mozika (karazan-kira)
maro isan-karazany izahay noho ny mpanoratra sy ny mpamoron-kira maro samihafa
ato amin’ny tarika, ary samy manana izay manavanana azy izy ireo. Eny, efa ho
ny mpikambana tsirairay mihitsy no mamoron-kira.Misy fotoana aza izahay rehetra
no miara-mamorona, dia samy milaza ny heviny eo ny tsirairay ary miafara amin’ny
hira iray mivaingana izany. An-tsehatra dia mampiasa mozika izahay mba
hampitànay ny hafatra, nefa misy fomba artistika hafa ihany koa toy ny dihy sy
ny “mîmes”. Izahay dia mandeha
amin’ny fanasàna rehetra (fiangonana, fikambanana, mpikarakara hetsika hafa, olon-tsotra...)
ary afaka manao fanentanana ihany koa izahay (fety ara-pivavahana, mariazy,
batisa/ batemy...)

Ny toerana misy ny tarika dia ao La Plaine
Saint-Denis. Afaka ny mifandray aminay ianareo na amin’ny alalan’ny mailaka na
an-taratasy amin’izao adiresy izao:

SUNRISE chez Ramaroson

21 rue George Sand

93210 LA PLAINE ST DENIS

Adiresy mailaka: sunraizz@aol.com

                             atsiryy@yahoo.fr (vice-président 1)

                             rabenifara_ania@hotmail.com (présidente)

Azonareo atao ny manaraka ny vaovao mikasika
ny tarika: http://www.myspace.com/sunrisegroupe

Ny fotoana voalohany niakarana an-tsehatra?

Fanontaniana somary sarotra ihany satria ny
ankamaroanay dia efa hatramin’ny fahazazàna, tany amin’ny faha 8 na 9 taona
tany. Ny fotoana voalohany niakaran’ny tarika Sunrise an-tsehatra dia ny taona
2003.

Ireo hetsika izay nandraisana anjara?

Izahay dia nandray anjara tamin’ny hetsika
maro samihafa nokarakarain’ireo fiangonana, fikambanana na mpikarakara hafa...nefa
misy fotoan-dehibe roa izay tena nanan-danja taminay azo lazaina ireto. Ny
voalohany dia ny “comédie musicale” natao tany Madagasikara tamin’ny taona
2008 izay tena hetsika nahavalalanina nahazoana traikefa sy harem-pahasoavana.
Manarak’izany dia ny fampisehoana nokarakarainay tamin’ny volana aprily 2009
tao amin’ny canal 93 tao Bobigny. Tena tsy nampino: ny efitrano, ny mpijery, ny
ekipan’ny feo sy ny jiro ary ny tena zava-dehibe dia ny nikasihan’i Jesosy ny
fon’ireo olona nanatrika tamin’io hariva io. Voninahitra ho an’Andriamanitra!

Ny hetsika manaraka?

Izahay dia hiaraka amin’i Fara Andriamamonjy,
Rija Rasolondraibe ary i Vonjy  ny 28
novambra 2009 ao amin’ny 28 rue Arago 93400 Saint-Ouen amin’ny 7ora sy sasany
hariva.

Efa manana sangan’asa ve ?

Manana sangan’asa kapila mangirana rakin-kira
(CD audio)  misy lohateny dimy izahay,
novokarina tamin’ny taona 2006 izay mitondra ny anarana hoe SUNRISE ary ny vidiny
dia 5€. Manarak’izany dia manana kapila mangirana rakin-tsary (DVD spectacle
musical) izahay izay natao tamin’ny taona 2008 tany Madagasikara ary mitondra
ny lohateny hoe “Mpanjaka hafa kely” ary ny vidiny dia 20€.

Hafatra ho an’ireo mpihaino sy mpamaky

Aza misalasala ny manatona na mangataka anay
indrindra raha hanambara ny Tenin’Andriamanitra sy ny famonjen’i Jesosy Krisy.
Izany no tanjonay voalohany sy fototry ny fanoloran-tenanay.