Tohano ny Niouz-Madagascar, tohano ireo tanora malagasy.

Niouz-Madagascar dia tetikasa iray misahana ny fitaizana ny
tanora amin’ny alalan’ny haino aman-jery : ao ny tambazotra sosialy (toy ny facebook,
ny youtube, sns) izay ambohipihaonan’ny tanora avy amin’ny vazan-tany efatra, ao
ny fahitalavitra, ary indrindra ny fandefasam-peo izay efa mieli-patrana tokoa
ka na hatrany anaty ny fitateram-bahoaka aza dia afaka hanohinana ireo tanora.

Tsy manao politika ny Niouz-MG fa mitondra ny anjara birikiny
eo amin’ny fanabeazana ny tanora satria ny taranaka vanona no antoky ny
fandrosoan’ny firenena iray.

Anisan’ny vaovao mahavelom-bolo ny nahavoatendry ny Niouz-MG
hisolo tena an’i Madagasikara amin’ilay fifaninanana “Afrique Innovation”, izay
tetikasa manohana sy mamporisika ireo tanora miandraikitra ny fampita-baovao eo
amin’ireo tany miteny frantsay eto Afrika.

Ho enti-miatrika izany dia mangataka tolo-tanana amintsika
ny Niouz-MG fa ny tao-trano tsy efan’ny irery. Mba hahafahan’izy ireo
manatontosa horonantsarimihetsika entina hifaninana amin’izany dia azon’ny
tsirairay atao ny manolotra zay voatsirambin’ny tànany sy mahalala bebe kokoa
momba izany ato amin’ity rohy ity : http://fr.ulule.com/niouz-madagascar/
Amin’ny 17 aprily ho avy izao ny fe-potoana farany ka manentana  ny rehetra avy hatrany.

Ho antsika any an-tanindrazana kosa, dia afaka mandray
anjara amin’ny alalan’ny Mvola, Orange Money na Airtel Money (034 61 865 07
- 032 44 248 82 - 033 01 151 73). 

Ny adidy tsy an’olon-dratsy ka mankasitraka antsika rehetra
sahady ny Niouz-Mg.