Tompodaka amerikana amin'ny fibatana ilay vato boribory ao Manjakamiadana.

 

Ity kosa izany no tonga amin'ilay hira hoe "Batao lay v...ato be" ♫ ♫ wink

I Gavin Vatnsdal no teratany amerikana voalohany nahavita nibata ity vatobe izay mipetraka ao an-tokontanin’ny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana ity. 

Raha ny filazan’ny mpitari-dàlana nitondra azy dia natao hitsapana ny tanjaky ny tovolahy izay mikasa ny hiditra ho isan’ny mpiambina ny mpanjaka ity vato milanja 120 kilao ity. Misy koa anefa ny tantara hafa toa izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Suzanne Razafy Andriamihaingo teo aloha izay milaza fa fanaovan’ny mpiambiana ny Mpanjaka Andrianampoinimerina fanazarantena io vato io.

Raha ny lovan-tsofina dia sarotra ho an'ireo teratany vahiny ny fibatana io vato io. Araka ny fitadidian'ireo mpitarika mpizahan-tany dia teratany vahiny efatra ihany hatreto no nahavita io fanamby io ary azo antoka fa i Gavin no teratany amerikanina voalohany nahavita izany.

 

[Loharanom-baovao : takelaky ny Masoivoho amerikana ao amin'ny facebook]