Tonga ny fotoana

Tonga ny fotoana irosoana amin’ny tena Fahaleovantena !

Tonga ny fotoana anomezana hasiny ny Fiandrianam-pirenena !

Tonga ny fotoana ijoroantsika amin’ny tena maha-olom-pirenenea !

Tonga ny fotoana, manoloana izao andron’ny fanatontoloana izao,
ampisehoantsika ny haren-tsaina sy harem-panahy Malagasy !

Tonga ny fotoana !

Zavatra iray loha no tadiavin’ny Malagasy ary nitolomany ho an’ny
Fahaleovantena : dia ny fampanjakana ny
rariny sy ny hitsiny.

Andao isika hifanao Dina :

hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny
fiaraha-monina,

hamerina ny fahendrena Malagasy miorina amin’ny Fanahy
maha-olona.

Tanjona ny Demokrasia, tsy mbola misy demokrasia tsy misy kianina na any
amin’ireo Firenen-dehibe zatra mitsara sy manome lesona aza.

Aoka ataontsika ho modely izany hoe Demokrasia miorina
amin’ny soatoavina Malagasy.

Ataontsika izany ! Vitantsika izany !

Na iza na iza malagasy, manaja ny hasina maha-olom-pirenena azy, dia
aoka samy hanefa ny adidy tandrify , na ny mpandala ny demokrasia sy ny mpiaro
ny zon’olombelona, na ny raiamandreny am-panahy, na ny mpanabe isan-tsokajiny,
na ny tompon’andraikitra samihafa, na ny olobe, na ny mpandraharaha, ary
singanina manokana ny vehivavy fototry ny firenena sy indrindra ny tanora
ianteherantsoroka noho ny herim-pony sy fitiavany fivoarana.

Aoka ho zezika mamokatra ny rà latsak’ireo maritiora :
na ny Menalamba nanohitra ny mpanani-bohitra frantsay, na ny VVS sy MDRM niady
ho an’ny Fahaleovantena, na ireo miaramila Malagasy nandray anjara tamin’ny ady
lehibe rehefa notambazana ny fahafahan’I Madagasikara, na ireo sorona nataon’ireo
fitondrana nifandimby tohatra fiakarana hatramin’ny 1971 sy 1972 ka
hatramin’izao.

Iray no anton’ny sorona nataon’izireo : fampanjakana
ny rariny sy ny hitsiny, fanasiana hasiny ny zo maha-olom-pirenena, fiarovana
ny fiandrianam-pirenena.

Havako izireny, havanao, tapako, tapakao ary mety ho
izaho sy ianao no maty teo amin’ny toerany.

Tsy ho ekentsika intsony ny fifamonoan’ny samy
Malagasy, asiantsika vidiny ny rà latsaka. Tanterahantsika ny redareda tao
am-pony. Hajorontsika ny rariny sy ny hitsiny.

Ataontsika izany ! Vitantsika izany !

José Ramaromanana