Tonga ny fotoana ijoroana

Dimampolo taona nahazoana ny
Fahaleovantena, aiza ho aiza ny Malagasy eo amin’ny sehatra
iraisam-pirenena ?

Voaroaka tsy
nasian’ny olona hasiny nandritry ny fihaonamben’ny Firenena mikambana (ONU),
sazian’ny Vondrona afrikana (UA), sazian’ny Vondrona eoropeana (UE) eny fa na i
LaFrantsa aza tsy afa-manakipy maso intsony ka manomboka mihataka sao handoro
ny lambany eo.

Raha lazaina
amin’ny fiteny diplaomatika dia tsy misy azo ifaneraserana fa « persona
non gratae » ireo mpanao politika isan-kolafiny rehetra eto Madagasikara.
Tsy misy mendrika ny hisolo tena an’i Madagasikara.

Voahosihosy ny
Fiandrianam-pirenena  na Souveraineté Nationale! ary tsy iza no manosihosy
azy fa ireo milaza ho mpanao politika ihany.

Fiandrianam-pirenena no dradrainy
saingy adilahy hahazoana ny “seza fiandrianana” no ifandrotehany.

Mbola raiki-tapisaka ilay saina
“Fanjakana” fa tsy “Fitondrana”. Ary izay indrindra no ahasahiany
manitsakitsaka ny safidim-bahoaka satria izireo dia misora-tena ho “manam-pahefana
manjaka” fa tsy “mpitondra”. Toe-tsaina efa lany andro ary tsy azo leferina
intsony amin’izao siekla izao ka izany no mahatonga azy ireo ho “persona non
gratae” eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mitovy laharana amin’i Robert
Mugabe atsy Zimbabwe !

Henatra lehibe ho an’ny
olom-pirenena mahatsiaro saina izao, koa aoka isika tsy hanaiky lembenana
intsony.

Adidintsika tsirairay avy no
mametraka ny Fiandrianam-pirenena ary miaro izany amin’ny adalan’ny mpanao
politika tsy maharaka ny fivoaran-tsaina !

Tsy tsangan’olona akory ny Malagasy
fa tena olom-pirenena tsy miamboho adidy ary mandray andraikitra. Raiso
an-tanana ary ataovy soroka miara-milanja ny Fiandrianam-pirenena.

Ataontsika izany, vitantsika izany !

Dimampolo taona nahazoana ny Fahaleovantena,
aiza ho aiza ny farim-piainan’ny Malagasy ?

            85%
n’ny Malagasy no voalaza fa miaina ao anaty fahantrana tanteraka, zara raha
mahita harapaka. Vao miha-mitombo indray izao ny quat’mis mitsimpon-jaoridira.

Etsy an-daniny anefa iaraha-mahalala fa tany
manan-karena I Madagasika, ao ny harena an-kibon’ny tany, ny tany mahavokatra
midadasika tsiriritin’ny Firenen-kafa toa an’I Corée sy Inde, ao ny harena
an-dranomasina izay ifandrombahan’ny sambo ozinina japoney sy ny hafa, ao ny
morontsiraka, ny ala sy ny hazo sarobidy, sns.

            Tamin’ny
andron’ny fanjanahan-tany : ny fitrandrahana ireo harena isan-karazany dia sady
nanampy be dia be ny indostria frantsay no koa ny ambim-bava mbola nahavitana
foto-drafitrasa teto Madagasikara toy ny lalam-pirenena, ny zotra an-dalamby,
ny seranam-piara-manidina sy seranan-tsambo, ny hopitaly lehibe sy harifomba,
ny trano fianarana izay mbola mijoro hatramin’izao.

Marina fa natao hanondranana ny
harenantsika isan-karazany sy izay nampety ny fiainan’ny voanjo mpanjanaka teto
amintsika no nanaovana azy ireo. Raha fintinina dia sady nandray anjara lehibe
tamin’ny toe-karena frantsay I Madagasikara no nahavelo-tena ihany koa.

            Amin’izao
fotoanandro izao, tsy mitsahatra fa mbola mitombo aza ny fitrandrahana ny
harentsika saingy nahoana no tsy maha-velon-tena intsony isika ?  

Nahoana no tsy voaloha ny karaman’ny
fonksionera raha tsy misy ny findramam-bola avy any ivelany ?

Nahoana no tsy harifomba ny toera-pitsaboana
lehibe fa voatery manao évacuation sanitaire ? Nahoana no tsy misy na tsy ampy
ny fanaovana dialyse ?

Nahoana no tsy ampy fitaovana sy fanafody ireo
dispensaires ?

Nahoana no tsy mihinana sy voatsabo ny Malagasy
raha tsy misy ny fanampiana avy any ivelany ?

Nahoana
no tany manan-karena I Madagasikara nefa lasa Mpangataka ny Firenentsika ?

 

José RAMAROMANANA