Tovovavy misetrasetra milalao fahafatesana

Izy no Viktoria Odintsova, Top Model rusiana anisan'ny be mpanaraka indrindra amin'ny tambazotra sosialy satria mahatratra 3,2 tapitrisa raha ny mpanaraka azy ao amin'ny Instagram fotsiny. Tao amin'ny instagram indrindra no namoahany rakitsary iray izay mampiseho azy milingilingy eny amin'ny trano avo be iray any Dubai. Betsaka ireo izay nidera ny herim-pony fa maro koa ireo izay nitsikera ity hetsika nataony ity. Amin'ireo maro, indrindra ireo raiamandreny, dia ohatra ratsy ho an'ny tanora ity nataon'i Victoria Odintsova ity. 

Raha saro-panina ianao dia mety tsy ho afaka hijery ity video ity.