VAKAMIARINA, mpiantsehatra, mpamorona sy mpilalao mozika

 

Miarahaba an'i NANTENAINA Andriamorasata tonga soa eto amin'ny takelaky ny Vaovaon'ny RadioVazoGasy. VAKAMIARINA moa no anarana an-tsehatra hahalalana anao,  mpiantsehatra, mpamorona sy mpilalao mozika monina ao Antananarivo. Ka moa ve mba azonao atsidika amin'ny mpamaky ny fotoana nanombohanao nifantoka tamin'ny mozika ?

Fony aho mpianatra teny amin’ny lycée no nanomboka namoronkira sy niantsehatra amina ambaratonga avoavo, tetsy amin’ny Alliance française Antananarivo tamin’ireo fampisehoana sy fiofanana isan-karazany nokarakainy. Satria talohan'izay dia nilalao gitara sy nihira an-tsehatra tamin’ny fety madinika teo an-tànana na tany am-pianarana, na koa tamin’ny fetim-pianakaviana samihafa no fanaoko.


Mba azo lazaina fohifohy ve ny momba anao sy ny mozika foroninao ?

Maromaro ny karazana mozika nitaiza ny sofiko ka mety ho isan’ny niaingan’ny mozika foroniko : mbola tena kilonga aho ohatra dia tena variana mihitsy naheno matetika ilay dadatoako iray izay nitendry tamin’ny harmonia, ireny mozika-ndr'i Bach na Mozart sy ny sisa ireny, rehefa sendra nandalo tao amin’i renibeko tamin’izany. Sondriana ihany koa naheno an’ingahirainy nitendry ireny mozika ireny tamin’ny orga tany am-piangonana;

Taty aoriandriana nankafy tanteraka ny tarika Mahaleo tao amin’ny Radio sy ny Fahitalavitra Nasionaly, ka lasa nankafy gitara avy hatrany. Nihaino sy nankafy mpanakanto be dia be avy eto antoerana sy avy any ivelany ihany koa nefa taty aoriana : Freddy Ranarison, Olombelo Ricky, Rakotozafy, Lôlô, Salala, Razilinah, D’Gary, Solo Razaf, Njava, Tracy Chapman, Eric Clapton, Laurent Voulzy, Aretha Franklin, Nina Simone, Sam Cooke sy ny sisa sy ny sisa tsy ho voatanisa.

Nifangaro sy niara-niasa tamin’ny namana mpanakanto Malagasy maromaro fantatr’olona na tsy fantatr’olona ihany koa aho avy amin’ny taranja samihafa ( Dihy, hiphop, slam, théâtre, musique classique, jazz, vakodrazana sy ny sisa..). Nisy dia naleha vitsivitsy tany amin’ny faritany sy fiofanana vitsivitsy ihany koa natrehiko manodidina ny resaka ara-java-kanto.

K’ireny mozika manja feno fanahy ireny sy ireny fifangaroana ara-javakanto ireny no isan’ny nandrafitra ny sofiko teo amin’ny zava-kanto sy ny mozikako, ary nisy fiantraikany an-kolaka na mivantana amin’ny aingam-panahy sy ny fomba famoronako, ka nanome ilay Mozika izay foroniko sy lalaoviko.

Mbola tena an-dalam-pikarohana sy fandalinana ny mozika hatrany kosa nefa aho hatramin’izao mba ivelarany bebe kokoa.

Vakamiarina1

 

Ka aiza ho aiza ary i Nantenaina izao ankehitriny ?

Nanomboka ny taona 2007 teo no nanomboka nisian’ilay anarako ara-java-kanto hoe VAKAMIARINA (Tarika izy io, nefa koa afa-mandeha irery tampoka ihany aho indraindray). 

Anaran’ny iray amin’ireo vakana nentin-drazana malagasy mananjina izy io no nindramiko hoentina eo amin’ny sehatry ny mozika sy ny zava-kanto.

Mpanakanto mamorona sy miangaly mozika aho, misy ireo vitsivitsy efa vita fandraisampeo, misy ireo mbola tsy voaray feo fa dia nozaraina sy nolalaovina avy hatrany hoan’ny mpijery teny antsehatra…

Nisy tamin’ireny sanganasako ireny no efa henon’ireo namana mpanakanto malagasy zokiny, ary nankasitraka avy hatrany izy ireo. Nisy ny nanohana sy nanampy avy hatrany, nisy nandroso fiaraha-miasa, nisy ihany koa nanome sehatra ilalaovana (izay tena isaorako azy ireo be dia be tokoa : mankasitraka tompoko !) : MARA CARSON, NY EJA, SAMMY, NDRINA ZOPANAGE, RAGASY, RAKOTO FRAH juniors…

Nisy vitsivitsy tamin’ireo sangan'asako ihany koa no efa nanaingo fandaharana tamin’ny onjam-peo na ny fahitalavitra tsy miankina teto Antananarivo : “Tany Mahanoro”, “Maraina”, sns. Nisy ihany koa ny nanaingo dokambarotra :“Zaho zany tsy te hody”. Ary tsy ho ela dia hisy iray amin’izy ireo hanaingo fandaharana iray ao amin’ny Televiziona Nationaly Malagasy, izay fiarahamiasako mivantana amin'ny fikambanana tsy miankina iray mampandroso ny maha-olona.

Ny taona 2011 sy 2012 ihany koa ara-javakanto, dia nanamarika ahy tanteraka ny fiofanana, famoronana ary ny filalaovana an-tsehatra nandraisako anjara tao amin’ny fikambanana mpilalao an-dapihazo "KALA Madagascar", izay tarihan’i FALIHERY Ratovonirina, mpanakanto, mpiantsehatra ary mpandihy. Fampisehoana goavana no noentin’ny mpilalao tantara an-dapihazo "KALA Madagascar" izay nampitondraina ny lohateny hoe “NOFY NOSIKO” tetsy amin’ny Alliance Française Antananarivo ny takarivan’ny 28 avrily 2012.

Nisy seho vitsivitsy nisehoako ihany koa ankoatr’ireo tato ho ato nahafahako nizara ny mozikako : 

- Tantara angano niaraka tamin’i Ny Eja, fetin’ny mozika teto Antananarivo (Jiona 2012), 

- fandaharana mivantana tao amin’ny onjam-peo tsy miankina (Septambra 2012), 

- seho maromaro sy fiarahamiasa niaraka tamin’ny fikambanana tsy miankina iray mampivelatra ny maha-olona teto Antananarivo-renivohitra (aogositra sy septambra 2012), 

- nivahiny an- tsehatra tao amin’ny fampisehoana nankalazan'ny Tarika Zopanage ny fahatelopolo taonany tao amin'ny CGM Analakely tamin'ny 9 novambra 2012 lasa teo.

 

Vakamiarina2

Inona no fikasana miandry an'i Nantenaina ato ho ato ?

Eo an-dalam-panomanana tanteraka ny rakikirako voalohany aho izao, mba isokafan’ny làlana bebe kokoa ara-mozika sy hisian’ny seho misimisy kokoa, ary mba hivelaran’ny mozikako hatrany ao anatin’ny tontolon’ny zava-kanto malagasy.

Amin'ny voalohandohan’ny taona vaovao hitsidika io kosa dia hisy seho fiaraha-milalao no sady fiarahamiasa akaiky amin’i RAGASY, namana, zoky mpilalao amponga eto Antananarivo.

 

Teny fohifohy eto am-pamaranana ?

Ny aina no matezà, ny diavolan-ko lava ary ny kilalao mbola ho ela, ny manetsabe mbola ho avy izarako amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka ny zavakantoko, ka dia misaotra betsaka ny RadioVazoGasy manome sehatra ahafahan’ny mpanakanto miresaka sy mizara ny kanto Malagasy toy izao.

Mankasitraka ary misaotra indrindra tompoko.
___________________________

Ny hiran'i Vakamiarina dia azonao henoina ato : VAKAMIARINA

Ho fifandraisana :