Voka-pikarohana vaovao ahafahan'ireo olona malemy tsy afa-mihetsika mifandray amin'ny manodidina.

 

Araka ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana soisa vitsivitsy dia azo atao ankehitriny ny mamaky ny ao an-tsain’ireo olona tsy afa-mihetsika intsony vokatry ny aretina Charcot, na koa ny Sclérose Latérale Amyotrophique (SLA). Ireo aretina ireo dia mamono tanteraka ny hozatra, eny hatramin’ny hoza-maso, ka tsy afaka maneho n’inon’inona intsony amin'ny fihetsiny ny marary. Locked-in-syndrome complet no iantsoana ny mahazo azy ireo, izany hoe voagadra tanteraka anatin’io aretina io ny marary ka milina fotsiny sisa no misolo ny taova-pisefoany.

Marary efatra no nanaovana fanandramana an’ity fitaovana mampifandray ny ati-doha sy ny solosaina ity. Fanontaniana maromaro no napetraka tamin’izy ireo, toy ny anaran’ny vadiny, ny toerana onenany  sns, dia ilay fitaovana no mamaky ny valinteny ao an-dohan’izy ireo na eny na tsia.

Ny tena nanamarika ireto manampahaizana tamin’ny fanandramana anefa dia ny valintenin’izy ireo raha nanontaniana hoe mahatsiaro sambatra ve ianao ? (na eo aza ny aretiny), satria dia “eny”  ny valiny nomen’izy ireo tsirairay avy. "Somary nanaitra anay ny valintenin’izy ireo, hoy ny iray tamin’ireo mpikaroka, ka rehefa nozohina dia nanaiky ny asiana milina manampy azy amin’ny fisefoana izy ireo nony hitany fa tsy afaka hanao izany irery intsony, izany hoe efa nisafidy ny fiainana izy ireo raha nanaiky hampiasa ilay milina."

Raha toa moa ka mandroso hatrany ity fikarohana ity ka afaka ampiharina amin'ny marary maro dia azo lazaina fa fandresena iray lehibe eo amin'ny siansa izany, indrindra ho an'ireo marary sy ny fianakaviany.