Eto ianao : Fandraisana> News

Ambondrona

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 22/07/2009
Tao amin'ny : Zavakanto

Rehefa vita soa amantsara ary ny fampisehoana nataon'i Ambondrona tao amin'ny Carlton sy Antsahamanitra, herinandro 2 lasa izay, dia niroso i Kix sy ny akamany hifampizara revy indray amin'ireo mpakafy any Frantsa. Amin'izao fotoana izao tokoa dia daty 5 no fantatra fa hisehoan'ny tarika any Frantsa.

Amin'ny fahadimin'ny volana septembre izao dia ho ao Parisy sy ny manodidina ny tarika, ao anatin'ny fampisehoana "Raiso ny dimy" foana. Fampisehoana izay hatao ao amin'ny tranobe fanaovam-pety Le millénaire ao Savigny Le Temple.

Amin'ny faha 12 volana septembre ao Marseille, fampisehoana karakarain'ny fikambanana vatosoa.

Ny faha 19 volana septembre dia hiverina indray any Nantes izy ireo,

Ny faha 03 oktobra ao Montpellier ary hifarana ao Toulouse ny fety amin'ny 10 oktobra. Hafana tokoa izany fampisehoana izany satria efa 2 taona izay no tsy nifankahitana tamin'ireo mpakafy azy ny tarika hampirevy indray ny rock vita malagasy.

Tsindrio eto raha hividy tapakila

Tsindrio eto raha hihaino ny resadresaka nifanaovana tamin'ny tarika

Hevitra:

1. tess

draissss efa bon plan be mitsiny e!

2. samus

3.

4. felana

fa maninona no tsy tonga aty annecy ny ambondrona merci

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina