Eto ianao : Fandraisana> News

Ampy izay

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 03/08/2010
Tao amin'ny : Politika

Raha misy tokoa fitandrovana ny Tombotsoan’ny olom-pirenena malagsy, tsy itarazoka lava tahaka izao ity transition ity.

Tsy misy miraharaha ny fahoriam-bahoaka andavanandro izay mihalalina hatrany fa ny tombotsoan-drizalahy mpiady fahefana no manahirana azy.

Ary inona moa ity amnistie ity ? nahoana no tsy misy miresaka ny amniste-n’ny mpangalatra akoho fa ireo mamporisika ny olona atao sorona sy ireo mitifitra olona hiarovana fahefana no mitaky amnistie ? Tena mihevitra mihitsy ve ireto adalam-pahefana mifandrafy ireto fa tsy misy vidiny ny ain’ny olom-pirenena e ! sa misy voatendrin-janahary ho kilasin’ny tsy maty manota eto ? afaka mampahory sy mamono vahoaka araka ny nahim-pony ?

Ary inona ihany koa ity fampihavanam-pirenena ity. Nisy fifamonoanan’ny avy any avaratra sy ny avy any atsimo angaha teto, na ny avy any andrefana sy avy any antsinanana ? Sa matahotra ny adim-poko ?!!! aiza ihany ity adim-pokonareo ity e !

Efa hatramin’ny fananiham-bohitry ny frantsay no niray hina nanohitra ny Menalamba avy amin’ny faritra sy foko maro teto Madagasikara. Efa tamin’ny tolona ho amin’ny Fahaleovantena no niray hina tao anatin’ny VVS sy ny MDRM ny Malagasy manerana ny Nosy. Ary hatramin’ny nahazoana ny Fahaleovantena, nisy ny karazam-poko rehetra ny fitondrana nifandimby teto.

Raha niresaka an’I Vietnam isika teo, fantatrao fa misy foko 75 ao anatin’io Firenena io ? ary misy firy ny foko ao Frantsa ao ? moa ny olona mandany andro amin’ny fandranitana adim-poko ?

Tsy adala akory ny Malagasy, na inona fahoriany, na inona fandranitana, mbola tsy lany hasina ny atao hoe Fihavanana.

Kapila na diska goaka efa lany andro io fandranitana adim-poko io. Fandrebirebena hahazoam-pahefana fotsiny. Mbà menatra tompoko ô !

Raha tena hanolo-tena hiaro ny Tombotsoa Avon’ny Firenena ihany, raha mba mahalala ny hasin’izany atao hoe Fiandrianam-pirenena ihany. Mba manaraha ny toetr’andro ary aza adino ny tantaran’ny tolona rehetra teto.

Raha milaza tena ho mpitondra Firenena Hendry marina ianao, sahia miteny hoe Malagasy aho aloha vao merina, na antandroy, na betsimisaraka, na betsileo sy ny hafa : Malagasy aho aloha !.

Mahagaga ve raha ataon’izao tontolo izao mandala ny Demokrasia ankilabao ny Firenentsika ? satria ianareo mifandripaka mitady ho lohany ireo, ny loha-maleminareo aza mbola tsy mikatona !!!

Raha izay vola lany natao hoe itadiavana vaha-olana amin’ny transition izay ve tompoko ? ny hofan’ny Jet privé, ny saram-piaramanidina, ny hotel de luxe, ny sakafo sy whisky nifandomanareo vera izay !

Raha izay rehetra izay, ka nampadeferinareo ny fitiavantenanareo tsirairay avy fa ny Fiandrianam-pirenena sy ny Tombotsoa avon’ny Firenena no nimasoanareo, tsy efa nilamina ity tany ity ?

Mandritra izay fotoana izay, ny vahoaka tokony andrianina, ny olom-pirenena tsotra no miantoka amin’ny lafiny rehetra, tsy misy miraharaha !!!

Mandritra izay fotoana izay, mirehareha sy mihetraketraka ireo mahazo fahefana amin’izao fotoana izao, sahala amin’ny teo aloha ihany : samy manana ny tour-ny marina.

Lasa ny mamba, misosoka ny voay !

Fahantrana ara-tsaina, fahantrana miorina amin’ny hetraketraka. Rehefa kely marina ny saina, dia ny didin’ny be sandry sy be basy no manjaka !

Rehefa mahantra ny saina, dia adino ny fanahy maha-olona, fa izay azo atakalo vola dia hamidy avokoa !

Tsy ilaina ny amnistie, tsy ilaina ny fampihavanam-pirenena : aoka hotsaraina daholo ianareo izay mangalatra sy mamono olona rehetra. Izany no rariny sy hitsiny. Izany no tany tan-dalàna. Dia efa mirorona tokoa satria ny mpanao lalàna sy ireo natao hampihatra azy indray no manitsakitsaka izany !

Ampy izay ! ampy izay ny fandanian’andro ! Ampy izay ny hadalana !

 

Hevitra:

1. rabaradaka

Ampy zay

2. RABELAZAO FLASH

Marina izany, mijaly ny vahoaka saingy alohan'ny handraisana fanapahan-kevitra dinio kely ny tantara. Aoka hatomboka tamin'ny 1991, tsy hoe tsy misy dikany akory ny talohan'ny 1991 fa heverina fa isan'ny kihon-dàlana eo amin'ny tanataram-pirenena io taona io satria rehefa nahatsapa ny gasy fa diso làlana tamin'ny socialisme dia nitodika tamin'ilay noheverina hoe demokrasia. Anisany tolona nanana ny toerany iny satria nentina am-bavaka ny tolona. Tadidintsika rehetra angamba ilay teny faneva tamin'izany manao hoe: "ento miakatra ity firenena ity" . Tafiditra tao ny FFKM. Ny fotoana teo amin'ny kianjan'ny 13 May dia misy fotoam-pivavahana aloha tarihin'ny mpitondra fivavahana, izay vao mandeha ny kabary fanentanana vahoaka hanalàna an'Andriamatoa Ratsiraka eo amin'ny fitondrana (voalaza eo daholo na fanakianana, fanaratsiana, ratsiraka miompy bibiolona, sns...) Niongana ihany Ratsiraka ny niafarany ary nisy nilaza mihitsy aza tamin'izany fotoana izany hoe mahery ny Andriamanitrantsika.Tafakatra ho filoham-pirenena Andriamatoa Zafy Albert saingy indrisy tsy naharitr'ela dia niongana. Nankaiza ilay filamatra hoe ento miakatra ity firenena ity? Tsy nahatana azy teo amin'ny seza ny ranombavaka rehetra natao. Ny mahazendana dia tafaverina teo amin'ny sezany indray Ratsiraka tamin'ny taona 1997. I ratsiraka izay nàoheverina ho mpandroba firenena, ratsy fanahy, mpanompo sampy sns... mipetraka ny fanontaniana aiza Andriamanitra? Pr Zafy nanaovana fotoam-pivavahana niala ary ilay i Ratsiraka noheverina fa tsy izy niverina. Mitohy ny tantara 2002, tonga indray ny tolona teo amin'ny kianjan'ny 13 Mai, tsy maintsy esorina Ratsiraka fa nangala-bato tamin'ny fifdianana filoham-pirenena satria araky ny hevitry Atoa Ravalomanana dia nandresy 1er tour ny tenany. Niditra an-tsehatra indray ny FFKM sy ny fotoam-pivavahana mialoha ny kabary saihafa teo amin'ny 13 Mai. Niongana indray ingahy Ratsiraka ary lasa filoha Atoa Ravalomanana. Ny nampiavaka ity fiakaran-Dravalomanana ity dia ny FANALA DEVOLY ISAKY NY MINISTERES REHETRA nataon'ireo Mpiandry. Natao izany rehetra izany fa dia niongana ihany ny niafaran'i Ravalomanana. Mbola mipetraka indray ny fanontaniana manao hoe aiza Andriamanitra? Efa natao ny Vavaka, Nesorina ny devoly, nefa niala ihany Ravalomanana vice président laîque ny FJKM tamin'ny taona 2009. Izany ve no sitrapon'Andriamanitra?
Mitohy hatrany ny Tanara, 2009 raikitra ny tolona hanala an-dRavalomanana, tsy niditra kosa ny FFKM tamin'ity indray mitoraka ity saingy nisy fotoam-pivavahana foana kosa mialoha ny kabary isan-karazany. Niongana ihany Ravalo ary ny nahavariana dia tonga indray ireo Mpiandry nanala ny sampy sy zavatra tsy fantatro nilevina tao Ambohitsirohitra.
Marihiko fa tsy nanaratsy ny fomba fitantanan'i Atoa Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana, Andry Rajoelina ny tenako. Ny tiako hasongadina dia ny vavaka natao tamin'izany. Nanova inona tamin'ny fitantanana ny raharaham-pirenena ny vavaka natao hatramin'izay? Ny tsapa dia lasa natao fitaovana Andriamanitra hiakarana eo amin'ny seza. Raha ny marina dia Andriamanitra no tokony hanao fitaovana ny olombelona hampiely ny vaovao mahafaly, FA TSY NY OLOMBELONA NO HANAO FITAOVANA AN'ANDRIAMANITRA MBA HAHAZAHOANA TOMBONTSOA SY SEZA. TSY ANDRIAMANITRA NO TSY MITAHY FA ISIKA OLOMBELONA NO TSY MENDRIKA HO TAHIANA. AZA GAGA RAHA LATSAKA TOY IZAO NY FIRENENA. MIANTSO AN'ANDRIAMANITRA NY VAVA SAINGY NY FO FENO FANKAHALANA SY FITADIAVANA TOMBONTSOA. IANGAVIAKO IANAREO MAMAKY AN'ITY MBA HAMPISEHO AN'ITY AMIN'IREO IZAY MITONONA HO RAY AMAN-DRENY ARA-PANAHY: SAMIA MITAIZA NY ONDRINY HO AO AMIN'ANDRIAMANITRA, ANDRIAMANITRA DIA MIDIKA FITIAVANA, ARAK'IZANY AMPIANARO NY OLONA HIFANKATIA ARY AZA MIDITRA AMIN'NY RESAKA POLITIKA NA MIVANTANA NA AN-KOLAKA IANAREO FA IZANY IHANY NO TSY MAHATAFAVOAKA NY FIRENENA. TSAROVY TOMPOKO FA POLITIKA+FIVAVAHANA=MONSTRE

3. zonia

Misaotra @ ireo hevitra voa tosaka rehetra.
Manontany tena foana aho , (ary misento rehefa mitaratra ny fiainantsika malagasy), hoe: tsy ndrao dia tsy olona tahaka ireo mpitondra ireo ny vahoaka? Isika toa manan-tsofina mihaino sy maheno, fa ry zalahy angamba ... hasa tsy haiko! Ny fo ny antsika fo nofo, fa ny an-dry zalahy angamba fo vy. Sy sns... e!

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina