Anitra Sarobidy
Mpanakanto
anisan’ny manana ny talenta nomen’Andriamanitra azy i Hanitra. 15 taona izy dia
efa nanomboka nihira teny anivon’ny fiangonana ka ny fiangonana Notre Dame de
Lourdes tao Manjakandriana Antananarivo no niakarany an-tsehatra voalohany
tamin’izany tamin’ny taona 1995.
Tsy mbola nanana eritreritra ny handeha alavitra izy noho io talentany io fa niainany tsotra toy ny fiainana an-davanandro ny hira sy mozika ka notiaviny mangingina teny ary tsy nivoaka ny fiangonana mihitsy izy fa tao ihany no sehatra nahitana azy.
Tamin’ny taona 2000 izy no nanomboka nanapa-kevitra ny hanokan-tena manokana ho an’Andriamanitra ka hidera Azy mandritra ny androm-piainany.
Tsy mbola niaka-tsehatra nitokana na nanao ny seho ho azy manokana izy fa namaly ny antson’izay miantso azy rehetra ka n’aiza n’aiza dia tongany avokoa isaky ny misy miantso azy handray anjara amin’ny hira.
Fa nanomboka tamin’ny taona 2006 i Anitra Sarobidy no nanana ny mambra ho azy manokana miaraka mihira aminy toy ny mpanakanto rehetra.
- Taona 2006 ka hatramin’ny taona 2009, Atoa RARISON Maurice Alexis no Manager-ny izay sady niandraikitra ny tao amin’ny Groupe Verokely.
- Nanomboka ito volana Desambra ito no i Atoa Nestor ALEXANDRE no Manager-ny.
- Manana mpitendry 3 ny tarika : Doda – Njara – Antsa
- Mpiara-mihira 7 mianadahy : Heritiana – Daniel – Iary – Ando – Lucienne - Sandy – Tiana - Alain
- Amin’ny ankapo-beny, i Hanitra ihany no mamorona ny hira hirainy fa misy ihany koa ireo miara-miasa aminy akaiky toa an’i Hajatiana RAMAMBAHASINA – Alain – RANDRIAMAHEFASOA ary RADOFA Emile.
Notaizaina tao anatin’ny finoana Katolika izy saingy rehefa nanam-bady dia nanaraka ny vadiny ka ao amin’ny FJKM Betela Toamasina no misy azy izao.
Ny ahafahanao mifandray aminay ranestalex@yahoo.fr .
I Tantara 16,25 «Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra» io no andinin-tsoratra Masina ijoroan’ny tarika
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany !!! Amen !
Ny filohan’ny tarika,
Nestor ALEXANDRE.











Comments:
1. Hajadox
Mahereza @ asa fitoriana , fa izahay dia eo foana hanampy hatrany e! Tsy ho foana ny fikelezan'aina @ fanompoana an'Andriamanitra e!
2. Ando
Misaotra indrindra Hajadox, hampitainay any aminy zany. Hotahian'Atra daholo isika rehetra
3. Nathalia
Bonjour!
Tena zao aki vao nahafantatra oe mananan-talenta be ohatra anzany ndry e!!! Mahereza fa tsara be ny fiderana an'Andriamanitra, tena mankasitraka e!!!
Nathalia ato am GasyNet
4. tanjona
hay v ianao ity ka manan-talenta ohatran'izany e! dia mahereza amin'ny fiderana an'Andriamanitra
5. Vony
Nathalia & Tanjona: dé mazotoa ary mihaino ny hirako fa azo henoina tsara ao am radio vazogasy daholo eee! MANKASITRAKA
6. Dinitra
Mahereza aminy asan'ny Tompo dia mirary soa hoan'ny tarika.
7. andoRAL
Hay ve! Izay aho vao nahafantatra!
Dia raha antsoinay ho any aminay izany dia ho avy?
Mahereza e!