You are here: home> News

Antso Diso

Submitted by: raozigasy
On: 03/11/2009

Hanomboka ny alarobia 04 Novambra 2009 ny fandefasana tantara ao amin'ny www.radiovazogasy.com , anisan'ny nanoratra tantara holalaovina amin"izany FX Maha koa indro ny "Tsetsatsetsa tsy aritra momba ny sombin-tantara"

Ny “Antso diso” dia isan’ireo karazan-dahatsoratra antsoina hoe Sombin-tantara na tantara indray miseho fahita amin’ny gazety. Hanolorana ity tantara ity dia ny momba ny sombin-tantara no hasiantsika teny. Inona ny sombin-tantara ? Raha mamadibadika ny gazety malagasy nanomboka teo amin’ny taona 1910 isika dia hahita sombin-tantara maro nosoratan’ny kalazalahy teo amin’ny soratra, toa andry Trezan, Rafanoharana, Rabearivelo, Raharolahy ets ets. Nahaliana ny mpamaky izy ireny satria fohy ka vetivety dia voavaky, tsy toy ireo tantara mitohy hita ihany koa amin’ny gazety maro. Raha lazaina amin’ny teny vitsy, araka ny anarana nomena azy, dia tantara fohy ny sombin-tantara. Io fahafohezany io no tena mampiavaka azy amin’ny tantara foronina rehetra. Manaraka izany, na noho izany, dia voafintina ary tokana ny toe-javatra sy toetr’olona ifantohany. Vitsy ny olona hita ao amin’ny sombin-tantara. Ny teny rehetra ampiasaina dia samy manana ny lanjany avokoa. Raha ny sombin-tantara malagasy no resahina dia mikasika ny fomba amam-panao no tena votoatiny, ny fifandraisana ary fiantraikan’ny zava-misy eo amin’ny tsirairay. Ny “Antso diso” dia mifantoka amin’ny fitiavana kanefa maro karazana ny lohahevitra hita ao amin’ny sombin-tantara toy ny fihavanana hita eo anivon’ny fianakaviana ny mpiara-monina. Tsy ny fihavanana anefa no tena isintonan’ny sombin-tantara ny masom-panahin’ny mpamaky fa izay manembatsembana io fihavanana io, na ny fitiavana. Ny tsy fahita andavanandro eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona. Fomba samy hafa no entin’ny mpanoratra maneho izany misy ireo misy somary malahelohelo, misy mampitaintaina misy kosa ireo somary toa mampitsiky na mampihomehy mihitsy aza. Izany hoe tsy mampalahelo na  mamendrofendro avokoa ny zava-mitranga ao anatin’ny sombin-tantara.

Ny mampiavaka ny sombin-tantara amin’ny tantara foronina koa dia ny fomba entin’ny mpanoratra mamarana azy. Mazana mifanohitra amin’ny fiandohany no ifaranan’ny tantara. Tsy ampoizina.

Samy hafa ny fijerin’ny mpandalina sy ny mpanoratra koa anjaran’ny mpamaky ny misintona izay azony sintonina ao amin’ny tantara vakiny na henoiny.

Endri-pitiavana no hita ao amin’ny “Antso diso”. Koa raha fintinina ny resaka momba ny fitiavana dia teraka izy, velona miadana na miady ary maty. Teraky ny sendrasendra izy ary vonoin’ny tsy ampoizina hatrany na ireo heverina fa fitiavana mari-pototra indrindra aza. 

F-X Razafimahatratra.

Add a comment






[*] Required