You are here: home> News

Arison Jaha Tontolo iray hafa

Submitted by: raozigasy
On: 10/11/2009

Arison Jaha, tontolo iray hafa

“Ny fihetseham-po tsisy valam-parihy”, izay teny vitsy izay no ahafahana milaza ny tontolon’i Arison Jaha. Mahita fy amin’ny tsisy dikany, ary manome dikany na dia ireo zava-madinika indrindra aza.

Tononkalo mazàna no hanehoako ny vetsom-panahiko, indraindray sombin-dahatsoratra na tantara, indraindray feon-kira. Tsy voafetra fa na iny anakandriamasonao iny aza dia afaka mitondra hetsi-po goavana mety hampangovitra ny rindrin’ny diso marina loatra.

Ny maha-olombelona, vatana, fanahy, saina, no iodikodinan’ny peniko. Ilay entona kely voalohany mipololotra avoakan’ny fangotrahan’ny fitiavana teraka ka hatramin’ilay entona farany mitory ny fahataperany, dia mahafinaritra ahy ny mitanisa azy.

Tsy dia tsaroako loatra ny niantombohako nanoratra, nanofy angamba no marimarina kokoa, satria hatramin’ny nahavorian’ny saiko dia efa heniky ny nofy ny sahan’ny fahitako. Tadidiko, efa dimy ambiroam-polo taona mahery lasa izay, tamin’izany aho mbola nianatra teny amin’ny Lycée Andohalo, dia rehefa avy nihaona tamin’i Ramatoa Julliette Ratsimandrava, mpiandraikitra ny Trano Fihatsorohana ny Boky Malagasy, nanehoako ny fikasako hanota boky ireo amboaran-tononkaloko, dia nampirisika ahy izy mba hihaona amin’i Randja Zanamihaotra mpanoratra kalaza anisan’ireo ankafiziko. Natao ny fotoana ny asabotsy ary nomeny ahy ny adiresin-trano. Tsy tsaroako tsara intsony, fa ny fantako dia adin-telo angamba izaho irery nitady ilay adiresy teo Avaradoha ambanimbanin’hopitaly Girard teo. Tsy niparitaka firy moa ny finday tamin’izany andro izany ary izaho tanora loatra rahateo. Tsy tafahaona tamin’i Randza Zanamihaotra aho, ary mandrak’ity ny androany dia mbola misy fanontaniana kely ihany ao andohako hoe raha mba nitohy moa iny resak’iny?

Taona vitsy taorian’izay dia nifindra monina taty am-pita aho. Betsaka ny zavatra azo lazaina, saingy ho an’izay rehetra mpiodana revirevy, dia mandrisika an’izy ireny aho hikiry hanome aina ny nofinofiny satria izay ilay tsiro fanampy mahatonga ny fiainana hanana loko hafa. Izay ilay fanamboarana ny vodin-trano’izao tontolo izao. Na izany aza anefa, dia azoko eritreretina koa fa afaka miaina am-pilaminana tsy misy nofinofy ny olona iray. Eny, malalaka loatra izao tontolo izao ka samy afaka mahita izay ilainy. Samy manana an’ilay fiadanana tandrifin’ny rahonany.

Ankoatr’ireo tononkalo sy asa soratra hita etsy sy eroa, dia misy kapila mangirana niarahako natao tamin’i Tôty fony fahavelony, revy degadegany maningotra fo, mahatsiravina sady mahatehotia, mbetika maha-te handihy, mbetika maha-te hitomany. BADABADA, kapila mangirana misy hira sivy mivelatra afahan’ny rivotra sy ny masoandro mivezivezy, vitamine ho an’ny fanahy mirakitra ny tontoloko iray hafa koa . Amin’izao fety izao dia tsy dia mahatezitra loatra ny ampitanao azy amin’ny namana. Satria ny finamanana dia fizarana.

Ny amin’ny ho avy dia anisan’ny fikasako amin’ny taona manaraka io ny hanao boky iray ivalamparan’ny fitiavana, tsiky ary hetsi-po tena izy. Ilay tsy hanadinoina ireo izay tena izy lehibe amin’ny maha-olombelona. Am-pitiavana 24 carats no hizarako tononkalo iray etsy ambany ho an’ny mpitsidika eto amin’ny tranokala serasera.

Indraindray mety ho hitanao eny aho mi-slam, rehefa ampiampy lasantsy ny vam, raha toa ianao ka handefa mesazy, dia miakàra aloha hanagno voyazy !



Ny molotrao no ranovisy

Noana anao isan’andro.
Mangitsy anao, maraina, atoandro.

Daina, aina, saina.
Feno anao ny tontolo.
Mikorina anao
Ny rako manontolo.

Heta, teta, setra.
Ny molotrao no ranovisy
N’ilay foko makovisy.

Hahaha, kiii
Tsiky sisa no azo atolotra ...
F’iny felam-bodinao iny,
Dia ho fenoiko dia-molotra ...

Mangitsy anao ilay fitiavako.
Mafana anao aho rahavako.

Aiza ? oviana ?
Omeo sopapa eny foana,
F’aleo valiako ilay “ahoana”

Aiza ianao ry tena tiako?

Arison Jaha


Arison jaha dia hitanao koa ao amin’ny facebook sy myspace ao amin’ily itiavantsika azy.

Comments:

1. Rama

Enoko volononao Nahoda. Tsara iaby raha atonao fa tohizo. Faly anay mamaky sy maheno anao. Misaotra mizara daina, aina saina.

2. Ec Raza

Taratra ao amin'ny sombin-tononkalonao tokoa fa tsy misy valam-parihy ny fihetseham-po.Ohatry ny hafahafa mampihomehy nefa toa mitory ihany koa ny fihetseham-po mahitsy tena izin'olombelona iray.
Misaotra nizara ilay loko hafa .Mankafy,mankasitraka dia manohana e.

3. fahamarinana

Mankasitraka be tokoa !Misaotra ny RadioVazoGasy koa nahalalako manokana misimisy kokoa any Jaha !
Mirary hy hitohizany hatrany e ! :-)

4. Nandrianina Maevatiana

Efa nihaona teny ho eny t@ ireny serasera ireny na tsy nifankahita maso aza e! Ny fitiavana ny kanto sy ny asa-soratra Malagasy angamba no nampifandray ny "onde" . Faly mahafantara bebe kokoa anao izany ry Jaha. mahafinaritra ny mihaino sy mamaky ireo tononkalonao degadegany hihihi.
Mirary soa e!

5. Jossie Massot

misaotra mizara e! eny, mizara aina tokoa ny asa soratra ataonao! tohizo fa tsara!

Add a comment






[*] Required