Eto ianao : Fandraisana> News

CHORALE FEON ANJOMARA VAOVAO ECAR MANJAKARAY

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 10/01/2011
Tao amin'ny : Zavakanto

Ny Feon’Anjomara Vaovao na F.A.V dia Antoko mpihira iray ao amin’ny Paroasy Kristy Mpanjaka Ecar Manjakaray. Niforona tamin’ny Decembre 2004 rehefa nahazo fankatoavana ofisialy tamin’I Pretra (Tpkl Pere Louis Lopergolo).

Efa nisy ny antoko mpihira tao amin’ity Paroasy ity nanomboka ny 1964 saingy tsy naharitra taona 2 na telo dia lefy hatrany, noho ny fiovaovan’ny mpitarika tamin’izany, izay sady relijiozy rahateo. Niovaova ihany koa ny anaran’ny antoko mpihira tamin’izany (Raozery Velona…, Feon’Anjomara Manjakaray)

Taty amin’ny taona 2003-2004, rehefa nifandinika ny tanora vitsivitsy izay nahitana an’Atoa  isany Andriankaja Rina (izay sady mpanorina ny Feon’Anjomara Vaovao) sy Atoa Njato dia tapa-kevitra fa tena hiroso amin’ny programa maharitra ho an’ny Antoko Mpihira.

Ny tanjona niraisana tamin’izany dia ny

-         hamerina ireo membre tranainy mba hiditra sy hanatevina ny antoko mpihira

-         hamelona ny hira Katolika

-         hitory ny vaovao mahafaly amin’ny manodidina

Marihina moa fa tamin’ny taona 2004 dia ny CMEM (Chorale Maintimolaly Ecar Manjakaray) no anarana nisalorana ny Antoko Mpihira noho ilay tanjona napetraka dia ny famerenana ny membre tranainy, saingy herintaona taorian’izay dia niova ho Feon’Anjomara Vaovao, satria nisy ihany koa ny olom-baovao te hiditra.

Tamin’ny taona 2009 no nankalaza ny faha-5 taonany ny F.A.V ary niarahany tamin’ny antoko mpihira maromaro sy tarika maro izany fankalazana izany.

Miisa 50 ankehitriny ny membre ao amin’ny antoko mpihira.

Tsy mijanona ao anaty rindrin’efatry ny Fiangonana ny asa fitoriana ataon’ny F.A.V fa efa nanao fitoriana an-kira teny an-kalamanjana ihany koa (Amboditsiry, Manjakaray)

Efa maro ny antoko mpihira niarahana niasa (Ecar, FJKM, FLM, Anglikana), tao koa ny gropy ara-pilazan-tsara (Ny Mpitory, Ny ATM sns), ary efa maro ihany koa ny toerana nitoriana ivelan’Antananarivo.

Tanjona iray ao anatin’ny 3 volana voalohany amin’ity taona 2011 ity ny fivoahan’ny Album Nº1 izay ahitana hira 12.

 

Rina Andriankaja

Anio 10 janoary 2011

Hevitra:

1. MAMISOA

Tompoko,
misy le iangao ny hira ve le album vao2, de aiza no mety ahitana ila y album?


Mamisoa

2. FELANA

manantena sy matoky aho fa tena hira katolika ranoray no ao anaty ny album io an dia mba hanao rindran tsary iany koa nareo.Ary ny ATM ve mbola mijoro e, tsara be koo io groupe io.
Dia mazoto hatrany ry FAV fa mafinaritra ny fiombonana ataonareo.

3. Rina

Misaotra anareo tamin'ny fankaherezana fa izao no valin'ny fanontanianareo:

1/ Hira vaovao avokoa ny ao anaty Album, ary ilay ''aingao ny hira'' dia interpretation nataonay.

2/ Inona moa no tianao holazaina amin'ny hoe hira katolika? Raha ny hira ao anaty album aloha dia hira noforonina avokoa, ary mitory fiderana, fitiavana, fanantenana, finoana. Samy manana ny rythme izy ireo satria ao ny ba gasy, ao ny reggae, ao ny Sud Af.

4. Norosoa

Miarahaba an'i Rina!
Mba mety ho azo ve ny "contact" ahafahana mifandray aminareo? Mba te hanasa anareo manko izahay hanao "concert" any am-piangonanay, ka te-ahalala ny andinindininy rehetra tsara ho fantatra mikasika izany.
Misaotra mialoha o

5. Rina

Ho an'i Norosoa,
Ao amin'ny FB misy ny FAV ka tsara raha miditra Ami ao ianao dia ao no ahitana ny andinindininy rehetra.
Na ihany koa manantona ny ECAR Manjakaray ianao rehefa Sabotsy hariva fa manao repetition ny chorale.
Misaotra indrindra amin'ny fiaraha-miasa

6. doudz

faly miarahaba anareo rehetra ny tenanay! mivavaha mandrakariva de zao o asina exursion ato ato mba hanentanana sy hanafanana ny choral fa to mangingina be tsika tatoato OK! d tongava mivory daolo amzay isak asabotsy

7. Andry

Tena tsara mihitsy ny projet-nareo nanangana chorale maharitra, izaho koa moa te hihiditra fa tsy dia afaka loatra noho ny elanelan-tany, manantena anefa fa hahazo vaovao mandrakariva avy aminareo ! tohizo fa mahatsara ny paroasintsika ny fisian'ny chorale e ! mandalo aminareo ao ihany ao asabotsy hariva rehefa afaka !!! Tohizo dia mahavità be e ! mampamangy amin'ny membre rehetra ao, indrindra ny tranainy izay fantatro sy mahafantatra ahy.
Andry tsy manadino

8. Rina

Merci Andry ah. Rehefa tonga ianao dia afaka miverina an-kahalalahana fa misokatra foana ny varavarana. Ho an'ny vaovao te hiditra koa dia manasa eh. Misy ny dingana efa vita fa mbola be ireo miandry antsika. Ho sarotra anefa izany raha tsy misy anareo manatevina
Misaotra indrindra

9. RASAMILALAO Désiré

Miarahaba anareo Feon'Ajomara Vaovao Manjakaray izahay Groupe Feon'Anjomara Ambohipo.Tamin'ny taona 1976 no niforona teto amin'ny Ecar Ambohipo ny Choral Paroissiale Feon'Anjomara ary efa maro ihany koa ny fotoana nihiranay tao amin'ny EKAR Manjakaray tamin'izany. Hatramin'ny taona 1998 dia niova ho Groupe Evangelique FEON'ANJOMARA izany ary lehilahy tranainy eo amin'ny 15 eo no ao izay tranainy avy amin'ireo tao amin'ny Chorale Paroissiale taloha.Misy ny Album Audio "Feo Miantso" izay navoakanay tamin'ny taona 2005 izay heno matetika ao amin'ny RDB ary izao dia mikarakara ny album 2 izahay.Tsara ny mifankafantatra fa samy EKAR.
RASAMILALAO Désiré
Filoha II Filan-kevitra Pastoraly
Paroasy Md Piera Ambohipo.
Tel 03242439 27

10. Rina

Miarahaba an'i Mr Desiré.
Tena mahafinaritra tokoa izany satria tsy vitan'ny mitovy anarana fa mitovy ihany koa ny tanjona. Raha sitrapon'ny Avo dia mbola hisy tokoa fotoana hihaonana sy hiaraha-miasa.
Misaotra indrindra

11. julie

mafinaritra e! manantena ny fitoizany

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina