Eto ianao : Fandraisana> News

Domoina Ratovozanany

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 13/08/2010
Tao amin'ny : Zavakanto

Iza moa i Domoina Ratovozanany ?

Teraka tamin’ny 2 oktobra 1985, Domoina Ratovozanany dia anisan’ireo poeta tanora malagasy tena andrandraina ho lasa lavitra. Vao 12 taona izy no nanomboka nanoratra ary manana tononkalo miisa 300 eo eo ankehitriny. Na dia mbola tsy namoaka boky tokoa ary mantsy izy dia efa mihamanakoako eran-tany ny talentany.

In-5 voafidy poetin’ny fitiavana mahay indrindra eran-tany

Tononkalom-pitiavana amin’ny teny frantsay no tena soratan’i Domoina Ratovozanany. Hatramin’izao dia izy irery no teratany malagasy manana asa soratra voafidy ho « tononkalom-pitiavana tsara indrindra tao anatin’ny volana  » tao amin’ny tranokala www.poesieetcitationsdamour.com, ny tranokala frantsay lehibe indrindra mikasika ny tononkalo sy ohateny momba ny fitiavana. Izy ihany koa no hany poeta eran-tany nandresy indimy hatramin’izao. Ireto avy ny tononkalony nahazo fankasitrahana : « toi » (jolay 2005), « je t’aime » (jona 2005), « tu es mon homme » (aogositra 2006), « quand tu m’aimes »« tes yeux » (marsa 2010) et (jona 2010).

Ny ankabetsahan’ny tranokala poetika frantsay dia mizara avokoa ny tononkalom-pitiavan’i Domoina Ratovozanany, ary blaogy aman-jatony avy amin’ny firenena eran’izao tontolo izao. Adikan’ireo tia Internet amin’ny teny maro tokoa manko ny asa sorany, toy ny teny anglisy, alemana, italiana, portugais, espaniola, japoney ary persa. Ary ny mpitsidika ny blaoginy, http://domoina-poemesdamour.hautetfort.com, nosokafana tamin’ny 2007, dia mitombo avo roa heny isam-bolana.

Amin’ny ivon-kolontsaina rehetra

Eto Madagascar dia tsy latsa-danja ihany koa ny fahafantarana an’i Domoina Ratovozanany. Satria izy nianatra serasera teny Ambohitsaina dia mpanao gazety no niandohany. Zandriny indrindra izy tamin’izany kanefa dia nibata ny Loka voalohany amin’ny fanadihadiana momba ny tontolo iainana tamin’ny 2006.

Voaray ho mpikambana tao amin’ny Havatsa Upem izy ny taona 2007 ary mandray anjara mavitrika amin'ny hetsika karakarain’ny Alliance Française de Tananarive sy ny Centre Culturel Français (Printemps des poètes, ady hevitra momba ny zon’ny mpanoratra, fiantsana tononkalo…).

Noho ny fahavitsian’ny mpanoratra malagasy mampiasa ny teny frantsay dia nandika maimaimpoana ny tonokalon’Ny Eja tamin’ny teny frantsay izy tamin’ny 2006, boky izay nitondra ny lohateny hoe « Rêve inédit ».

Hevitra:

1. Fredy JAOFERA

Miarahaba anao, Domoina

Nahaliana dia nahaliana tokoa ny namaky ny momba anao. Rahoviana aho no mba handefasanao ireo tononkalonao amin'ny teny frantsay ireo hovakina ? Rahoviana ianao no hamoaka boky ? Maika hanana aho. Hay ve ianao ao amin'ny Havatsa e !...

Ity no site-ko

http://efjr.wordpress.com/

Mirary soa,


Fredy JAOFERA

2. Daomania

Miarahaba an'i Domoina,

Mankasitraka tokoa ny asa soratrao aho ry Domoina. Ary tena mirehareha satria malagasy toa ahy ianao, mahazo dera sy fankasitrahana eo anivon'izao tontolo izao : manana haren-tsaina i Madagasikara ary tsy mena-mitaha fa manana ny toerana mendrika amin'ny kolon-tsaina ifampizarana eran-tany.
Gasy ka manja !

3. Daomania

Miarahaba an'i Domoina,

Mankasitraka tokoa ny asa soratrao aho ry Domoina. Ary tena mirehareha satria malagasy toa ahy ianao, mahazo dera sy fankasitrahana eo anivon'izao tontolo izao : manana haren-tsaina i Madagasikara ary tsy mena-mitaha fa manana ny toerana mendrika amin'ny kolon-tsaina ifampizarana eran-tany.
Gasy ka manja !

4. HAVATSA-UPEM Foibe

Mpikambana HAVATSA ianao fa tsy mbola hitanay nivory, na mba mandalo ao amin'ny foibe rarihasina ihany fa mielina angamba. Aoka tsy hoentinentina foana ity anarana mpikambana Havàtsa ity fa misy andraikitra takina amin'izany. Tsy hasiahana sanatria fa maro amin'ireo mpikambana no mandrentirenty ny asa sorany ho fatratra omban'ny filazana fa mpikambana amina fikambanana goavana toy ny Havàtsa, nefa na ny adidy farany bitika indrindra dia ny famonjena fivoriana isaka ny alahady faharoa amin'ny volana aza dia tsy vatrany ho zava-dehibe akory. Mazava anefa ny fitsipika ifampitondrana fa raha misy tsy fahafahana mivory dia manao taratasy ary raha tsy eto an-tanindrazana dia mba mampahafantatra ny fahabangana mùandritra ny fotoana tsy maha eo e

Na izany aza, mirary soa ho anao manokana ry Domoina satria dingana lehibe sahady no vitanao teo amin'ny tantaran'ny literatiora malagasy, satro-boninahitra ho anao izany saingy haja ho an'ny malagasy rehetra.

Mandra-pihaona dia tongava mivory
NY biraon'ny HAVATSA-UPEM

5. Domoina Ratovozanany

Miarahaba antsika rehetra !

Misaotra indrindra amin'ny fanohananareo rehetra!

Sady miala tsiny koa amin'ny biraon'ny HAVATSA UPEM satria marina fa tsy nivory mihitsy aho tamin'ity taona ity. Variana nitaiza -:) Fa efa miverina eo @ sehatry ny literatiora indray izao ny tenako ato ato ka!

Momba ny boky, mbola mitady mpanonta fa tsy mora ny manao zavatra, manantena aho fa hahita tsy ho ela.

6. Martin Raoda

Miarahaba anao ranabavy.
Tena tsara ny tonon-kalonao ary reharehan'ny malagasy ny fananana olona manan-talenta toa anao ka tohizo hatrany.
Somary tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra kosa anefa ny hafatra napetraky ny biraon'ny fikambanana HAVATSA-UPEM izay misy anao.
Aiza ve ka ety amin'ny "internet" no hifanebaka sy hifanala baraka toy ny hoe "tsy tonga mivory " sy ny hoe "Aoka tsy hoentinentina foana ity anarana mpikambana Havàtsa ity..." noho ny fehezan-teny iray izay inoako fa marina izay manao hoe "Voaray ho mpikambana tao amin’ny Havatsa Upem izy ny taona 2007 "
Raha ny fijeriko azy mantsy dia tena manebaka ary tsy mba narahina fananarana akory fa baiko aza toy ny hoe "Tongava mivory" no namaranana ilay hafatra.

Raha ny toe-tsaina sy ny fahendrena malagasy anefa no jerena dia tsy fanao ny mamoaka ny lamba maloto toy ny olana ara-pitsipi-pitondran-tena anatin'ny fikambanana ho hitan'ny be sy ny maro toy izao.
Vaka ihany ny saiko hoe tsy azo natao ve ny nifampiantso an-telefaonina na nifampita hafatra dia mba nifampidinihana tany amin'ny sehatra manokana ny olana eo anivon'ny fikambanana toy izany?
Tsy fombako ny miandany nefa ny hendry ihany no anarina, ka mba manipy teny ihany ho an'ireo biraon'ny HAVATSA UPEM mba hanana fihetsika matotra sy hendry ary am-pitiavana sy am-panajana manoloana ny mpikambana ao aminy na dia hoe hametrahana ny haja aman-kasin'ny fikambanana eo anivon'ireo mpitsidika ity pejy ity fotsiny ihany aza.
Ekena fa ny zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsan-kazo, saingy ny tokan-trano ihany kosa tsy ahahaka.
Voankazo an'ala hoy ny ntaolo ka ny mamy atelina fa ny mangidy avelao.
Misaotra tompoko.
Martin Raoda

7. Dominique

Miarahaba anao,

Mino aho fa tsy adinonao io adresse io. Mahafinaritra ny maheno ny lazanao etsy sy eroa ka antenaiko fa ianao dia anisan'ireo mpanoratra hamela mamy ho an'ny firenena sy ny FITIAVANA e!!

Ny zanakao izao tsy misy atao hoe: Fitiavana no anarany? Lol ! vazivazy zany e!

Faniriana ny ihaona aminao indray, nefa miankina amin'ny fahafahanao sy ny lahatra. Tadidiko foana ilay hoe: aza miasa saina rehefa tsy tonga amin'ny fotoantsika aho, satria tsy mbola "important" amiko izany ilay izy.

Mirary soa.

D...

8. GarrisonLori28

freelance writer

9. Reary

Miarahaba an'i Domoina,
Heviriko fa marina hatrizay mandrak'andorana ilay ohabolana hoe: < Ny hazo avo halan-drivotra>. Nefa atao mahakivy ny tsikera toy ireny, fa atoa zezika hampaniry ny voly vonikazo mafinaritra efa nikelezana aina.
Etsy anie e! ZAFY REARY no solonanarako, mpanao gazety fahiny aho. Miasa aty ivelany aho ankehitriny ary sehetra avo lenta. Nandalo mason-tsivana maro vao tonga t@ izany. Ny tiako ambara dia inty : Mahery ianao, matoa nahazo io toerana io. Fantatro tsara ny toen-tsaina entin'ny vahiny miatrika asa, indrindra fa mampiasa mason-tsivana hentitra ry zareo. Koa @ko tsy kitanitany ny nanomezany anao io anaram-boninahitra io. Mahereza!
Te hitodika @ Biraon'ny HAVATSA UPEM aho. Tsy tsara raha @ sehetra serasera natao hoan'ny besinimaro toy itony no itenenana olona. Heveriko fa olon-kendry daholo ianareo ao @ fikambanana ka tsy hamerina ny tahaka ireny intsony. Satria raha te hiditra ho mpikana ao @nareo izao ny tenako, dia kivy be. Efa ampolon-taona maro no nanoratako, fa tsy mbola mpikambana t@na fikambanana mpanoratra izatsy na izaroa aho, satria halako ny zavatra toy io ataonareo io.
Betsaka ny mpikambana ao @nareo no fantako, namako, ny havako mitarika ahy ho ao @ HAVATSA, fa hatreto aloha dia aleoko mipetraka @ izao.
Domoina a! raha mba azonao atao dia mba handefaso sationany @ ity adresiko ity aho: andriambololona.razafy@gmail.com, ny tenako.
Veloma! Mahereza.

10. BuckBeryl20

freelance writer

11. REGINARose18

freelance writer

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina