Fara Andriamamonjy 25 taona nihirana
Feno
25 taona amin'ity 2009 ity ny namoronan-kira sy nihiràna ny Filazantsaran'i
Jeso Kristy.
1984 : Fotoana namoronan-kira voalohany
1991 : Album N° 1 "Ny loharanako rehetra dia ao Aminao
1993 : Album N° 2 "Velona Jesosy"
1995 : Album N° 3 "Ampy ho anao ny fahasoavako"
1997 : Album N° 4 "Hitempo ho iray"
2001 : Album n° 5 "Misaora"
2004 : Album N°6 "'Ndao hidera"
2007 : Album N° 7 "Ianao no herinay"
2009 : Volume spécial 25 ème : "Jeso, Ianao no deraina" ;
Mialohan'ny nahatongavana teto Frantsa dia nanao fotoam-pankalazana an'Andriamanitra tao amin'ny palais des Sports
nizara telo mazava ny fotoana :
1ère P : Mpidera 300 avy amin'ny chorale 9 tao Tana nanao choeur hiran'i Fara
2è P : Groupe HIM - tarika Vonjy - KARMELA - Mialy Rakotomamonjy - Mamy Robinson - Groupe UNITY - TGC ......... ireo ni-interprete hiran'i Fara iray avy amin'ny fombany
3è P : 3 Medley
- Nanolotra Atoa Camille Rafalimanana
-Nitondra ny hafatra avy amin'Andriamanitra : Ramatoa Lilie Razafiarison - Pr Emilien Raafiarison
- Sono & lumière : KIKI
Samy nanolotra ny tsara tany aminy ny tsirairay avy tamin'io andro io, sady nanao tamim-pitiavana, indrindra tena nifanotrona izany hoe nifampihaino sy nifanaja tokoa. izany no isan'ny tena nampahomby ilay fotoana.
Manam-bady ary manan-janaka 4 mianadahy;
Fara Andriamamonjy izay efa tsy zoviana amintsika intsony dia mankalaza ny faha 25 taona niakarany an-tsehatra ho an'ny Tompo.
Amin'ny fandalovany eto Frantsa dia manolotra ho anao rindran-kira aram-pilazantsara izay iarahany amin'i Rija Rasolondraibe, Vonjy, ary Sunrise. ny 28 novembra 2009 ao amin’ny 28 rue Arago Saint Ouen 93400 amin’ny 07H30 hariva tsy diso. Amin’io andro io ihany koa no ahitantsika ny dvd live « Ho Azy ho Anao » palais de sport amin’ny vidiny mirary
" ……. fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony. " Salamo 78. 4b










Comments:
1. lidah
Bonne continuation