You are here: home> News

Fisaorana

Submitted by: raozigasy
On: 28/10/2009

Ry tapaka sy namana,

Maro ianareo no namaly ny antsonay tamin'ity taona ity. Ny Ekipa Soratonon'2009 dia misaotra anareo nanatrika sy nandray anjara tamin'ity edisiona faha-7 ity.

Manantena izahay fa hampandroso ny fahalalana ny fitsipika sy ny fototry ny teny malagasy ireo fifanakalozan-kevitra nandritra iny fihaonana iny.

Mino koa izahay fa ny loha hevitra nofidiana dia hanosika antsika handalina hatrany ny atao hoe  "fihavanana".

 

Jereo ao amin'ny tranokalan'ny fikambanana ny anaran'ireo nahazo loka :

www.i-teny.org

http://soratonon2009.blogspot.com

 

Ankafaliana lehibe no hihaonanay aminareo indray amin'ireo hetsika kolo ho avy  sy ny fifaninanana Soratonon'2010â.

 

Madra-pihaoana indray.

 

Mamy ANDRIANARIVONY

Filohan'ny fikambanana KOLO.  
   

Ireo mpiara-miasa


Add a comment






[*] Required