Eto ianao : Fandraisana> News

GTT International Genève : tokony atao ny fihaonana an-tampony takian’i Amiraly

Nampidirin'i : admin
Ny : 21/11/2011
Tao amin'ny : Politika

 

Ny alin’ny asabotsy 19 novambra lasa teo, nivahiny mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tao amin’ny onjam-peo RNA Toamasina ireo mpitarika ny fikambanana GTT International Genève na Gasy Tia Tanindrazana izay nahitana ny Filohan’ity fikambanana ity Dr Gilbert Darsot( Marseille), ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny GTT Inter Genève Profesora Dieudonné Ranarison (Poitiers) ary Rtoa Patricia Lehmann izay anisany mpanorina ity fikambanana ity. Nandritra io tafa mivantana nataon’izy ireo tamin’ny vahoakan’i Toamasina io no nilazan-dry zareo fa manohana hatrany ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nisy koa ny fanamarihana manokana nataon-dRamatoa Patricia Lehmann izay nanambarany fa manohana ny tolo-kevitra naroson’i Amiraly Ratsiraka izy ireo dia ny tokony hanatontosana fihaonana an-tampony any Madagasikara eo amin’ireo lehiben’ny Movansy 4. Io fihaonana an-tampony io avy eo no mamaritra ny fitsinjaran-toerana eo amin’ny akolafy rehetra mba hialana amin’ny adi-varotra seza lava.

 

Nanamafy koa ity fikambanana GTT International Genève ity fa tsy miova amin’ny fitakiana hatramin’izay nijoroany dia ny famoahana ireo gadra politika, famelana hody malalaka eto Madagasikara sy tsy misy fepetra ireo sesitany politika rehetra indrindra ny Filoha Ravalomanana Marc ary ny fanokafana ireo haino aman-jery rehetra nakatona. 

 

Nangonin’i Tamaga

 

Hevitra:

1. Salohy Raherijao

Izaho manokana aloha dia tsy manaiky ny hodian'ny filoha Ravalomanana aty an-tanindrazana raha tsy miala teo Ra-joela satria ho matimaty foana Izy raha mody aty.
Jereo fotsiny aza. ny zanany fotsiny no mody dia efa romotra toy ny amboadia izy mainka fa iDada Ravalo no mody dia mba heverokely. Eo am-pelatanany koa mantsy ireto miaramila tsy matahotody mpamadika ny ra iraisana izay hanody ny taranany tsirairay ny zavatra nataony.

2. njrtkr

Izaho koa dia manohana ny hevitrao zato isan-jato ry Saholy fa tena marina ny hevitrao ary izaho dia anisan'ny faly aza raha tsy navela hipetraka ao an-Tananarivo ny fiaramanidina satria tena nitaintaina mafy aho ny hanjoa ny Filohantsika raha sanatria ka nidina tao.
Arak'ilay voalazan'ilay jeneraly tsy matahotody ao amin'ny tafika hoe: "TSARA KOA RAHA MODY ATY IZY FA MANAMORA NY FAMONOANA AZY FA SAHIRANA KOA IZAHAY MANENJIKA AZY ANY AN-TANY LAVITRA ANY".
Raha mba malagasy ihany lahy no mahavoaka izany vava izany dia asa!!!...
Am-bava homana am-po mieritreritra fa antsika no misaina sy mandinika izany.

3. namana1

Tsy hitako mihintsy izay mankaratry ny lohanareo GTT ireo.Mbola tsy tonga saina ihany ve hatramin'zao fa ataon'ny mamba toerana sy mpangoronkarena sy tia tena fitaovana fotsiny nareo?Mba mihevera ihany fa aza d manao fijery ivelany sy tsy mba mandinika akory.Mba jereo anie ny ataon'i Zafy,7 taona i Ravalo teo tsy nanaiky ingahy Zafy fa mpitondra i Ravalo,avy eo vao tsy nahazo toerana ,na tsy nitondra @ zao fotona zao d lasa mpanohatra sy manohana an'i Ravalo.D mbola tsy tonga saina ihany ve nareo?,kilalao ny an'ireo jiolahimboto-mpolitika rehetra ireo.

4. snapback new era

Der Artikel ist lesenswert, Ich mag. Ich halte die neuen Elementesnapback new era

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina