Henintsoa Mirija RAZANADRABE
Henintsoa
Mirija RAZANADRABE, fantatra amin’ny solon’anarana oe Nantto na Nato. mitovy
karazana amin’ny varongy ny nato. Somary malefadefaka izay izy. Ny hodiny dia hampiasana
hanaovana lokona lambamena. Ny ohabolana dia manao toy izao: “Mitondra nato
miantsinana”. Ny tiana ambara etoana dia hoe mitondra zava-tsoa eo amin’ny
toerana misy anao ihany satria ny nato dia karazan-kazo hita any amin’ny
faritra Atsinanana.
Avy amin’izay ihany koa no tena nitarika tamin’ny fanoratana dia ny hitondra zava-tsoa ho an’ny tontolo hiainana, hanova ny toe-javatra tsy mety mitranga eo aminy. Ary ny hamaroan’ny asa-soratra dia manodidina izay loha-hevitra izay: hanova ny tontolo, hanome vahaolana ho an’ny fiaraha-monina, miresaka ireo sorisorin’ny olombelona amin’ny andavanandrony. Io sehatry hivelarako io no tena manome dikany mazava ny hevitry ilay teny hoe “tontolo” ao amin’ny asa soratro.Miverimberina matetika izy io ao.
Vao herin-taona izao no nanomboka nanoratra ary tsy mbola namoaka boky, fa efa ao ihany ny fikasana. Fa ny tranokala toa itony no nampitaina ny soratra. Marihina fa mbola tsy dia fantatra loatra eo amin’ny sehatry ny zava-kanto ny tenako, mbola vao tanora tokoa amin’izay sehatra. Tsy mbola manana fifampikasohana amin’ny mpanoratra Malagasy afa-tsy amin’ny alalan’ny boky sy pejy voasoratra. Ary mbola tsy niseho tamin’ny fandaharana amin’ny haino aman-jery misy eto an-toerana. Mety manahirana araka izay ny hitonona hoe mpanoratra kanefa dia tsy maintsy handalovana aloha zao toerana izao ahafantarana ihany koa ny dia-penina vaovao eo amin’ny tontolon’ny zava-kanto Malagasy sy eto amin’izao tontolo izao.
Ary izay toerana izay dia hihoarana hatrany satria ny tontolo dia mivoatra, ary ny fiaraha-monina dia mivoatra ihany koa. Ny zava-kanto dia manaraka izany, ary eo no tena nahatonga ny tena hametraka zavatra ho an’ny sehatry ny kanto hanome endrika iray vaovao endri-tsoratra hafa hampivelatra ny efa misy sy fantatra.
Ny soso-kevitra azo hampitaina amin’ny mpanoratra Malagasy dia eo amin’ny fifantenana ny teny hampitana hevitra, ary ny fikarohana sy famelomana ireo teny zay vitsy mpampiasa amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay dia tokony hivelatra kokoa amin’ny firesahana ny zava-misy eto amin’izao tontolo izao fa tsy ny zava-mitranga eto an-toerana ihany.
Ny Mpanoratra Malagasy tena mahafinaritra ahy dia Rado, Dox raha eo amin’ny fandrafetana ivelany tononkalo. Fa raha eo amin’ny fomba fampitana hevitra amin’ny tononkalo na tantara foronina kosa dia i Rabearivelo (ohatra ny Presques songes), E.D ANDRIAMALALA (ohatra Hetraketraka). Ny mpanoratra vahiny mahafinaritra ahy dia I Shakespeare (Tragedie de Hamlet) ingahy Goeffrey Socher (The Pears of Ploaman).
Miasa sy monina eto Antananarivo aho. Ny asa atao dia eo amin’ny sehatry ny serasera. Ny Mailaka azo ifandraisana dia hamletmix@yahoo.de, ary ny tranokala hamantarana ahy kokoa dia ny www.myspace.com/henintsoa. Ny laharan’ny finday azo hifampiresahana dia 034 10 737 76
Eo amin’ny 40 mahery eo zao no tonokalo voasoratra. Ny tononkalo nosoratako nahafinaritra ahy dia ny “Dindona”.
Misy nofy toa mandindona
Manamboly milaza inona
Mampatsiahy ny zavatra fahiny
Mamerina ny fiaina fahiny
Te hiantsampy ianao nefa ho aiza
Te hiantoraka nefa hankaiza
Mitanisa ny lasa voaseho toa jinery
Tsy afa-mankaiza zato tena irery
Gaga angamba ianao raha lazaiko
Fa miaina
Mitamberina ny lasa feno aina
Te hiangavy nefa moa hilaza inona
Hanina sy embona zato mandindona
Ny lasa dia fitsiahy
Ny ho avy tsy hanahy
Ny fiainana ireny
Mampitsiry nanto tsy hireny
Desambra 2009










