Eto ianao : Fandraisana> News

Koriam-penina... Hehinao...

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 20/08/2010
Tao amin'ny : Kolotsaina

...HEHINAO...

Ilay fanenon-tafontrano danihin-johary mitataovovonana  no mozika kanto nanaitra ahy sy nampihiratra ny masoko. Nangala-pijery tany amin’ilay famantaran’andro lehibe teo amin’ny rindrina aho, efa amin’ny iray ora sy sasany. Nojereko ianao, mbola feno lamin-tsaina anaty torimason-jaza. Nosafoiko an’eritreritra ilay rirandriran’endrikao, nolaniako an-jery ilay refim-bolomasonao nalamin-janahary ho ravaky ny handrinao.Nony farany tsy aritro fa nosafoiko malefaka ilay takolakao. Nihiratra ianao, novalianao tsiky ilay tsiky nohalefahin’ny foko miredam-pitia. Nomeko oroka indray ireo molotrao roa mena fify, tarafin’ny masoandro mangarana antsefaky ny lesoka kapila ratsy taingina.

“Amin’ny firy izao ?”  hoy ianao. “vao amin’ny iray antoandro” hoy aho. “Hifoha isika dia hisakafo kely, sa hifampihinana indray” hoy ianao miangoty sady misafo ny sandriko mbola tsy tehiala am-pamihinana anao. “ Andao ary hohanina amin’izay ilay sakafo nataonao omaly” “sady mila misakafo isika raha mbola tehanararaotra ny fahabangan’ny trano.

Niara-niarina isika ka izaho nanokatra ny varavaran-kazo, ianao nidina nankany an-dakozia nikarakara ny sakafo. “Sady mbola ato ilay divay nentinao omaly” hoy ny akom-peonao nanakoako avy any ambany rihana. “hisaika kely aho dia hidina” sady narindriko ny varavaran’efitra.

Afaka minitra vitsy dia niantso ianao “vita ny sakafo fa haingana ianao e, sao dia hiakarako any dia tsy misakafo eo indray an” , “ho avy aho e” , “rehefa midina ange ianao dia ento midina ilay findaiko azafady  e, jereo eo an-doham-pandriana eo , na eo amin’ny manodidina eo e”. Noraisiko ilay finday dia nidina aho.

Nomeko anao ilay finday, nanopy maso tany ianao sady niteny an-kiaka hoe : “maty isika fa niantso teo i dadatoa tamin’ny folo, sady izay efa imbetsaka mihitsy” sady nohenoinao ilay hafatra tao, nikoropaka ianao sady niteny hoe “hody aloha hono ry zareo, ka asainy mikarakara sakafo antoandro aho” “dia ahoana” hoy aho taitra. “Dia tsy maintsy mandeha indray izany ianao ry malalako a, sady tsy tiako ianao tratrany eto , fa hainao ihany. Ento indray ity divay ity dia eny amoron-dranomasina no fotoana rehefa harivariva iny. Andefasako hafa-pohy ianao rehefa hiainga ho any aho e”

Nitsifotra kely aho sady nirinto-malefaka rehefa avy nanoroka anao. “Jereo tsara sao dia misy entanao adino” sady nihazakazaka ianao niakatra nandamindamina ilay efitra nanjary efitsika.

Nanao dia maika aho namonjy ny arabe. Niampita aho dia nitodika. Indro tazako ianao eo am-baravaran-kely mitazana sy mikopakopaka ahy, sady nampita oroka am-pihetsika ihany. Tafitohina aho ka saika nianjera, nihomehy ianao dia nikopaka farany dia niditra tao an-trano.  Tsy fantatro fa izay hehinao izay koa no nifankahitantsika farany taty an-tanindrazana

Tsy dify tery an-joron’arabe akory aho dia indreny fiara telo mirifatra nifanena tamiko. Gaga ihany aho hoe maika ho aiza aza ireto olona. Nitodika aho, hay olona ho ao aminareo. Sady taitra noho ny hamehan’ireto havanao, no nihomehy anaty ihany koa hoe raha nisy kely dia tratra teo.

Nivenjivenjy teny aho mandra-panapahako hevitra ny hijanona hisakafo. Teo amin’ilay trano fisakafoanana teo anoloan’ny lapan’ny tanàna aho no nijanona. Niditra moramora aho no sady nitsiky. Tsy nisy namaly anefa ilay tsikiko fa vao mainka aza teny an’avona no setriny azoko. “tsy azo entina ato iny tavoahangy tompoko” hoy ilay lehilahy tsy fantan-taona niteny tamiko. “tsy nieritreritra ny hisotro ity ato aho tompoko, fa fanomezan’olona ity” hoy aho saika hirintona hivoaka. Efa teo am-baravarana aho no  naheno feo tsy vaovao tamiko. “Solo elabe izany ?” Nitodika aho, hay i Hanta. Niverina indray aho sady nandingana ilay mpandroso sakafo miavonavona no nanantona azy.

Hevitra:

1. Yanja

Tsy te ahita aho hoe ho avy atsy ho atsy ny rivo mahery te handrava !!!

2. Anyc

rahovina ny tohiny fa efa tehahita izay ho tohiny izahay

3. Raozigasy

Efa mihetsiketsika izy any eee

4. ditra

mafinaritra be izany tantara izany

5.

6. dera

misaotra de ampirisihina indrindra ami`ny fanohizana ity sombiny kely nefa mafilotra ity.

7. Keydren

If only there were more clveer people like you!

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina