Eto ianao : Fandraisana> News

Koriam-penina... Isika Roa

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 01/07/2010
Tao amin'ny : Kolotsaina

... Nofihiniko ny tananao dia niara-niarina tsimoramora teo ambony fasika isika, ny fiparasaky ny fasika nokopahina tamin'ny akanjotsika sisa no hafatra napetraky tosy ho an'iny tora-pasika iny

Nifampitantana isika namonjy ny arabe, ilay zavan-jiro karakara mitsikilo antsika avy eny an-tendrom-boanio no nanilo dia antsika indray hamonjy ny lalan-tara hitodiana any an-trano ...

Vao nahazo ilay arabe midadasika isika dia nosakambiniko ianao, nafatotrao tan-takibako ny tananao roa, novakaninao fitiavana ny vatako manontolo,

Tsy te hamindra aho fa te hianoka ny nofinofy sy hidola ny onjam-pitia eo anilanao , rehefa nihanakaiky ny tranonao isika dia hoy ianao mantsy ahy :

- rahoviana vao fodiana iray no hodiantsika ??
- nitsiky aho namaly anao nanao hoe : tsy ho ela intsony izany ry aiko
- natehikao teo an-daingon-tavako ilay oroka mamy dia mamy sady hoy ianao manao hoe : iny oroka iny no ampanarahiko anao any am-pandrianao , ka hamisavisanao ny ho avintsika feno fiadanana

Nikopaka ahy ianao dia niakatra ilay tohatra, ilay tohatra fipetrahantsika rehefa malay misaraka

Nitsiky ianao sady nikopaka farany, injao henoko ny tao an-tranonao niteny hoe : hay tonga ianao ?? iza no nanatitra anao ???

Ny siokan'ny rivo-dranomasina sisa nanaraka hatrany an-trano, ny siokako kosa nanaraka anao hatrany am-pandrianao ny famololony ...

Hevitra:

1. Nannie

Mahafinaritra ery ny mamaky azy... misaotra betsaka.

2. Yanja

Kantokely Mahafinaritra,

Fotoana fohy , kely monja nihanoka ao anatin ny fitiavantsika no hanenika ny fiainako iray manontolo satria efa teo anilanao.

3. Maeva74

Mahafinaritra,kanto sary mahaliana ny tantaran' i Raozy. Mankasitraka hatrany

4. Raozigasy

Misaotra antsika mankasitraka fa mampahery tokoa e

5. Nary Arthur

Tena ankafiziko ny KANTONTSIKA, afa-po sady afa-bizana ny tenako, faly koa ra faly fa tsy very ny hasin'ny maha Malagasy antsika raha mitohy ny famohafoazana azy hatrany
Misaotra feno tsiky

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina