Koriam-penina...Aiza ianao....
Niezaka ny hiantso anao aho vao nirava, nefa tsy nety nahazo mihitsy .Mbola tsy tafaverina angamba ianao ilay hoe handeha hamangy ny dadabenareo any ambanivohitra na mety hoe nisakafo tany dia nijanona tany. Tsy niara -nody tamiko I Andry ka dia honjohonjoko samirery nody.
Nanomboka
nirotsaka tsikelikely ny orana. Tsy nahataitra ahy anefa izany vao maika aza
nandrangitra ny habangana tato anatiko. Indreo eo anoloako misy mpifankatia
mifampitantana sady mifampitarika manavatsava ny orana, tazako avy ety aoriana fa
na ny fandehan’izy roa aza dia feno dolam-pitia, ka tsy mahataitra azy akory
izay orana mijojo fa vao maika aza mamporisika azy roa hitady aloka hahafahana
mifanorokoroka sy hihatahana ireo mason’ny raiamandreny mahamenatra.
Tsy lavitra ahy aza dia misy mpifankatia hafa ihany koa mifampisavisavika eo am-pialofana. Hita mihitsy hoe zaran’izy roa aza misy ity orana latsaka ity hahafahany manararaotra mifampitosy . Nahita izany rehetra izany aho dia nahatsiaro anao, ianao izao any tsy haiko hoe aiza. Niditra tao amin’ilay sinoa fandehantsika aho dia namonjy nipetraka teo amin’ilay latabatra fipetrahantsika roa.
Nanantona ahy ilay ramatoa sady nitsiky no niteny hoe lenabe ianao izany, ary ianao irery angaha ? Nitsiky tsy sazoka aho namaly ny tsikiny no sady niteny taminy hoe : omeo ilay lasopy mahazatra ange azafady e. Dia teo aloha niandry ny orana nitsahatra.
Niverina niantso anao indray aho nefa dia tsy nisy namaly ihany. Tena angamba natory any izy hoy ny eritreritro. Dia lasa teo ny vinaninko mijery ireo mpifankatia milahatra tsiroaroa anaty sakambim-pitia , toa tsy mampihontsona azy ireo akory izato orana.
Mandra-piandry ilay sinoavavy mikenonkenona dia nandray taratasy aho ka nanoratsoratra tononkalo ho anao, ary tamin’izay indrindra no nanoratako ilay hoe :
AIZA
Mandeha tsiroaroa, ny mpifankatia, manavatsava orana
Ny masoko ankiroa, mahita izany akia, mila hananga-torana
Mifanorokoroka, etsy sy eroa, ny mpifankatia
Ny ahy anefa izay oroka, lavitra tokoa, raha teto mantsy indry
Misakambikambina, mamihina ny tiany, ireo tovolahy be sangy
Izaho kosa miambina, ilay findaiko iny, sady manidy vangy
Miandry ny antsonao, miandry hiantso anao, ora firy izao !!!
Ny findainao, tsy azo hatramin'izao, fa aiza hoa ... ianao ????
Nihaalina ihany ny andro, nihanangatsiaka ihany koa ilay sakafo nafarako. Sady nisakafo aho no niverina namaky ilay tononkalo. Avy eo dia niverina niantso anao indray. Nefa ny teo ihany no teo. Nanao dia maika aho nody. Sorena aho fa tsy naheno anao, nefa nientanentana ihany koa fa nahavita nizara an-tsoratra ny hafenoam-poko.
Vao tonga
tany an-trano aho dia nipetraka teo amorom-pandriana sady niverina namaky ilay
tononkalo. Nihomehy aho dia nofihiniko ilay taratasy, teo aho dia resin-tory …






Hevitra:
1. Yanja
"Lasa ny saiko
Lasa mankany aminao
Maminavina izay mety ho ataonao
.......
Na ody fitia no mety nahatonga izany
Tsy mampiova n' inon'inona
F' izaho koa efa tia anao rahateo"
2. Maeva74
Miandry ny tohiny hatrany.
3. alain
tsara fa tohizo
4. mmmhh
lasa aiza ary izy? inona ary ny ataony?
aleo hamaky ny tohiny de ho hitako eo,