Koriam-penina...Alim-pitia
Nony tonga teo
am-baravarana isika dia hoy ianao mantsy aho. “voky tsara ve ianao ?” tsy mbola
tapitra akory ilay tsikiko dia efa niteny sahady ianao manao hoe : “atokany ho
ahy sy ho antsika ny alinao androany sy ny tohiny rehetra” . Vao tafiditra tao
an-trano isika dia nazeranao malaky ilay tsivalan-kazo mampisaraka antsika amin’ny
tontolo any ivelany. Nihazakazaka ianao niakatra ny tohatra sady nampiteneninao
ilay fihetsikao miantso hoe enjeho aho, dia raha azonao dia anao ny ambiny. An-katoka
no niakarako ny tohatra, namonjy anao tao an’efitra. Narehitrao ilay jirokely
teo an-doha-fandriana dia nanantona ianao sady niteny hoe “ampy anao kosa
angamba izay sakafo nohaninao teo izay e, ny tsindrin-tsakafo sisa omeko anao
raha sitrakao, sady ataoko amin’ilay tianao , sady masira no mamibe” .
Nobataiko ho eo am-pandriana ianao sady novaliako hoe “tandremo ary sao asianao
ambiny an, dia mahazo manampy koa ve rehefa mbola te hihinana ?” sady nesorinao
tsimoramora ilay akanjo amboninao no natampinao ny masoko, ilay efa feno fitsiriritana sahady; “aza
mihafahafa ianao mihinana izay lany androany, ary raha vao tsy mandrezatra ahy
dia tsy tiako an !!!!” mbola saika hanohy hipentsona ilay vavanao kanefa dia notampenako
oroka avy hatrany.
Tao anatin’ny indray mipy maso monja dia ripaky ny hamehana ireo akanjo sisa teny an-koditsika. Tsy nanam-potoana hianjerana tamin’ny tany akory ireo dia efa nianjera sy nifamihina teo am-pandriana isika. Tsy nisy namoaka feo isika, fa ny takalon’oroka nifanomezantsika no zary feo nandravaka ilay aloka mpifankatia atsilopin’ny jiro ao an’efitra.
“Ahy ianao androany, ”hoy ianao nampiaka-tsefo izato feonao efa feno doboka fitiavana. Nofikirinao tamin’ny tananao ankavia ilay tsatokan’ny loham-pandriana, dia nosafoinao ny voloko sady namporisihinao aho hanohy ny diako hidina manaraka ny voitram-batanao. Ny vavako mikaikikaikitra ny laingon-tratranao sady manery azy tsy hiporitsaka. Nampidininao hatrany ny lohako mandra-pamihinao azy tamin’ny tananao roa. An-konaina no nandraisanao ilay tsentsitra sy tsaingo-delaka nataoko teo an-tendronao. “Tiako izany”hoy ianao sady tsy namelanao aho raha tsy nanohy izato lahasam-pitiavana mampiridiridy ahy.
Avy eo dia notampenanao ny vavako sady nosintoninao aho no nitsiky ianao. “Aoka aloha” hoy ianao “fa anao indray izao” dia tena anjarako indray tokoa no namikitra ireo tsatokan-pandriana. Sady nangala-pijery ahy ianao no nanaikitra am-molotra ny ravaky ny vatako. Trena malefaka sy fahatairam-pientanana no namaliako izany lalaom-bava nataonao izany.
Nosamboriko ianao ka novaliako faty tam-pifamotorana. Samy tsy nisy niteny isika, fa ny tsaontsaonam-bavatsika sy ny larom-peony mivoky fitia no nampiara-peo hamelona sy hampirongatra ireo hetaheta mampandevy ny vatantsika.
Nesoriko tsimoramora
teo amin’ny toeranao ianao, dia nitsilany teo anivon’ny lapantsika aho. Nobedaiko
moramora ianao hisoavaly aho. Rehefa teo an-tseza fiandriananao ianao dia niara-naka
bahana isika dia niara nirifatra, ka ianao niaka-midina, izaho nanohitra izao
herisetram-batanao te hamantsika ahy amin’ilay kidoro ianjadian’ny
evotrevotsika. Ilay loa-peonao amin’izay feno hiaka anaty sefo ka vao mainka
mampifikitra ny tanako amin’ny tosatosakao. Indreny tazako ny hamirapiratry ny andon-dinitrao
mitambatra, ka nivadika ho ranon’hatsembohana mikorisa miadana mamonjy ny
lohasaham-piraisantsika.
Nivadika indray isika, ka nofikirinao ilay ondan-dava dia niondrika ianao nanasa ahy hanosika anao. Tsy nihafa aho fa vao mainka nanao be fihavy , ka nanjary nivadika ho tolokom-pifaliana ilay doboky ny vatako andrasanao ao anaty kaiki-molotra. “Faingana hoy ianao, fa tsy tanako intsony”.Injay tokoa fa henoko ilay hotrakotrakao nampandevy sy nampitsonika ny tsiry tato anatiko.
Antso vonjim-pahafahana sy hiaka tokan-pandrovitan-tsihy no niarahantsika nitsena ny fiverenantsika tety an-tany. Niara-nitrosona tao anaty parasa-dranom-pitiavana isika. Nodoninko indray mandeha farany ianao ho tsipaky ny fialako aina. Maty indray isika, matin’ny tsirom-pitia nifanojo.
Nosamborinao ny tanako dia nofihininao mafy aho . Nakarinao ilay ondana nilatsaka teo amin’ny tany dia nofafanao ny tsemboky ny handriko. Nitsiky ianao , dia ilay tsikim-pahasambarana ho solon-dresaka noho ny hamainan’ny tendantsika. Nampiondaninao aho dia niondana teo an-tratrako ianao.Izay sary izay koa no voatahirin’ny hala-pijerin’ilay volam-penomanana, nanarangarana ny karakaram-baravarankelintsika; Novonoiko ilay jiro dia namonjy anao tany Ambohitorimaso ihany koa aho.






Hevitra:
1. mrdj
tena tsara ary tena mazava ny tian'ny mpanoratra lazaina na dia ao anatin'ny fiteny maontina sy malagasy tanteraka aza....
2. ANDY
izany no tena hoe fahaiza manao artistika
3. TheRAVOOFUL
Ao tsara ka! Mahay enao an!
4. Liva
Mankafy ny fahaizamanoratry ny mpanoratra ary mankasitraka tanteraka