Eto ianao : Fandraisana> News

Koriam-penina...Antsonao....

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 24/07/2010
Tao amin'ny : Kolotsaina

...ANTSONAO...

Saika tara aho, nefa sady tsy nihinan-kanina maraina, no tsy naha-pasoka akory. Revo teo am-pibanjinana ilay sarinao ka na I Andry tonga naka ahy aza tsy nahavery dia ahy. Soa fa tonga tokoa izy raha tsy izany dia notrongisin’ilay fiarabe iny aho.

Toy ny tsy ety an-tany ialahy hoy izy fa dia misy inona loatra. Raha mba fantany tokoa mantsy ilay tsiambaratelon’ny foko an. Tany am-piasana moa dia tsy nisy nandeha tamin’izay laoniny ny asa , fa na ny ala sivana fanokafana ilay solosaina aza efa ela dia ela vao niverina tato an-dohako. Marary ve ialahy hoy I Andry namerina nanontany ? Tsy marary izany aho leitsy fa somary varimbariana fotsiny mieritreritra hoe ny olona izao miala sasatra isika miasabe toy izao e. Aza manodin-dresaka eo leitsy a, hoy izy nandona ahy sady nitsiky vendrana toy ny fanaony. Fantany fa manafi-javatra aho fa tsy te hisikotra izy

Vao nipaika ny tamin’ny roa ambin’ny folo, dia izaho no tafavoaka voalohany ny varavarana. Namonjy nihataka ny rehetra no sady kinga ery namelona ilay finday . Nidobodoboka tsy nisy toy izany ny foko mandram-piandry anao handray ny antsoko. Efa naneno intelo anefa tsy mbola nandray ihany ianao. Avy eo dia nivadika ilay fanenony ka ilay tovovavy halako indrindra iny no nilaza tamiko fa mbola ivelan’ny faritra fifandraisana ianao. Kepoka kely ilay foko efa nanantena ny hihaino anao. Nahenako ny fanenon’ ilay finday no sady nataoko tsara jery, nanantena ihany aho hoe hisy antso hampihovitra azy eo no ho eo. Kanjo dia nofy izany. Mety mbola sahirana izy izay angamba hoy ny eritreritro  , sady nikisaka nitari-tongotra aho namonjy an’I Andry sy ireo namana mpiara-miasa.

Nony tonga teo anivon-dry zareo aho dia naheno ireo firesany nifampitantara ny sabotsy aliny sy ny alahadiny. Vao maika nampahatsiahy ahy an’ilay olon-tiako  izany resaka izany. Tamin’izay indrindra no nihovitra ny tao am-paosiko. Poa toa izay aho dia naharay sy nanindry ny bokotra famaliana. Elabe hoy aho nibitaka sady tsy nisy arahaba akory. Manao ahoana ianao ??? efa nalahelo mihitsy aho tsy nahazo anao teo. Faly ery aho naheno anao nitakoritsika tao an-tsofiko, mbola sahirana nibata entana niakatra ny tohatra aho hoy ianao ka tsy afaka nandray , no sady teo daholo ny havako rehetra dia tsy tiako indray ho be fanontaniana hoe iza no mba miantso ahy aty nefa izaho tsy manana namana betsaka aty intsony. Dia naleoko vita mihitsy ny tany vao nitokana aho niantso anao. Inona ny vaovao ? tsy haiko na mba nifanojo taminao ihany ilay nofiko alina fa tena mamy ange izany raha nofy e . Dia nitantara ianao ka nitantara, ka moa va tsy ireo nofy mamiko alina mihitsy no nolazainao tamiko.  Tsy afaka niteny firy aho fa revo mihaino izato korianan-dresakao, sady tsy foiko tapahina no satriko hitohy hatrany.

Sosoa voatapo-drano anefa ny haravoako fa sady naneno ilay famantarana fa tsy ho ela dia ho tapaka ny fifandraisana , no efa nipaika ihany koa ny ora hiverenana miasa.  Nangalatra nanoroka anao an-teny mamy aho dia namono indray ilay finday dia niverina natanjozotra nanaraka ireo mpiara-miasa. Dia hoy indray I Andry, dia tsy nisakafo akory ialahy an, fa inona loatra ary izao mahavariana an’ialahy izao, sa tsy inona fa iza ???? aza dia mifanafina moa leitsy fa mba zarao ihany a !!! sady nitsiky aho no niteny hoe : aleo aloha miasa leitsy fa avy eo izany hita eo a

 

 

Hevitra:

1. Yanja

Mahatsiaro an ilay hira iray zay zà:



"Lavitry ny maso
Fa akaiky ny foko kosa ianao
Tsy andriko intsony
Ny ora ahitako anao indray"

2. Maeva74

Mankasitraka hatrany @ hakanton' ny tantaram-pitiavan' i Raozy

3. mmmhh

androany zah vao nahita an'ty tantara mahafinaritra ity, tsy maninona fa manenjika e,
aleo diso aoriana toy izay tsy misy,

mahafinaritra ny asa soratrao, mahay mitantara ianao

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina