Koriam-penina...Gaga ny olona...
Bongo masom-pifaliana no endrika nentiko nandeha niasa. Tsy tara toy ny isan’andro aho fa anisan’ireo tonga aloha teo anoloan’ny vavahady lehibe fidirana. Hitako gagagaga mihitsy aza ilay mpiambina , zatra mahita ahy tsembo-dratsin’ny hatarana isa-maraina. Nanaovako tsiky tsy ravo izy dia nolalovako sady nomeko pi-maso. Ny mpiara-miasa hafa moa dia nanontany sy nananihany hoe “natory teo anoloan’ny vavahadin’ny fiasana angaha ingahy Solo”
Tsy nataoko nampihontsona ahy ireo fanamarihana nataon’ny rehetra ahy, tsy vonona ny hiasa loha amin’izany koa ny saiko. Ny hahita anao ihany no tanjoko vao maraina. Tena difo-pitiavana tokoa ny foko, ka na hatramin’ny asako aza lasa vita kitoatoa.
Dia lasalasam-borona
teo aho ka na ilay lehibeko nijoro nandondona ahy aza tsy hitako akory. Somary
nikohaka kely izy no niteny tamiko hoe, “manana roa minitra kely ve ianao
hiresahantsika any amin’ny biraoko” tsy namaly akory aho fa tonga dia nanaraka
azy toy ireny olona azon’ody ireny.
“akatony mora io varavarana io azafady" hoy izy hentitra dia hentitra. “Dia mipetraha ianao. Ekeko fa vao haingana ianao no niasa tato , kanefa anisan’olona hitako fa mahay sy mazoto miasa ianao. Tato ho ato anefa dia toa somary nandiso fanantenana ahy kely fomba fiasanao. Ka izany no nampiantsoako anao. Velom-panontaniana aho hoe : misy inona ? sa inona no olana ? raha toa ka misy azo hifanampiana na hifanohanana dia lazao. Fa tsy tiako mantsy ny ifangaroanan’ny fiainana any ivelany sy ny fiainana ato am-piasana. Sa te haka rivotra kely ianao ? azoko omena roa na telo andro ianao . Raha izao mantsy no fandehany dia mety hampandeha ila ny fiodinan’ny orin’asa ny fomba fiasanao. Ka eritrereto dia lazao aho rehefa mirava isika rahariva”.
Tsy tadidiko akory izay nolazaiko teo fa dia nivoaka tsy taitra akory aho, namonjy ny toerako. Mbola tsy tafatombina akory aho dia injao nihovitra ny findaiko, tena adinoko tokoa ny namono azy. Nojereko ilay izy kay antsonao. Saika nihoraka aho raha tsy I Andry no niteny tamiko tampoka hoe “rehefa tsy alaina intsony leitsy ialahy dia mitenena fa izaho sahirana fotsiny nanita-dalana nankany a” niboredika niala tsiny taminy teo aho sady nikisaka moramora. Navoakako ilay finday ka nanoratra ho anao an-takonana aho. “tsy afaka miantso aho akia ry tiako fa soraty eto ny hafatra, manoroka mamibe”. Dia mody nisomeby niasa aho kanefa tsy misy mandeha amin’izay laoniny mihitsy izay ataoko. Dia nihovitra indray ilay finday ary hoy ianao tao anatiny “izaho irery no ato an-trano androany sy rahampitso fa lasa daholo ny olona dia rahampitso harivabe vao miverina, fa ataovy akia ry malala izay hahatongavanao aty fa mila anao ny saiko , ny foko, ny fanahiko, indrindra fa ny vatako izay mangorovitsikin’ny hetaheta anao. Manoroka mamibe tsy misy fetrany”
Nangoritsina ny vatako iray manontolo, niefonefona tampoka teo ny foko. Tonga dia nanao dingan-dava aho niverina tao amin’ny biraon’ilay lehibeko. “Miala tsiny tompoko fa niverina sahady ho tohin’ilay resatsika teo. Tsy izany mantsy fa somary misy olana tokoa aho eo anivon’ny fianakaviana ka izany no antony tompoko, ka raha mety tokoa dia saika hijanona kely aho manomboka androany hariva hahafahako mandinika tsara sy mamaha ny olana tompoko”. Nisafo sirana kely izy dia niezaka niteny tamiko tamim-peo mazava nefa hentitra. “tsy dia fanao loatra izany , ary tsy haiko ihany koa izay olana misy aminao any, kanefa ilaina ianao ka dia ekeko ny fangatahinao. Tadidio anefa fa tsy tokony ataonao fanao izao. Ary tsarovy fa betsaka ihany koa ny mitady asa. Izay izany fa omeko telo andro ianao dia amin’ny alatsinainy isika mihaona. Mazotoa ianao.”
“Misaotra tompoko" hoy aho sady noezahiko nafenina ilay bitabitaka tao anatiko. Saika hihazakazaka aho hamonjy ny toerako, dia hoy indray I Andry nitsena ahy “ aza dia tia afinafina leitsy moa fa lazao hoe inona no ambadik’izao a ? sa iza moa leitsy lazao fa inona ary ity” nitodika tany aminy sady feno tsiky ny tavako dia hoy aho mantsy azy “ho fantatr’ialahy eny ihany leitsy raha misy vaovao fa inona ary ity. Mazotoa miasa ialahy" sady nomeko pi-mason-drahalahy izy. "Tsy hiasa aho manomboka rahariva hoy aho fa rehefa tonga aho amin’ny alatsinainy miresaka isika, fa aleo aloha hiasa e” Naka toerana kely aho dia namaly ilay hafatrao nanao hoe “ho avy aho ry aiko, fa asio sakafoko ao, dia atokany ho antsika sahady ny tolakandro manontolo sy ny alina ary ny ampitso”










Hevitra:
1. Yanja
Kanto loatra ilay hoe "ny vatako izay mangorovitsikin’ny hetaheta anao"
2. it outsourcing ukraine
I like your article so that I read all of your articles in a day.Please continue and keep on writing excellent posts.