Eto ianao : Fandraisana> News

Koriam-penina...Hafatrao...

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 26/07/2010
Tao amin'ny : Kolotsaina

... HAFATRAO ...

Tsy haiko na adiny firy aho na adiny firy no resin-tory teo fa nony efa nisasaka ny alina dia nivadika aho dia nianjera tamin’ny tany.  Taitra tampoka aho dia nitsangana, ilay tononkalo amin’io mbola eny an-tanako ihany . Nojereko ny famantaran’andro efa amin’ny roa ora sy sasany maraina. Nitorombina kely teo am-pandriana aho dia nisintona ilay akanjo mandry nivalona teo an-tongony. Niomana ny hisolo  akanjo aho, ka namoaka ireo zavatra rehetra tao anaty paosiko. Sady namoaka ilay finday aho no nanao jery miavona tany.  Nojereko ihany aloha sao dia hoe mba misy vaovao. Inona tokoa, nisy nametraka hafatra tokoa tao. Laharana  tena vaovao amiko mihitsy ilay izy. Novakiako ilay hafatra ka sady nidoboka ny foko no tsemboka ny tanako. “Lany hery ilay vatoaratry ny findaiko dia mangalatra kely mandefa hafatra amin’ity an’I dadatoako ity aho. Malahelo anao mafy aho, ny foko, ny saiko , ny vatako.Nisy hafatra ho anao nosoratako any anaty imailakao any.  Manoroka anao mamy,Haingo”. Vao nahita ilay sonianao aho dia nihovitra ny tenako iray manontolo.

Poa toy izay dia narehitro ilay solosaina. Nibosesika tao anatiko tao ny fibitahana maro isan-karazany. Toa arivo taona vao tafasokatro ilay hafatrao. Izaho ve no maika loatra sa ilay fifandraisana mihitsy ny iva fandeha. Naka toerana tsara aho ary dia nanomboka namaky :

“Efa ato an-trano aho vao afaka namahana indray ny vatoaratry ny findaiko. Izay ihany koa vao hitako ireo antsonao maro dia maro. Azafady akia ry foko fa tsy fidiny ahy akory izany fa noho ny halavan’ny resatsika lavabe androany antoandro no nahatonga izany. Izao ihany koa izahay vao tonga satria tsy nanaiky ry dadabe fa hoe efa an-taona maro hono aho no tsy hita dia tsy mba hijanona ny hisakafo akory. Izaho koa moa amin’izy mianakavy dia olona tonga hiala sasatra ka tsy misy tokony hahamaika dia raikitra teo ny fanokoan-dresaka. Raha mba fantany mantsy fa any ange ilay Solo izay miandry sy manantena ny hitafa an-tarobia amiko. Dia angamba mety ho namela ahy izy. Dia niresaka teo izahay ka niresaka, dia I dadabe moa fombany ny manadihady  ka dia fanontaniana maro no nototofany ahy. Firy taona moa dia ho vita  ny fianaranao ?  dia hijanona any ve ianao ? tsy efa tokony hikarakara sy hijerijery izay sahaza anao amin’izay ve ianao rehefa vita ny fianaranao ? tsarovy ihany fa vehivavy ianao ka sao tara loatra ny ho avy ? sy ny sisa sy ny sisa ….izaho amin’io mamaly tsy sazoka fotsiny am-pahalalam-pomba fa ny saiko tsy ao mihitsy e . Tsy haiko ry malalako fa tena malahelo anao mafy aho e, ny hamonjy fodiana ihany no ao an-dohako. Hahafahako mangala-potoana hifampiresahana aminao. Raha mba fantatrao mantsy fa tena misy hery tsy haiko ambara mihitsy ao anatiko ao te hahita anao, te hihaona aminao, te hanoroka anao, te hisafo anao. Mila anao mihitsy ny vatako ry fitiavako, ary ilaiko zaraina aminao izany filàny izany.

Aoka izay sao dia mirediredy eto aho kah, sady avelako ihany koa aloha ianao fa mbola hiasa kely eto ilay zanak’I dadatoa. Manoroka anao mamy dia mamy . antsoinao aho rahampitso an. Veloma ianao ry fitavako mamy indrindra dia manofisa antsika mamy izany havako izany an !!!”

Dia nasianao sary fokely menamena miredareda teo akaikin’ilay sonia. Nitsiky aho, sady niverina namaky indray ilay  hafatrao feno fitiavana. Niezaka ny hamaly aho fa tsy nahatsindry tondro akory ny tanako, mbola variana nifantoka loatra tao amin’ilay soratrao teo foana ny saiko ka diso daholo na ny arahaba nofantenako ho anao aza.

Dia nolaniako teo indray ilay aliko , zary haiko tsianjery ireo teny mamy nosoratanao ho ahy. Ny zava atsinanan’ilay masoandro no nampisaraka ahy tamin’ilay hafatrao. Tsy maintsy miomana indray aho fa maraina ny andro.

Hevitra:

1. cute

ndry... tena mahafinaritra be ilay tantaram-pitiavana, sady @izay malagasy rano iray tena ao tsara misaotra nizara dia tohizo fa tsara be!

2. Buffie

Pin my tail and call me a donkey, that really hleepd.

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina