Koriam-penina...Nofy mamy
Tsy dia nahinan-kanina firy aho iny alina iny. Tsy nijery fahita lavitra ihany koa, naleoko nijery sy namaky ireo imailaka nifandefasantsika, nohalehibeaziko ireo sary nofantenanao halefa ho ahy, dia nifampibanjina taminao teo anoloan’ny fitaratry ny solosaina aho nandritra ny minitra maromaro. Novakiako avy eo ilay nosoratanao tamiko farany :
” kely sisa dia ho tapitra ity taom-pianarana ity ry foko, ka ho avy indray aho hiala sasatra, efa azoko ny tapa-kila ary efa voafandriko ny daty hahatongavako, izay no fanomezana natolotro ho ahy, tamin’ny fandraisako karama voalohany. Ny 15 jolay aho no miala aty Grenoble dia handalo kely ao Paris hijery voan-dalana ho an’ny ao an-trano dia ilay zandrin’i neny no hanatitra ahy any Roissy. Iangaviako ianao tsy hitsena ahy eny Ivato, fa aleo i dada sy i neny ihany aloha no maka ahy eny. Araka ny resatsika dia aleo aloha rehefa milamindamina tsara ny fiainantsika izay isika vao miseho ho hitan’ny olona e , sady mamy ange ilay toy izao e , sa ahoana hoy ianao ? “
Io andalan-tsoratra farany io no noezahiko notehirizina tao anatiko ary nataoko fefin’ilay tsiambaratelontsika. Aleo tokoa isika samy hamita ny fianarantsika aloha izay vao miroso amin’ny resaka fianakaviana, ataon’ny olona ahoana tokoa moa ny hino hoe efa telo taona izao ianao no lasa tany , ary efa ho efa-taona isika no nifankatia mangina tsy nisy nahalala ??
Dia nanaraka ahy hatrany anaty nofiko ireo angolan-teninao vao novakiako teo : “lavitra ahy, nefa ny herin’ny fitiavantsika no miaro ahy sy mampahery ahy amin’ny trangan-javatra rehetra aty. Tsy moramora ny fiainana aty, ny asa an-tselika vonjena, ny fianarana vonjena. Miritarita ny fiainana aty ary mandeha haingana be ny fotoana. Tsy zakan’ny saiko sy ny lohako izay fiainana izany raha tsy teo ny fitiavana anao nampahery ahy ry malalako a. Mivavaka ho anao aho, mivavaka ho antsika, mivavaka ho an’ny fitiavantsika, Tiako ianao”
Dia nanonofy
anao aho, nanonofy antsika ilay nitoka-monina tao am-pibanjinana iny
faravodilanitra iny, nanonofy ilay ondankondanao tan-tsoroko, nanonofy ilay
safonao malefaka sy ilay orokao manitra fitiavana mampanadino ny tontolo manodidina,
nanonofy aho hoe teo anilako teo ianao, nanonofy zavatra be dia be sy
nahafinaritra aho …
Poa toy izay dia naneno ilay akoholahy tao ambadiky ny trano, taitra aho, alatsinainy sahady ny andro, tsy maintsy hifoha indray hiasa, sitrany ahay vaza-mihetsika hanomanana ny fidirana afaka iray volana sy tapany. Nijery ilay sarinao nataoko tsara petraka teo an-doham-pandriana aho , dia nitsiky taminy toy ilay fitsikiny natokany ho ahy.







Hevitra:
1. Maeva74
Mangetaheta ny tohiny hatrany Raozy a!!
2. cute
ary kay ve efa betsaka ny teo aloha e? tena tsara be ilay tantaranao fa tohizo hatrany ny tantara farany no vovakiko mialoha haha fa faly za fa hitako ireto