Koriam-penina...Orokao...
Vao nipaika ny ora firavana dia nanao dia maika aho namonjy ny varavarana. Sady nisongona an’I Andry aho no nanao veloma madinidinika hoe: “veloma ialahy dia mazotoa miasa dia amin’ny alatsinainy aho mitantara amin’ialahy e !!!” “lasa ialahy rehefa tsy hitantara” hoy izy sady nitsiky vendrana toy ny fanaony rehefa mananihany aho
Nanakana posiposy aho noho ny hamehana. Teny ambony posy aho vao naka aina kely na dia nivatravatra toy izany aza ny fidoboky ny foko. Tsy nampihena ny fiakaran’ny marimpanam-batako akory ilay tsiokan-dranomasina nifanena taminay. “Ajanony kely eto aloha roa minitra” hoy aho “fa hividy zavatra kely ato aho”. Nitsofoka tao amin’ilay trano fivarotan’ilay vazaha aho dia tsy nihafahafa nanontany hoe aiza no ahitako ny divay ? Nojereko daholo ireo karazan-divay tao ary dia tsy nihafahafa aho nividy ilay divay mena efa folo taona mahery. Nony handoa vola aho dia tsy naharitra ilay teo amin’ny fandoavam-bola fa niteny hoe “tsara be io divay nalainao io, io daholo no alain’ny olona rehefa misy mariazy na fifamofoana” nitsiky aho ary nandoa vola no namaly tsafa ilay mpivarotra: “haiko mihitsy hoe tsara io kah, fa ny vidiny koa tsara an ! fa tsy maninona fa ho amin’ny andro miavaka mba mila zavatra miavaka koa e” nihomehy ilay mpivarotra sady nanome ilay famerim-bolako “ mazotoa” hoy izy “dia mampamangy any” . Tsikariny teny amin’ny endriko hoe ho an’iza ary ity zavatra novidiako ity.
Niverina nandray
ilay posy aho dia nanohy ny dianay. Vao nihodina teo amin’ilay sampanan-dalana mankany
amin’ny Haingo aho dia efa hitako sahady izy velon-tsiky miandry ahy eo amin’ny
tohatra. “Elabe” hoy izy amin’ilay feony feno fidongiana kely. Tsy mbola
tafidina akory aho dia efa voaloany ny saran’ny posy ary dia notarihiny
an-kazakazaka aho hiakatra ilay tohatra. “Nitondra divay ilay tianao aho” hoy
aho ,tsy norarahiany akory anefa izany fa nosintoniny aho sady nakaratony ny
trano. “Tiako io divay io hoy izy fa ilay divaim-bavanao mbola mamiko kokoa”
sady nofihininy aho no norohany. Napetrako moramora ilay divay tena izy dia
nankiniko tamin’ny varavarana izy, sady nanamafy ilay hidin-trano aho no namaly
oroka azy koa.
Dia teo aloha izahay nandritra ny fotoana tsy voafetra. Avy eo dia hoy izy “tsy andriko mihitsy ilay androany ry foko fa mamelà ahy ianao raha tsy mahandry tantana aho”, vao saika hiteny aho dia nampangininy tamin’ny oroka tsy lany hamamiana” notarihiny hiakatra ny tohatra aho sady hoy izy “sao dia noana aloha ianao fa raha noana ianao dia anamboarako sakafo” “tena noanabe mihitsy aho, ary raha izany hanoanako izany no apariko dia tsy ho ampy ahy izay sakafo amboarinao ho ahy” “vary sy laoka ange izany lazaiko izany e” “eny hoy aho laoka sy vary koa ange no nolazaiko e “ niara-nitokelaka isika dia nosintoninao indray hamonjy ny sisim-pandrianao. “raha tena noana ianao dia lazao ahy izay tianao hamokisako anao” hoy ianao tamim-peo malefaka teo am-poto-tsofiko. Nihararetra ny lamosiko iray manontolo. “noana anao aho ry malala hoy aho sady nokaikeriko malefaka ny ravin-tsofinao” “andao ary isika hifampihinana hoy ianao ka ho hita eo izay tena noana”
Novahanao tsimoramora ny bokotry ny lobako, Nopiahiko tsimoramora ilay hidin’akanjonao ao aoriana. Niaraka nianjera tamin’ny tany ny akanjo ambonintsika. Nokaikerinao sy norangotinao ny tratrako mandra-panalako ny atin’akanjonao. “elabe hoy ianao mantsy ahy, efa ela no niandrasako ny androany” norohako ny vavanao tsy hiteny dia nolalaoviko ny laingon-tratranao efa nihanjaka sy tsy nahandry ny tanako hikasika azy. Nazeranao teo am-pandriana aho no sady notaingenanao. “iza izao isika no tena noana hoy ianao, ary iza no tsy mahandry tantana ?” novahanao ny fehikiboko dia nataonao sinto-mahery nanaraka azy ny patalohako. Sady nisefosefo ianao no niantsampy teo amboniko indray.
Tampoka teo anefa naneno ny kiririokan’ny findainao. Nanao jery kiriko tany ianao, nefa tonga saina tampoka sady niteny hoe , “oay leitia! I neny avy any Tana ity” “raiso hoy aho fa sao dia maika, isika ange ka manana ny tolakandro sy ny alina manontolo e .
Natehikao teo an-tampon-koroko ilay orokao mamy dia mamy sady niresaka tamin-dreninao ianao …






Hevitra:
1. Yanja
Mafilotra, matsiro, mampitelindrora fa ilay finday kosa aloha tena nigafy e!
2. charcan
Mahafinaritra ny mamaky zava-kanto tahaka izao, ary sasa-miandry ny mety ho tohin'ny tantara sahady izahay mpanaraka ny sombin-driankalo. Tohizo fa tsara sy kanto ny teny Malagasy :))
3. mmmhh
zany ka asa soratra, tsara e,
4. mino
rehefa otran'ireny dia vonoina ny finday