Koriam-penina...Takarivatsika...
Ilay moka adaladala nanaikitra anao no namoha antsika teo am-pifamihinana. “Amin’ny firy izao” hoy ianao. “Vao amin’ny valo ora sy sasany” hoy aho tsy taitra akory namihina anao. “adala isika ! raha nisy olona tonga moa teo dia ahoana, ny varavarana tsy mihidy, ny varavarankely misokatra daholo” dia nitsangana ianao nanidy ireo karetsaky ny varavaran-kazo. Variana ery aho manara-maso anao tao anaty aizina , na dia tsy nisy hazavana akory aza dia hitan’ny masoko sy ny foko, ilay lonjehitrao manakatra ny hidin-trano. Nitsangana aho nanantona anao tsimoramora. Sady nihomehy ianao no niteny hoe : “aleo aloha voahidy ny trano kah !” Nitsikiako ianao no sady novaliko hoe “hanampy anao ange no nitsanganako fa tsy inona akory e, raha zavatra hafa ve dia ho toy izao no fahitanao ahy” .
Sady nampiaka-pijery ianao no nisafo ahy dia hoy indray ianao : “andao aloha hiakanjo dia hivoaka any ivelany any hisakafo fa toa mbola raharaha be koa raha izao no mbola hahandro” “dia ahoana izany ity latabatra efa voakarakara ity ?” hoy aho. “Avelao eo fa rahampitso koa mbola andro. Fa andao isika aloha handro fa hainao ihany e” . Notantananao indray aho hiakatra ny tohatra, novohainao ny efitrano fidiovana dia nosintoninao aho. “aleo atao rano mangatsiaka fa raha rano mafana vao maika elabe isika vao tafiala eto” “dia maninona raha elabe ? tsy vao maika ve izany mamelombelona ” “ izaho marina tena noana e, raha izany hanoanako izany tena laniko am-pitsanganana eto ianao” “hano ary aho e” “an an kah, noana vary sy laoka fa rehefa voky indray aho dia aza matahotra ianao fa atao fitia fozakely haniko hatramin’ny akorany, sa ataoko fitia hen’omby ? laniko hatramin’ny tsokany !!!” sady natolotrao ahy ilay savony no nanohy nanome ireo toro-lalana ho an’ny takarivantsika ianao.
“Aleo izaho
no mikobana voalohany, dia avy eo ianao fa manjary taraiky isika, izaho mantsy
mbola somary elaela miomana” Sady nampiako ianao nikobana no nanararaotra ery
aho misafosafo izato hoditrao mandroatra savony” . alohan’ny handehananao dia nomenao ahy ilay lamba famahoana mangamanga
sady hoy ianao hoe “novidiako manokana ho anao ity ka entiko manaraka ahy any ,
ary tsy sasaiko mihitsy fa hitehirizako ny fofonao sy ny hamamin’ny hoditrao” Dia
lasa ianao niakanjo.
Sady manidy bokotra aho no mijery fitaratra; “Tena lalina ihany izany masoko izany” hoy aho miteny irery sady mitsiky amiko. Toy ireny olona nahazo loka voalohany tamin’ireny fifaninanana lehibe ireny ny fijeriko ny tenako eo anoloan’ny fitaratra. Namboariko kely ny sangako dia niantso anao aho :”vita aho ry malala raha toa ka vonona ianao” . “Ho avy o” hoy ianao. Sady niandry anao aho no nijery ireo sary nihantona teo amin’ny efitrano fandraisam-bahiny. Taitra tampoka aho fa nisy sary hitako teo. Sarin’i Tahina anadahin’I Hanta. Hanta ilay ankizivavy nampitselatra ny foko voalohany tany am-pianarana. Lasa lavitra tampoka teo ny saiko sady nihomehy aho. Iny ianao nidina ny tohatra feno tsiky sy miramirana aoka izany. “Fatratra ery izato akanjonao ry tiako, fa ao amin’ilay loko tena itiavako azy mihitsy” “misaotra” hoy ianao sady natolotrao ny tananao hotantanako. Nakaratoko moramora ny varavarana dia lasa isika.
Nandeha namonjy ilay fisakafoanantsika isika.Hitako faly ery ilay sinoavavy nahita antsika niara-niditra sy nanondro antsika ilay toerana mahazatra antsika tery akaikin’ilay vata fitaratra feno trondro. Ho avy aho hoy izy haka izay ilainareo fa makà toerana. “Toy ny mahazatra” hoy aho, “sa misy zavatra hafa tianao ?” “Toy ny mahazatra” hoy ianao naka toerana.
Vao tafapetraka isika dia nanontany aho : “havanareo angaha I Tahina , fa hitako ao ny sariny ?” “fantatrao angaha izy, tsy havanay izy fa naman’ny anadahiko; angaha tsy mampihomehy fa nisy anabaviny izay hoe Hanta nanaitaitra ny anadahiko dia I Tahina no nataony namana, kanjo vao lasa mpinamana izy roalahy dia hoy I Hanta mantsy azy hoe “ efa naman’ny anadahiko ianao dia heveriko ihany koa toy ny anadahiko fa aleo isika tsy hifandala. Tsara tarehy izay Hanta izay an , voa mafy ihany aloha ilay anadahiko tsy nahazo azy e. fa taiza no nahalalanao an’I Tahina ? ” . “An an kah, I Hanta ihany koa no fantatro. Niara-nianatra izahay taloha, dia anisan’ny ankizy nahay tao am-pianarana izy no anisan’ny ankizy notsiriritin’ny tovolahy ihany koa”. “Ianao izany anisany ?” hoy ianao niangetsana kely mody saro-piaro. “Eny hoy aho” sady nitsiky aho. “Voa mafy izany izy fa izaho izao no eto sady tompon’ny fo no tompon’ny toerana, izany moa malalako o” sady nosafoinao ny takolako.
Ireto ary
dia mazotoa homana hoy ilay tompon-trano. “misaotra tompoko” hoy izahay niara-niteny.
“Mazotoa homana ianao ry fitiavako”hoy aho. “Mazotoa homana ianao, dia manaova
voky tsara fa mbola ho lava ny alina” hoy ianao sady nodakanao kely ny
tongotro.
Poa toy izay tokoa dia indreny isika nivoaka ilay trano fisakafoanana. “Andao handeha tongotra moramora manaraka ny ranomasina hoy ianao; dia rehefa ery amin’ny farany ery isika mivily ankavanana, sady mba mandevon-kanina kely e” . Nosakambiniko ianao dia indreny isika roa nandeha tsy rototra mifanena amin’ilay tsiokan-drivotra malefaky ny alina mifarana. Tsy nisy niteny isika fa ny fitoboky ny onja no miombon-doboka amin’ny fontsika midobodoboka sahady mieritreritra izay ho fiafaran’ny alina.






Hevitra:
1. malimalina
misaotra raozy a
2. Yanja
Anisan ny mitondra tsiky kely sy hafanana ho an ny tontolo andro foana ny mamaky inty sombin-driankalo inty maika moa fa raha arahina " délice matinale" ohatra hoe " chocolat" eo ampamakiana azy , aoka fotsiny ,,,,,
3. fali
misaotra e !
4. alain
mlay e! d aon ny tohiny? antenaiko fa tsy tapitra atreo ny tantara a
5. China
Thank you so much for this artlcie, it saved me time!