Eto ianao : Fandraisana> News

Lalam-pirenena faha-44 sy faha-4 : mirongatra mafy ny dorotanety

Nampidirin'i : admin
Ny : 02/11/2011
Tao amin'ny : Fiaraha-monina

 

Saika ahitana tanety  mirehitra daholo ny manamorona an’iny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka ary ny lalam-pirenena faha-4 mampitohy an’i Antananarivo amin’i Mahajanga iny. Mirongatra mafy arak’izany ny dorotanety amin’ireo Faritra roa ireo. Ho an’ny eny amin’ny lalam-pirenena faha-4 iny, fahazarana ho an’ny mpiompy omby amin’iny Faritra iny ny mandoro tanety mba hipoiran’ny ahitra vaovao omena ireo omby. Ho an’ny ao amin’ny Faritra Alaotra indray, ny fambolem-bary an-tanety no antony mahatonga ny fanaovan’ny olona tavy(dorotanety). Ho an’ny any amin’ny Faritra Alaotra-Mangoro , misy fiantraikany goavana eo amin’ny lafiny rano manomndraka tanimbary io firongatry ny dorotanety io. Tsy ampy ny rotsakorana. Afon-dorotanety no mandrakotra ireo tampon-tanety. Tsy mahagaga ny mponina noho izany raha tsy mirotsaka mihitsy ny orana any Alaotra. Efa misy ny fanentanana atao amin’ireo onjam-peo maro any an-toerana makasika indrindra ny ady amin’ny dorotanety fa toa tsy misy miraharaha mihitsy. Ho an’ny ao amin’ny Faritra Boeny indray , hita ho miha mafana hatrany na eny amin’ny lalana mihazo an’I Majunga na ny ao Majunga antampon-tanàna satria ripaky ny dorotanety ireo aty ala. 

Tato ato, nanao fanentanana sy fampatsiahivana ny ministeran’ny tontolo iainana fa mampigadra ny dorotanety ary nentanina ny rehetra mba hiara-hisalahy hamono afo vantany vao mahita dorotanety. 

Nangonin’i Tamaga

 

Hevitra:

1. Myrd

Tena isika Malagasy mihitsy no tsy mety resy lahatra na dia efa maro aza ny hetsika sy programa atao hanentanana amin'ny fialana amin'ny doro tanety sy fanimbana ala. Raha ny marina dia tokony ho efa tsapantsika ny voka-dratsin'ny fanimbana ny tontolo iainana, ao anatin'izany ny fandoroana tanety, satria hita izao ny fiovana mahatsiravina eo aminny toetr'andro.

2. Tah

Fa manina ra GADRAINA avy hatrany ny pandoro tanenty, ra izao no mitohy de afaka fotoana folo de SOMALIE i Madagascar. Tsy MIVAZIVAZY za miteny an'zany. 80% an'i Malagasy mivelina @ fiompina sy fambeolena . Tokony ho matotra @ io resaka io ny FANJAKANA

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina