Lapé
Nanao Mozika tamin'ny Groupe Orchestre iray tany Madagasikara tamin'ny 1985, SEXY MUSIC no anaran'ilay groupe, efa nandeha nitety faritra tany Alaotra iny. Ny Toerana nisy ilay tarika dia tany Ilafy sy Sabotsy Namehana.
Tamin'izany aho no efa nieritreritra hamoaka hira ao amin'ny Radio Madagasikara, saingy tsy nisy vola handehanana manao studio dia tsy tafita.
Efa misy hira maromaro no efa nataoko an-tsehatra tany Madagasikara tamin'izany toy ny Revy sy Milamindamina samy style Rock ary samy ao anatin’ny album. Tamin'izany moa ny Rock no lamaody. Nifanerasera tamin'artiste malaza maro tamin'izany toy ny tarika IRAIMBILANJA ry SIMON RANDRIA, Itompokolahy RAINDIMBY sns.
Tamin'ny taona 1989 dia voatery niondrana nandeha aty Andafy ny tenanay. Dia nisy fotoana tsy nanaovana mozika fa somary nanao izay nampety ny fiainana aloha.
Avy teo dia nanao chorale tao amin'ny fiangonana FPMA Arago, Chorale FIDERANA izay mbola misy hatramin'izao. Teo aho dia niova fenitra indray, namorona hira Chorale, ary anisan'ny nahazo voalohany tamin'ny fifaninanan-kira fankalazana ny faha 35 taonan' ny Fiangonana FPMA Paris.
Efa maromaro hiany koa ny hira Chorale noforoniko, ary betsaka ny antoko mpihira any Dago no mihira azy.
Tamin'ny taona 1996, no namoahako ny hirako tao amin'ny radio TVM tao Anosy tamin'izany, ary mitondra ny lohateny hoe ASABOTSY HARIVA.
Tamin'ny taona 2001 no niforona ny atao hoe GROUPE LAPE. Tsy nijanona hatramin'izao. Tamin'ny 2005 no nahavitan'ny Clip izay mandeha any amin'ny télé any Madagasikara ary koa nivoahan'ny Album mitondra ny lohateny hoe KAPA KIRANYL izay nahafantaran'ny olona ahy.
Anisan'ireo mpihira malagasy izay alain'ireo communaute Frantsay mandray anjara any amin'ny activités samihafa izay mampiseho an'i Madagasikara eto Frantsa.
Tsy professionel aho akory fa tena tia hira sy mozika.
Dia misaotra antsika rehetra
Lapé






Hevitra:
1. nini
Salut Hery !!!!
Mahafinaritra ny mahare ireto, fa hay isika samy tia mozika tamin'ireny fotoana naha taty M/car anao, fa tsy nifampiresaka, ny anay moa t@ ireny dia resaka FAMPANDIZANA no tena nataonay ary hatramin'izao moa dia mbola ao anatiny na dia efa tsy mitendry firy intsony aza.Manana SONO izahay ka "ORCHESTRE PEJY MELODY" no anarany, ahy izy io nympitendry ao aminay dia tanora tena mahay tokoa, dia izay fa io ny mail dia valio ary miresaka isika e Bye Nini