Eto ianao : Fandraisana> News

Lasa vetaveta ve ny mpihra malagasy?

Nampidirin'i : LEbotakely
Ny : 24/06/2011
Tao amin'ny : Zavakanto

Fetin’ny mozika izao, fetin’ny hira, fifalifaliana. Nankalaza izany isika teto Madagasikara tamin’ny faran’iny herin’andro iray lasa iny, raha tamin’ny Talata kosa vao tena nankalaza izany ny firenena maro hafa. Raha tsiahivina fohy dia tamin’ny taona 1991 no nanomboka nisy ny fetin’ny mozika ka ry zareo frantsay no nanomboka azy io izay vao nihitatra tamin’ny firenen-kafa ka firenena 120 eran-tany izao no mankalaza izany. Ekena tokoa ary tsy azo lavina fa ny andro tsy misy mozika dia andro maty, misaona, manjombona. Samy manana ny fomba fijeriny anefa isika eo amin’ity resaka mozika ity. Na raha ny marimarina kokoa dia ny mozika sy ny fomba fitafin’ny mpanankato sy ny mpandihy. Tsy hoe manavakavaka ny mpanoratra eto fa te hanaitra ny saintsika foana.


Tence Mena: Mpihira

Ahoana marina moa no hamaritana ny hoe : kanto ? Miainga avy amin’io no hamaritana ny mpanankato. Ny ahy hevitra ihany kanefa hevitra inoako fa iraisan’ny manam-panahy mizara ihany any anatiny any. Ny manam-panahy dia ireo mahatsapa fa tokony hisy fanabeazana tsara omena ny zanaka aman-jafy. Mametram-panontaniana ihany anefa ny tena satria maro ny mpihira no miteniteny foana sy manaonao foana. Ireny milaza tena fa mpanankato mihirahira fahatany ireny, sy ny mpandihindihy mitanjatanjaka ireny amiko dia mpisandoka ihany koa. Tokony hiady amin’ireny ny tena mpanankato alohan’ny hanenjika mpivarotra CD mpiraty etsy sy eroa. Tsy fanavahana mpihira fa misy ireo mpihira mafana sasany avy any avaratry ny nosy no tena mpandoto tsena. Eo amin’ny tononkira dia maivana dia maivana : tsy misy anatra, resaka mandeha ho azy, mitantara fotsiny. Eo amin’ny fiankanjoana sy ny fandihizana : miboridan-dridana mampidera fitombenana. Toa iny mihintsy no amidy ahazoana olona hitia ny « kantony ». Mieritreritra ve izy ireo fa tsy halaza raha toa ka manao maotina fitafy sy mihaja fihetsika ? Misy mpanakanto vitsivitsy ihany anefa avy any avaratra nanana ny lazany na dia nampiasa tononkira maotina sy fomba fitafy azon’ny rehetra jerena. Toa andry Clo Mahajanga, Jean Rigo, Jojoby… Koa nahoana no voatery hivary lavo? Marihina fa tsy fanavahana an’ireo mpihira avy amin’ny faritra avaratry ny Nosy izany satria na dia ny eto Antananarivo koa aza dia misy ireo mpihira manao fitenim-boto, hira feno vetaveta sy mifanohitra amin’ny fitsipiky ny fanabeazana. Princio, ohatra amin’ny hirany sasany dia milaza « fa misy mpihira sy hira tena mila hampanary any anaty zordira », avy eo indray nefa ny hirany sasany dia miresaka firaisana sy fitombenana. Tokony ho fantatr’ireny mpihira ireny fa mpianaka, mpianadahy, olom-pady matetika no indray mijery sy mihaino ny hirany.

 

Tompon’andraikitra ny tsirairay manomboka amin’ny mpanakanto isanisany izay manana adidy hampakatra avo ny kanto gasy, ka hatramin’ny mpitondra fanjakana izay tokony hiaro ny zon’ny zaza sy ny tsy ampy taona manoloana ireny zavatra mamoafady ireny. Eo ihany koa ny tsirairay izay afaka manome lanja ny mpihira manao zavatra tena kanto sy ireo mpihira mampiseho vatana fotsiny.

Lebota.

Hevitra:

1. MIGUETTE

Miarahaba anareo rehetra tompoko
Tena miombo-kevitra tanteraka amin'ny mpanaoratra aho.Tena hita izao fa tsy ny mpivaro-tena eny amoron-dalana ihany no manao izay ahazoana vola fa misy dia misy ihany koa ireo milaza fa mpanakanto kanefa mivarotra ny tenany sy ny fanahiny ihany koa mba ho tonga malaza sy hahafaly ny mpijery azy,tena olona lani-henatra,tsisy fady tsisy fotony,tsisy vidiny,ratsy anatra s.n.s

2. marina ê!

En drey ny hatsaran-tarehiny, na bika na endrika, fa toa hamidy hoatrin'ny hena, raha tsy nisy ny fahendrena dia nifandrobahanny olona izy ireny ka tsy navelany raha tsy nanalany ny hamohamony rehetra ka sanatria ranomaso vao navelany, ary nety tsy nahoany na nitomany aza?????

ataonao aiza ny endrika nomen'Andriamanitra anao???
sa nomen'ny De... anao horotehany.

HEVERO IREO TENY IREO,
sa diso fanantenana ianao ka tsy misy mpitia ??
Atao ahoana no hitia anao ? fa raha matahotra an' Andriamanitra ianao dia ho reharehany.

3. JB

Salama tompoko,
Tsy dia miombon-kevitra loatra aminao ny tenako satria amiko mihira ny olona hialana voly sy sorisory fa tsy atao ho fidiram-bola.
Tsy dia mitovy tadin-dokanga aminao angamba ilay izy no ilazanao fa tsy tokony ho hatao ny ataony.
Ohatra ny tsy mety mantsy raha fehifehezina ny aingam-panahy.
Soa ihany fa tsy mitovy daholo ny zavatra tian'ny olona rehetra raha tsy izay mantsy dia betsaka ny tsy hahita vady!

PS : misy diso kely ny teny fampidirana nataonao ; tamin'ny taona 1981(fa tsy 1991) no nisy ny fetin'ny mozika voalohany tany Frantsa mba ahatsiarovana ny andro lava indrindra ao anatin'ny taona. Mifanohitra amin'izany moa ny fandehany aty amin'ny tapany atsimo satria amin'io andro io aty no lava indrindra ny alina. Tsy hoe tia miaina amin'ny maizina isika fa fombatsika ity manarakefa ity.

4. pulm

tena marina mitsy ny anao ny hira ange dia anisan'ny fitaizana ny zaza e! ka jereo ny clip @zao fianarana ve ireny sa...? mapiheritreritra"raha ny zanaka no tiana ho vanona rehefa lehibe, dia zaro @lalana tokony alehany izy dia ny mbola kely" ka mba manipy ny sain'ny tompon'andraikitra ihany maninona raha mba asiana sivana ny hira alefa @tele, fa tena lasa clips porno fotsiny,mandrary mapanaonao foana ny zaza
ity misy ohatra iray tena zava-nisy fa tsy hoe foroniko izay nisy teo @fianakaviana: nisy zaza 2 lahy kely 5 taona zatra nijery film gidragidra ireny ao atranony, indray andro ary tsy nisy lehibe tao antranony dia nidiana tany anatiny ny varavarana, dia nianarany tao ny fataony t@ilay film nojereny itony film comando itony, dia nalainy ilay anakiray ny tady dia nofatorany nataony vavarana natao teo @tendany,dia nahantony ambony nofatorana ilay tady dia nisaoty izy(ohatra le @ film ireny) tonga dia maty le zaza, efa mety nisy nahita t@gazety angamba iny tantara iny,dia zay no tiako ambara hoe zavatra miseo @tele dia tokony asiana sivana iany fa manjary mapanaonao foana ny zaza

5. Poun

"aza mitsara mba tsy hotsaraina"

Depuis la nuit des temps l'art n'a jamais respécté aucun norme.
Vous avez vu les tableaux de Picasso et les statues entièrement nus exposés ici et là, et de nos jours les défilés de modes avec des tenues de plus en plus extravagantes surtout à l'internationale.
Ils sortent tous de l'ordinaire et c'est justement pour ça qu'ils ont marqué leur temps.
Je ne dirai pas que ce que fait l'artiste est beau.
Mais elle exprime tout simplement sa liberté, de faire ce qu'elle veut, d'avoir son propre style, de sortir justement de nos normes à nous, et que ça plaise ou pas.
Elle n'est pas la seule ni la première des Lady GAGA qui poussent de plus en plus loin les limites de la provocation.

6. Vano

Ho an'i Pulm:
tsy andraikitry ny TV velively no manao ny éducation n'y zanakareo, fa anjaranareo RAD zany, tsy adalana no ametrahana @n'ireny soratra hoe "interdit au moins de zao taona" @reny film reny.
Ka raha tsy mahara-maso izay jeren'ny ankizy ny RAD de tokony tsy manisy Télé ao antranony, valable koa zany @ internet

7. koly

bjr, za kou aloha de tena miombo-kevitra tanteraka @ mpanoratra e!, tena efa lasa mivari-lavo mints tsika e!, lasa oe tsy malza raha ts maka tahaka andry zareo vazaha, raha ts manao fiakanjo miboridandridana......., fa ny tena mahasosotra de ty ry zareo aseo daolo ny miafina ty e!, mozika mo reny aminy kou, fa ny tokon, ataon'ny RAD fotsin de ny miteny ny zanan, fa sao mntsy de ho lasa tahak'ireny vo gaga eo!

8. Mpankafy Mozika

Marina ny an'ny mpanoratra eh!! diso malalaka loatra ny famoahana raki-kira sy raki-tsarimihetsika eto amintsika dia manjary mampivoaka ny tsy tokony hivoaka.
Misy ireo milaza ny tenany ho mpanakanto nefa tsy misy ventiny akory ny hira ataony fa rombo no betsaka, tsy misy hafatra. Marina fa fialamboly ny mozika kanefa mba fantaro ihany fa na eo ampialana voly ange ka afaka manao education ihany koa eh

9.

10. Rotsy

Anisan ny mpankafy am princio a ar ny hirany rhtr alo atreto dia tiako dhl satria oy ny ohabolana malagasy oe"aleo vantana imaso toy izay ankolaka"fa miala tsiny kosa a am reo hira mihetsika zay nd1 d manafitoana satria ts miteny mhts.

11. harry 5

zany ny atao hoe fivoarana tsi eto mada rery fa hatrany ivelany dia ny fomba fitafy sexy zany malaza boby ah atao ahaona ? amin fomba gasy no jerena dia marina ny anao fa raha ohatra mijery ny akehitriny dia c rien zany rehetra zany 2011

12. m'malk

n haino amanjery dia natao hanabeazn dhl f ms kosa n natokana ho an'n lhb, knf n izany az tokony hisy sivana ihany n hira na n clip indrindra. n sasan mants d hira tsis dikan akory f mampihetsiketsika ftsn d avoaka. asio hanatra n tononkira na mihetsika na milamina. ho an'ny harry 5 d fivoaran an @ ratsy rah irn n atao hoe fivoarana.ts midika akory hoe hanao sarebareba f mb asian endrinn ihn. kanefa ny fitafy entin'ny mpandihy sega aza somary reba2 nefa tsara.

13. m'malk

n haino amanjery dia natao hanabeazn dhl f ms kosa n natokana ho an'n lhb, knf n izany az tokony hisy sivana ihany n hira na n clip indrindra. n sasan mants d hira tsis dikan akory f mampihetsiketsika ftsn d avoaka. asio hanatra n tononkira na mihetsika na milamina. ho an'ny harry 5 d fivoaran an @ ratsy rah irn n atao hoe fivoarana.ts midika akory hoe hanao sarebareba f mb asian endrinn ihn. kanefa ny fitafy entin'ny mpandihy sega aza somary reba2 nefa tsara.ary ts ho vazaha na oviana2 zany enw ry HARRY5 a! na de fotsy hatrany @ lavatain'lah aza

14. niry17

samia maka ny tandrifiny, dia samy mitaty ny vokany ,rah enao zay miteny no mitaty ny vokany natsara na ratsy tsy maninona loatra fa ny mampalahelo dia ireo tsy manantsiny,mba jereo kely ange ny any japon e, manaraka ny lamody any ivelany izy fa tsy ariany velively ny fomba japoney, aiza ho aiza zao izy rah miohatra antsika?nefa aza izy voadaroky ny bomba atomika? mba saino ihany

15. nath

marina ny an mpanoratra eto,misy ny mpihira @zao fotona zao de tena efa lany henatra mihitsy;otrany mampametra mpanotanina ihany hoe: fa ngah moa tsis asany tsony ny OMDA? ,de tokony ts omena tsiny @zany mits TV fa tsy anjarany akory ny hitsara asan'ny mpanakato ,fa efa misy olona manao anizany,de mikasika an'pricio ndray zah alo mpankafy princio fa otrany mba miteny ihany ny az ny tonokira sad rah otran ireny ko ve ny ataony sasany de mbola hisy hiteny ihany ve?

16. taz

bjr daoli an!, marina daholo izay voalazanareo rehetra teo aloha fa ny tiako ambara dia hoe: iza no namorona ny kanto? inona no hevitry ny kanto ary atao inona ny kanto dé ho an'iza? noho ny fampidirana kolotsaina maro samy hafa no nahatonga an'izao zavatra maha lasa saina antsikamianakavy zao, tsy misy intsony ny "censure" na ny kanto avy any ivelany na ny antsika eto, miezaka iany ny mpivavaka mampiditra ny azy fa ts dé nanintona lôtra satria ts afaka andihizana slow na zouk love mants reny. Tsy ny kanto no potika fa ny kolotsaina satria ho an'ny hafa dia kanto avokoa izay jerena. misaotra namaky

17.

18. Tsiferana

salam e! miombok'evitra amin'ny mpanoratra tanteraka e! ny mahagaga de lazaina hoe nefa ra ny zavatra tokony ho izy de zavatra kanto no tokony hatao nefa ankehitriny ny ankamaron'ny mpanakanto sasantsasany dia tsy izay no hita fa dia ao ny mamoa-fady na amin'ny fihetsika sy fitafy na amin'ny tononkira irainy. Ary raha tena zoina dia tena lasa tsy misy lanjany tson ny mpihira ankehitriny fa tena lasa mihira avy na ny boto na ny adala . Tsy hita intsony ny maha kanto azy fa dia lasa revirevin'adaladala fotsiny sisa le izy , otrany hoe mpihira manao izay mahasarika olona fotsiny sisa na dia hita fa ratsy aza mba hahazoana vola . ( Tsy dia hoe ny mpanakanto rehetra akory fa ny sasantsasany) Misaotra

19. Tsiferana

salam e! miombok'evitra amin'ny mpanoratra tanteraka e! ny mahagaga de lazaina hoe MPANAKANTO nefa ra ny zavatra tokony ho izy de zavatra kanto no tokony hatao nefa ankehitriny ny ankamaron'ny mpanakanto sasantsasany dia tsy izay no hita fa dia ao ny mamoa-fady na amin'ny fihetsika sy fitafy na amin'ny tononkira irainy. Ary raha tena zoina dia tena lasa tsy misy lanjany tson ny mpihira ankehitriny fa tena lasa mihira avy na ny boto na ny adala . Tsy hita intsony ny maha kanto azy fa dia lasa revirevin'adaladala fotsiny sisa le izy , otrany hoe mpihira manao izay mahasarika olona fotsiny sisa na dia hita fa ratsy aza mba hahazoana vola . ( Tsy dia hoe ny mpanakanto rehetra akory fa ny sasantsasany) Misaotra!

20. Onyxoceanea

manalabaraka tanindrazana !

21. HELP PLEASE, SOMEBODY CAN HELP ME?

hello, everybody. my name is alejandro, i am from argentina. my language is español and a little of english. i want to make contact with someone wo speak spanish or english. an embrace to everyone.

22. Ryanb

Mitovy @ manao dissertation any am-pianarana io. Thèse-antithèse-synthèse- faranana @ conclusion. Tsy hilaza aho hoe marina na diso ilay hevitra. Ny tiako soritana dia izao: mivoatra ny fiainan'ny zanak'olombelona. Misy ny tsara, eo koa ny ratsy. Tsy misaraka ireo fa mifanindran-dalana eny foana. Anjaran'ny Tsirairay no mandray ny andraikitra tandrifiny azy.
Hamaranako azy dia ity tenin'ny mpanoratra malaza iray ity hoe:"I l n'existe qu'un seul élément dans l'univers que vous pouvez être certain d'améliorer: VOUS-MEME".

23. Bossa

Rehefa tsy misy hevitra oa aza milingilingy ato anaty serasera fa manjary lany fotoana fotsiny eo.Hita zao ve fa fitondrantena tsy mendrika zao koa mbola arirandrirana ihany ny mamaly azy e.Tsoriko kosa aloha fa marina tsy misy dohifina ny lazain'ny mpanoratra e.Soa ihany fa tsy ôtran'Ryanb daholo ny olona rehetra fa raha tsy izany an?..............

24. ralay

marina no lazain´ny mpanoratra ry havana malagasy a!

25. Bach

Miarahaba e
tena marina lzany kozin'ny mpanoratra zany, nef izao ko ange e ny mpanakanto efa io ny zavatra ataony, manala baraka ny tenany sy sady tsy taotra no tsy misy enatra; ny valeur musicale = 0 manatody. fa ny tena mapme ko de mbola betsaka ny olona mande mijery sy mankafy anireny artiste reny. Fa ref tsy misy mjery izy de tonga saina eo iany fa ra mbola misy mjery sy mividy ny CD-ny de tohizany iany io.

26.

27.

mbola tsar
aoka lo azava tsar ho any mpanoratra fa anisany mpakafy anreo mpihira toy ry tence mene ny tenako ary tsapako sy hitako satria mbola tanora n tenako fa mitondr voly sy fafinaretana ny mijer ireo mpihira mahay mampietsika n vatany ieo ary amiko ts fmpisehoana ny maha vetaveta na tsia azy ireo izan fa fampisehoan talenta ananany.ary na ny tenako izao ar d mahay manao toy iren nefa mbol ts nitodr ahy ho any amin fanahy rats izan na ko oe napiana drats ahy fa vomay nampiantr ahy ahy adihy kokoa.ar inoako angamb fa sam tompony tenany daol n tsirairay amin fitafiany ka ts ifampitsarana ny safidy ny hafa.hardye.

28. maresaka

Ekena tokoa fa samy manana ny tiany ny tsirairay ary samy mandray izay tandrify azy. Misy ireo tia mpihira vetaveta fa misy koa ireo tia mpihira maotina.

Ny dikan'izany dia tsy ny mpihira Malagsy ihany no lasa vetaveta fa ny mpijery sy mpihaino koa no misy lasa vetaveta miaraka aminy.

Aiza ho aiza ny misy anao? Vetaveta sa maotina?

29. salama

Marina fa efa andalapandrosona tsika zao nefa mba tokony jerena ihany koa zay mety sady tsy mifanipaka @ kolo-tsaina ananatsika izay mbola mampiavaka atsika @ firenena rehetra ka maninona moa raha mba mivoatra ka le atsika ihany no ankatsaraina ary asongadina fa tsy manaraka andrenirano le fomba fotsiny fa aza menatra ny maneho ny maha Malagasy anao fa ny Gasy dia tsara ary feno fahendrena.
Misaotra tompoko.

30. mamy

otrany tsika tsirairay izay samy naneho ny heviny eo a min'ilay votoaton dresaka hitantsika tsara fa samy manana ny heviny ny tsirairay dia torak'izay ihany koa ireo mpanakanto. ary hitan tsika tsara koa anie fa ny mpanjifa mihintsy no tena mitaky a ilay an'ilay zavatra ataon'ireo mpanakanto e! amiko ilay izy dia hoe liberte! dia samy manana ny fomba fanehoany an'izay ny tsirairay. koa dia anjarantsika no misafidy iahaniko ny mety sy ny tsy mety amintsika!

31. Hevitra

Mpianatra eny Ankatso aho ary nisy fotoana nanao interview mivantana an'i Princio : ary nazavainy hoe ny resaka kalitao na qualité,ny mikasika ny fomba rehetra entina mandrindra ny hira alohan'ny amoahana azy no tena tiany resahana ao anatin'ilay hira hoe "lasa mpihira daholo",izany hoe ny fanajana ny vokatra mba hanara-penitra tsara hoy izy alohan'ny andefasana azy eny amin'ny haino aman-kery; satria misy ny sasany hoy ihany izy ny maika ny halaza fotsiny ka sady tsy mandalina tsara ny tonon-kira sy ny mozika
atao lafika fa maika hisehoseho anaty clip fotsiny sady maika ny halaza fotsiny ka ampiasaina daholo ny tetika rehetra mba hampalaza ,eny na dia hiboridana aza;......,mikasika indray ny hoe misy olom-pady ,mpianaka sy mpiana-dahy mety ahita na aheno ilay hira, ilay hira hoe "darling" angamba no voalaza, iny indray hoy i Princio dia nataony mba entina hialana amin'ny resaka fiatsaram-belatsihy misy eto amin'ny fiaraha-monina malagasy momba ny "sexualité",ary manosika ny ray aman-dreny sy ny zanaka hiresaka bebe kokoa momba izany mba ialana amin'ilay hoe"nanala zaza ilay sipa kely dia maty",sy ny olana rehetra vokarin'ny henatra sy ny maso be tsy mahita ateraky ny fitiavana an'io zavtra io nefa hoy ihany izy hoe samy tia an'io daholo na ny kilemaina aza !!izay no navalin'i Princio .

32. tista

velaro @ izay ny saina e! , ampafirin'ny clip vazaha hitanareo eo @ télé anefa ny ataon'ny malagasy e! , mody masina sy tsy manota zany daholo eto nefa mangetaheta ohatran'inona rehefa ao ambadika ao ,

33. RX

Samy manana ny tiana sy fivelomany ny olona rehetra ka aza mifanakihana be fahatany ny fivelomanao eretsretina

34. Razo

Mitombina tokoa ny voalazan'ny mpanoratra, saingy tsy faritrta iray eto Dago iany no ahitana an'izany fa manerana ny Nosy mihitsy. Tsy anavahana mantsy ny resaka kanto. Maro ny milaza azy ho mpanakanto nefa de vava mipetsopetsona sy vatana mipelipelika fotsiny amin'ny tsy alehany ny ankamaroany. Efa maro loatra ny sivilizasiona vahiny tafiditra eto amintsika , ka ireny no ezahin'ny maro atao dika mitovy amin'ny kolotsaina malagasy, any ka diso ny zavatra omeny ny mpijery sy ny mpajifa. Samy kanto daholo ny kolotsaina manerana ny Nosy. Vitsy dia vitsy ny tena mpanakanto malagasy mahay manaraka ny toetrandro. Ny mpaka tahaka be fahatany no tena betsaka. Tsy hoe ratsy ny kolotsaina vahiny fa ny fahaizana manandratra ny an'ny tena no tena zava-dehibe.

35. Kristel

Tena d'accord am panoratra 200%.
Aiza ho aiza ny sivana eto amintsika am resaka haino aman-jery? nefa mba misy ministera isan tsokajiny iany?
Marina fa an ny RAD ny fanabeazana ny zaza, fa ny fiaraha-monina koa manana ny anjara borikiny amzay.
Mihamahazo laka ny gaboraraka ny tena marina. Tena mampalahelo.

36. tence mena

Atsika samia mpetraka amn'ny placintsika.Lavinakay tsy lavinao.Ze mampety ny fiainanao fo atova fa aza miditra @ fiainan'olo ano mpanoratra io.K'aza maroakoragna ano zandry ok

37. tence mena

ARY INO MA MAHAVY SARINAKA APETANAO EO ZALA. MANINO RAHA SARIN'NY ANABAVINAO NAPETANAO TEO

38. True.Aza tezitra rehefa abarina fa Fitiavana anoa

39. True.Aza tezitra rehefa abarina fa Fitiavana anoa

40. DONNAT

salama daholo tompoko, isika ray aman-dreny no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazana ny ankizy, ka na olon-tsotra na mpanakanto dia tokony ho fitaratra amin'ny zavatra atao satria hoy ny fitenin-drazantsika hoe "ny atao mahatarika". Tsy ratsy akory ny maka tahaka fa izay tsara no tkony alaina. Aza adino koa fa ny ankizy ankehitrio fitaratry ny ampitso koa raha ratsy no omenao azy anio dia ratsy koa no omeny ny zanany rahampitso.

41. Dexte

A tout ce que tu fais,pense à la finalité.

42. walte

raha hiala voly aloha dia tsy maintsy le mba mpihira manaitaitra ireny no jerena eh, raha ohatra kosa ve ianao handeha hamonjy lanonana eny antsahamanitra de le sipa lava zipo reny no jerena eny de mba ho tia enao, hafa raha we mpihira evanjelika no jerena, ary tsy midika we raha mpihira manao fitafy tady hiboridana d hivarotena izay fa manao izay hisitonany kil izy

43. amboditsiry

manaôna daholo tsika ato !raha ohatrana aloha aferany io na amidy na ataony ina fa ono a nareo milaza ho mpivavaka reo ve tena mbola tsy manota mihitsy ?ary nareo manenjika olona reo mba ohatrany aôna? aza mitsara olona fa ny tenanao aloha jerena vao mifosa olona ato anatin'i tsaon-kala ty zany no maha tafalatsaka ny gasy ohatran'izao vao misy zavatra kely de avy manakihana ka nay ka lasa mihemotra za aloha de mana courage an'ilay artista e!sur eeeeeataovy milay eee

44. zonia

Mahaliana daholo ny hevitra mitosaka rhetra teo. Saingy te hitodika kely @ Vano aho. Tsy tsara loatra ny affirmation grauite toy ny hoe:tsy andraikitry ny TV velively no manao ny éducation n'y zanakareo.
Mananana andraikitra lehibe mihitsy ny naino aman-jery @ Famabeazana. Tiako raha mahita doc mikasika ny kriminolojia ianao, mba ahafantaranao ny fifandraisana misy eo Haino aman-jery sy fitombon'ny taha ny herisetra.
Mikasika ny sivina @ serasera, raha ny marina dia voararan'ny lalàna izany, satria manohitohina ny fahafahan'ny isam-batanolona, saigy azao atoo mihitsy manao censure intra-desk. Mino ve nareo fa tsy misy censure atao ny Red Chef na Dir Pub @ ny lahatsoratra an-gazety mivaoka isan'andro ireny.
Raha ny marina, misy ny atao hoe: morale universelle, koa raha mifanotra @ zany ny fihetsiky ny mpanakanto, dia azo ambara fa ratsy sy vetaveta. Raha mpanoana ny hevi-dratsy sy vetaveta ianao dia ahitsio ny lalana sy ny fijery, fa mitady hihaotra ny valan'ny fiaraha-monina. Ok Vloma

45.

Mahaliana daholo ny hevitra mitosaka rehetra teo. Saingy te hitodika kely @ Vano aho. Tsy tsara loatra ny affirmation gratuite toy ny hoe:tsy andraikitry ny TV velively no manao ny éducation n'y zanakareo.
Mananana andraikitra lehibe mihitsy ny haino aman-jery @ Famabeazana. Tiako raha mahita doc mikasika ny kriminolojia ianao, mba ahafantaranao ny fifandraisana misy eo haino aman-jery sy fitombon'ny tahan' ny herisetra.
Mikasika ny sivina @ serasera, raha ny marina dia voararan'ny lalàna izany, satria manohitohina ny fahafahan'ny isam-batanolona, saigy azao atao mihitsy manao censure intra-desk. Mino ve nareo fa tsy misy censure atao ny Red Chef na Dir Pub @ ny lahatsoratra an-gazety mivaoka isan'andro ireny.
Raha ny marina, misy ny atao hoe: morale universelle, koa raha mifanotra @ zany ny fihetsiky ny mpanakanto, dia azo ambara fa ratsy sy vetaveta. Raha mpanoana ny hevi-dratsy sy vetaveta ianao dia ahitsio ny lalana sy ny fijery, fa mitady hihaotra ny valan'ny fiaraha-monina. Ok Vloma


46. Mb'loves

Salama eee!
Amiko manokana ny hevitro no lazaiko, raha milaza fa tena Malagasy ianao dia tsy tokony hankasitraka ny zavatra tahaka ireny.Ny zava-misy no resahana ka tsy tokony ho tezitra fa mandinika izay tsy mety.Raha manana soso-kevitra ianao dia soraty ho itan'ny olona fa aza kobonina any am-po.Volana imaso anie ka tsy mba kilema hoy ny ntaolo e!

47. Trasé

Tsara ny miaro ny fomba gasy, fa rehefa lasa fiatsarambelatsiny dia lasa hita hoe mahamenatra ary tena trop. Misy afaka manome famaritana marina ny atao hoe mpanakanto ve eto? Amiko ny kanto dia misy karazany ary kanto amiko mety tsy ho kanto aminao fa ny marimaritra maha-zava kanto azy no resahina. Raha tsoriko dia toa mitady ho menatra ny amin'ny maha malagasy ahy satria efa mivaralila daholo ny retraretra : atomboka avy any amin'ny fakany, izany hoe ny fomba fiainana andavanandro (tafiditra anatin'izany ny resaka politika fa tsy idirako lalina fa manjary ho resaka lava tsy vita eto). Manaraka ilay hoe fihavanana : gasy miady antrano, ankolaka, izay afaka mamely ny namany de asiany. Resaka fanabeazana : tafiditra anaty fanabeazana ary hita ny mahatsara azy ny resaka sexualité mba hialàna amin'ny vokany izay vao mitady ny antony (causes à effets). Na tiantsika na tsy tiantsika dia tsy maintsy misy mibolila fa tsy voatampona tanteraka ny fanakanana ny zanatsika tsy hanao an'izao na hanao an'izao. Manao ihany ny RAD fa tsarovy fa fanabeazana tsy voafaritra eo amin'ny RAD irery. Fehiny : Rehefa kanto dia ekeo fa kanto, ary aza afangaro amin'ny fomba nahafady hatrizay ny zava-kanto. Firy isanjaton'ny Gasy zao no métis ??? Korazy anao Tence Mena, tohizo fona fa tsara raha ataonao. Anjaran'izay mahita anazy tsy kanto no tsy mijery clip-nao, tsy tsy maneho izany amin'ny zanany sy izay fady azy ...

48. mpankafy mozika

eka le,ianareo ange tsy atao forcé hijery na ividy aminy CD ilay mivoaka ai fa ilay tianareo ihany ,ohatran'ny mividy lamba any antsena samy mividy izay sahaza azy,amiko aloha tena mety amiko ireo fitafy izay ataondreo rah tsy izany moa hivoatra eto mada?ny mahagaga anie ianao izay maniratsira ny fitafinolo io no tena mpanenjika sipa mitafy ankanjo ntsy ampy io!rah tsy mazaka ny fitafindreo de tsy mijery clip izay fantatrao fa tsy sahaza anao!!!!

49. njk412

Marina jiaby raha volagnignareo.
singa iray no mampifanipaka ahy @mpanoratra. ilay hoe tokny ho jern'ny fanjakana sy ny "tena artista" ireny mpihira tsy maontina ireny. ...
de hoy aho hoe ... ho taraiky eto isika raha ireny no fehezina. variana mifehy an'ireny de na ny maotina na ny tsy maontina de tsy handroso mihitsy. zany hoe ny kolotsaina voizin'ny mozika mihitsy no hijanona @toerana nisy azy t@taona 1950. de ho faty ho azy eo izy raha izany no ho izy.
ny tokony atao de izao: atsaraina ny raki-tsarin-dry kintana telo, ry jaojoby, ry clo mahajanga, ry ventson'androy, ry tatarahely, ...izay heverintsika fa mitana ny fahendrena. hatsaraina ireny de atao izay itiavan'ny olona azy (ohatran'ny nataon-dry marion, ry mat pokora,....)
rehefa mahazo vahana ireny ka tian'ny olona de lasa "tendances" ho an'ny artista indray. foana ho azy ny hira tsy misy ventiny avy eo.

50.

51. Zah fo

Mba malala-tsaina!
Io ihany no problèmantsika, finaritra ny hanakiana fotsiny fa tsy mba mitondra soso-kevitra.
Iaraha-mahita angamba ireny clip amerikana ireny: fa maninona ny zanakareo mbola avela mijery an'ireny? Maka tahaka ny fitafian'izy ireny? Sa rehefa ny vazaha no manao dia mety? Izany no fivoarana; raha tsy mahalany an'io ianao de aza mijery fotsiny de vita, ary teneno koa ny zanakao tsy hijery an'ireny (raha ho azonao @'izany izy). Nandalovanao anie io taonany io é, fananarana ihany no omena azy fa tsy ny hiran'olona no haratsiana.
Tamin'ny andronareo angaha tsy nisy olona niteraka tsy nanambady? De aza asiana télé koa ary ao an-tranonareo, foano ny connexion internet rehetra eto @ tanàna fa misy sary vetaveta ary tena miboridana mihitsy ao; sa ny zanakareo tsy maintsy miaraka aminareo foana rehefa mi-connect?
Tsy aleo ve mitady vola amin'io toy izay mangalatra sy mamono olona? Misy tsy tia koa anie io fitadiavam-bolanao io fa io no hitanao fa ahazoanao vola betsaka sy haingana kokoa de ataonao é.

52. pisokely

za alo miombo-kevitra amn ZAH fo satria na ny film na ireo rehetra amn zao fotoana dia mampiseho izany avokoa
fa anjaranao ny mandanjalanja ny zavatra jeren'ny zanakao, fa ts dia hoe hifanome tsiny sy hifanebaka otran'izao foana tsika fa ts mampivoatra sady samy manana ny mahampety azy nge, ary izay no mahasalama azy dia ze mahasalama anareo mianakavy kely no ataovy e
rehefa ts mahazo mijery an'ireny nareo dia CD atao e! sady na ianao hanakiana lava io aza mitady aretina ho anao satria isaky ny mahita ianao de tezitra foana fa avadio fotsiny e
de aza mijerijery film koa fa ny film saika ny 95% ny dia misy miboridana kely foana na dia bisou sy mifanafosafo fotsiny aza
zay dia samy maka an ze mety amn e!

53. RHD

Ekeko fa marina aloha ny tian'ny mpanoratra ho lazaina fa na dia izany aza tsy mety kosa le mametraka sarin'olona fatatry ny be sy ny maro ohatran'io.tokony tsy anala baraka kosa e!mba maro ihany ange ny mpanakanto dia nahoana tonga dia ny sariny irery no napetrakao eo e?

54. PATY

Miombon-kevitra tanteraka amin'ny mpanoratra aho, tena mahatsiravina sy maharikoriko ny ataon'ny mpihira sasany sy ny mpandihiny ny mahasosotra fotsiny dia ny mahaita azy miseho @ fahita-lavitra fa ankoatra izay zay mitovy aminy ihany no tena mijery azy sy mandihy amin'ny hirany.
Lay izy zany ry RHD tsy oe fanalam-baraka fa mino aho fa tena vao maika ary mahafaly ireo voatonona anarana izany, malaza amin'ny ratsy zany ange no reharehany ê.

55. Tantely

salut!
zao ihany no teniko ho antsika rehetra,fantaro ny zavatra rehetra dia hazony mafy izay tsara.Mifaliffa ry zatovo dia ny mbola -tanora ianao .........Nefa fantaro fa tsy maintsy ho tsaraina izzaho sy ianao
efa atomotra ny faran'ny zavatra rehetra

56. Tantely

hajao ny tenanao fa tempolin'Aandriamanitra e!
hajao ihany koa ny tenanao mba hanajan'olona anao e!
hajao ihany koa ny tenanao fa eo @ fomba fitafy sy ny fihetsikao ety ivelany no hitsaran'ny manodidina anao
SAINO TSARA DIA DINIHO ARY TANO MAFY IZAY TSARRA

57. niko

Mampametra panontaniana ihany ireto kristianina manao ny tenin Andriamanitra ho fanafenana ny fitiavany manenjika sy mitsara ny hafa?

Rehefa misy tsy mety aminy mantsy dia izao Andriamanitra izao foana no atao maivoka!

Ary ny tontolon ny mozika tsy ho voafehy ny mahakristianina zany mihitsy anefa.

Raha misy hajany tokoa izany Andriamanitra izany maninona ra tsy vetavetaina ohatran zany? amiko aloha tsy misy olombelona afaka hisolo tena na vava azy ka tandremo fa i Tence Mena aza tsy mbola ren'olona nisoloky an ilay Nahary zany mitsy!

Ny gadona vohizin i Tence Mena tompoko dia gadona niangalian'ny razambeny saingy ny arrangement sy fiaingony natony niendrika moderna tahaky ny hira vahiny satria toy izany koa ireo kristianina: malagasy avokoa ny kristianina saingy tsy nety taminy ny fomban tany nomen ilay Avo Indrindra azy ka natakalony Christianisme (=Mondialisation).

Avy eo anefa ny kristianina tsy nahatanty ny Rythmn Mondialisation dia izao mipasaka ho secta maro isankarazany izao!

58. niko

fa vetaveta tokoa isika malagasy aloha e!

raha ny fivoarana - internet- no tsy haritra ka entina hanalana baraka olona ankalalahana dia farak'izay VETA SAINA isika MALAGASY.

raha nanokana fotoana isika hanokatra blog hanaratsiana ny mpanakantonTSIKA dia FARAK IZAY VETA sy MAKOTA fisainana isika MALAGASY.

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina