You are here: home> News

Maeva 74

Submitted by: raozigasy
On: 16/08/2009

Nandrianina Maevatiana no anarana nasalotro ny tenako eto amin’ny sehatry ny kanto. Maeva74 kosa no solon’ anarana fampiasako amin’ny fifaneraserana. “Maeva” dia teny avy any Atsimon’ ny Nosy, dia i Toliara, tanàna nahabe ahy. Io anarana io dia mitovy hevitra amin’ ny hoe “Mendrika”, nefa tsy noho izay heviny izay loatra no no anton’ny safidiko. Zazavavy jejojejo kely aho fahiny ka matetika ny mpitazana no milaza hoe “Maeva anao lie sikinao ty e!” nahafinaritra ahy ilay anarana hany ka nokoboniko tao anatiko tsy nisy nahalala mandrapahatongan’ny fotoana nety nahafahako nisalotra azy.

Tamin’ny 19 may 1974 no nahalatsahan’ny tavoniko tao Ilempona Gara, Antanifotsy. Noho izany dia noraisiko ny isa 74 mba hanavahana ahy amin’ny olona maro hafa mety mitondra ny anarana hoe Maeva. Tiana  kosa no anarana nomen’ ireto Ray sy Reniko mba ho ahy sady fiantsoana ahy amin’ny andavanandro.

Maro ny zavatra mahafinaritra ahy, toy ny mandihy sy ny mihira; ny mahandro sakafo sy ny manandran-tsira; ny mikarakara tokantrano sy ny manaingo azy. Ankafiziko manokana kosa ny mamaky boky tantaram-pitiavana, ny mijery sy manaraka tantara mitohy amin’ny fahitalavitra sy ny onjam-peo. Maromaro ihany hoy ny kamo hanisa ireo mpanoratra ankafiziko na tantara izany na tononkalo.  Rado, Dox, J.J Rabearivelo, Ratsimiseta Jasimina, Jean Narivony, Fredy Rajaofera, E.D. Andriamalala, Clarisse Ratsifandrihamanana, ireo no tena masaka tao an-tsaiko, ankoatr’ ireo hafa izay tsy voatanisako

Tsy dia mpanoratra toy ireo mpanoratra rehetra akory aho na nianatra manokana momba ny asasoratra fa talenta nomen’Andriamanitra ahy ka niseho sy nivoatra miandalana teo amin’ny fiainako. Fony vao nahay nanambatra teny ny vavako dia efa tiako ny nampiresaka zavatra, toy ny saribakoly, indrindra moa fa ny vatokely. Vao mirava avy mianatra aho dia ny hanao tantara vato no mahamaika ahy, ka vory avokoa ny ankizy mihaino ny tantarako.

Tsy dia tsaroako akory hoe oviana aho no nandray penina ka nanoratra. Efa mba nahasoratra tantara kely ihany aho fahiny saingy tsy nisy voatahiry na iray aza fa verivery teny avokoa. Tamin’ izany fotoana izany dia tsy mba nanana kahie aho nanoratana fa dia sombitsombin-taratasy hany sisa tsy nisy soratra no nanoratako ary natambatro ho toy ny boky kely mba hovakian’ ireo namako. Nisy tamin’izy ireo no nankafy ny asa-soratro, tao ihany koa ireo tsy nankasitraka nohon’ ny tsy fitovian-kevitra angaha.

Tsy ny manoratra ihany no ankafiziko fa ny milalao tantara ihany koa na dia tsy teo amin’ny sehatry ny matihanina aza. Rehefa fetin-tsekoly dia mahaforona tantara kely aho mba holalaovinay mpiara-mianatra  teny an-dampihazo. Tsikaritr’ ilay Masera talen-tsekolinay izany ka nampiantso ahy manokana sy mangingina izy mba hilalao tantara an-tsehatra, dia izay no nanomboako nilalao tantara an-tsehatra voalohany. Raha tsy diso ny fitadidiako dia tokony tamin’ ny taona 1988 tany ho any izany.

Tantaram- pitiavana sy mampihetsi-po no manavanana ahy ary hita soritra amin’ireo tantara noforoniko. Tsikaritra ihany koa izany amin’ireo tononkalo vitsivitsy nateraky ny aingampanahiko. Izaho dia tsy nahalala velively fa ato anatiko ny “romantisme” raha tsy  ireo olona mifanerasera amiko no nanao fanamarihana momba izany tamiko. Efa ao anatiko angamba izy io ary iainako isan’andro ka izay no miantraika any amin’ny kanto foroniko.

Tato amin’ny tranonkalan’ny serasera.org no nanombohako nampiseho mivantana sy tamin’ny sehatra lehibe kokoa ny tantara nosoratako voalohany voatahiry dia ilay mitondra ny lohateny hoe “Rado, ilay Fitiavako Fahiny”, izay misy fizarana 14.Tsy dia kalaza loatra aho akory satria mety tsinjo eny ihany ny mbola mahazaza vao miana-mamindra ahy eo amin’ny literatiora Malagasy. Ny fitiavako ny zavakanto kosa no hery manosika ahy hivoatra hatrany sy hamoaka ny aingampanahy ato anatiko mba ho amin’ny kanto indrindra. Koa manasa anao hamaky sy haka fy ity tantara ity ary ny tenako.

Isaorako manokana eto:

Ny serasera.org

Raozigasy

Ilay sakaiza tsy hita-maso nampazoto nisera sy nampirisika tokoa ny handroso amin’ ity asa-soratra ity.

Ilay namana tsy foy, nanampy tamin’ny toro-hevitra sy nampirisika ihany koa.

Dia ianareo namana serasera mazoto manaraka tsy tapaka ny asasoratr’ i Maeva.

Comments:

1. fahamarinana

Tena faly sy tretrika tokoa mamaky sy mifankahalala be be kokoa amin'ny Maeva !
Misaotra nizara e !Misaotra nisy ka nahafahako ihany koa nankafy ny tantara sy ny Tononkalo.
Isan'ny namana nanaitra ahy manokana ianao hany ka nahatonga ahy koa ankoatran'ny namana hafa tena akaikin'ny foko mba hanandrana sy hiditra lalina amin'ity Asa-soratra ity !
Mpankafy hatrany aho ary mampahery sy manohana eny ho eny !
Kiss mamy
Faha

2. Nirilala

Mampirisika an'i Maeva handroso hatrany. Izaho dia efa mpanaraka ny zavakanto ataon'i Maeva hatramin'ny voalohany ka mahatsapa ny ezaka ataonao, tsy very maina akory ireny. Mankasitraka sy mampahery anao foana.

3. Nirilala

4. Nirilala

5. Nirilala

6. Nirilala

7. Nirilala

8. Nirilala

9. Maeva74

Misaotra an'i Fahamarinana ny tenako tsy nanadino sady nandray ahy ho namana tokoa. Ka enga anie mba haharitra izany, tsy voatery ho eo @ ity asa-soratra ity ihany fa na dia eo @ fiainana andavanadro aza.
Mbola mamerina ny fisaorana ihany amin' ireo firariantsoa sy fampaherezana

10. Maeva74

Misaotra an' i Nirilala ihany koa tsy nanadino no nampirisika ny hiroso amin' ity sehatra ity. Tena namana tokoa ianao ary mbola mamerina hatrany ny fisaorana mitafotafo ny amin' ny rehetra.

11. Manantsoa

Mankasitra sy mankaheri anao hatrany tenako ry Maeva eny na dia nisy fotoana tsy nahafahako nanaraka ny soratananao aza andro maromaro zay noho ny toerana nisy ahy tsy mahazo connexion ka dia misaotra e! mpakafy sy mpampahery anao hatrany
Manantsoa

12. Manantsoa

Mankasitra sy mankahery anao hatrany tenako ry Maeva eny na dia nisy fotoana tsy nahafahako nanaraka ny soratananao aza andro maromaro zay noho ny toerana nisy ahy tsy mahazo connexion ka dia misaotra e! mpakafy sy mpampahery anao hatrany
Mazotoa manoratra fa tsara ny asa soratrao
Dia mbola mamerina ny fisaorana indray e!
Manantsoa

13. Maeva74

Misaotra an'i Manantsoa amin' ny fitsidihana sy ny fampirisihina rehetra e!Ela tokoa enao tsy tazana koa. Mbola misaotra ihany

14. MURIO

Tohizo hatrany fa mahafinaritra.
Mirary soa hoanao.
Misaotra tompoko.

15. Maeva74

Misaotra an'i Murio nitsidika sy nirrasy tokoa.
Misaotra tompoko ô!

16. milaibe

Mhafinaritra foana ny mahita anao indrindra moa fa izao vao maika fa ly fa mahalala kokoa anao , dia mankahery hatrany é

17. milaibe

Mhafinaritra foana ny mahita anao indrindra moa fa izao vao maika fa ly fa mahalala kokoa anao , dia mankahery hatrany é

18. milaibe

Mhafinaritra foana ny mahita anao indrindra moa fa izao vao maika fa ly fa mahalala kokoa anao , dia mankahery hatrany é

19. Maeva74

Misaotra an'i Milaibe tonga namangy tsy vitan'ny hoe nitsidika fa nankahery koa.
Dia mirary soa ho anao hatrany i Maeva

20. Rindra

Hay ve ka tena artista indry ity e!Tsy nampoiziko mihitsy hoe mahay manoratra ohatr'izao marina.
Dia mirary soa e!

21. rullya

tohizo fa tsara!

22. rullya

tohizo fa tsara!

23. rullya

tena manana talenta aloha ianao e!mahaliana ilay izay,bravo,merci!

24. bodo

hay ve ka tena nitohy ilay famoronanao tantara fahinye! tsaroako ilay tantara vato taloha niarahana.Dia mirary soa be dia be

25. Kdaombaramita

Faly mahafantatra bebe kokoa. Izaho dia tena mankafy ny tantarandry. Tsara fa tohizo e !

26. Kdaombaramita

Faly mahafantatra bebe kokoa. Izaho dia tena mankafy ny tantarandry. Tsara fa tohizo e !

27. maeva74

Misaotra an'i Kdaombaramita nitsidika e!

28. fali

Faly mahafantatra an-dry aky za a ! za ihany koa dia tena tia an'ilay asa soratrin-dry dia mirary soa e !

29. Fanomezana

Faly mahafantatra an'i Maeva. Za tia mamaky na mijery tantara gasy. Mirary soa dia mampahery anao ihany koa.
Misaotra eh!

30. mangamaso2

Faly mahalala kokoa an'i Maeva, na dia efa mpanaraka ireny zava-kanto arosonao ho anay ireny ny tenako :)
Tohizo hatrany, dia mirary soa e !

31. maeva74

Efa elaela tokoa tsy nandalo ka misy zava-baovao e!!! Misaotra sy mankasitraka anareo rehetra namana sy mpakafy ireo asa-soratro e!!
Ba betsaka daholo

Add a comment

[*] Required