You are here: home> News

Mami Bastah

Submitted by: raozigasy
On: 20/08/2009

RANAIVO Maminirina Ramiandraharisoa no tena anarako ary MAMI Bastah no anarana hoentiko amin’ny maha-mpihira ahy, ankoatry ny mozika dia Mpamboly aho . Ny gadon-kira hiangaliako dia : folk Sy “Musique du monde”

          E-mail : mamibasta2@yahoo.fr

          Siteweb : www.myspace.com/mamibasta

          Ny adiresiko dia Lot 1118 J 110 Mahazoarivo - Avaratra 110 Antsirabe Madagasikara

          Tamin’ny taona 1977 aho no nanomboka namoron-kira voalohany ary tamin’ny 1982 ao no niaraka tamin’ny Tarika REMY , ny taona 2000 aho no nanomboka nandeha irery ka nitondra ny anarana “ MAMI Bastah” 

          Efa nanao fampisehoana mihoatran’ny 120 eran’i Mcar aho hatramin’ny nitondrako ny anarana MAMI Bastah , ary efa nanao fampisehoana tany ivelany ihany koa : La Reunión , FRance , REp Tchèque , Allemagne , Italia

           Amin ‘izao fotoana izao aho dia solotenan’i Mcar amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena  PRIX MUSIQUE OCEAN INDIEN 2009 izay atao ao amin’ny Alliance Française  Antananarivo ny famaranana ny 25 Sept 2009 amin’ny 7 ora hariva (Jereo www.prixmusiquesoceanindien.com

          Ny isan’ny hira noforoniko hatramin’izao dia miisa any amin’ny 160 any ho any ary efa namoaka raki-kira (CD Audio 2 aho ary VCD 1)

           Ny mpihira tiako dia : 

-          Vahiny : Bob Dylan , Cat Stevens , James Taylor , The Beatles

-          Malagasy : Mahaleo , Lolo sy ny Tariny ; ERick Manana , Tselonina , Feo Gasy , Henri Ratsimbazafy , Jaojoby

Isaorako be dia be ny hetsika toy izao satria ezaka fampahafantarana ny artista Malagasy

 

                             MILA VONJY NY GASILAHY

 

Mila vonjy e, mila vonjy e , mila vonjy ny gasilahy

Fahamarinana tsisy hita ho’aho , fa tapitra nafenin-dry zalahy

Mila vonjy e, mila vonjy e, mila vonjy ny gasivavy

Ny olo-marina nantenaina misy ‘tady hamono sy hamosavy

 

Andriamanitra Ray Tsitoha ô , henoy re ‘ty vavakay

Fa tena mafy tokoa , tokoa  e , ny loza manjo ity taninay

Efa hatramin’ny elabe no nila vonjy sy nitalaho

Ray Mpamonjy , henoy re , fa mitaraina ny zanakao

‘Reo mpitsindroka zôridira ho’aho , omeo sakafo mba hifaliany

Kalokalo sy hirahira ho’aho , no ataovy solon’ny fijaliany

‘Reo tsy manana hialofana e , matory eny an-dalam-be

Omeo lamba mba hirakofana , tsy manana havana mba aleha

‘Reo mpitantana sy mpitondra re , tariho ny sainy hanao ny rariny

‘Reo mpanodikodina volabe , asaivo soloiny izay nangalariny

Raha manao tsy rariny ireo lehibe , ampiharo lalàna mba ho voasazy

Endaso ho mendy amin’ny afobe , f’efa zatra mangorona ny tsy azy

‘Reo olo-marina sy azo antoka omeo hery sy fitahiana

Raha sendra ny ady izay tena sarotra dia arovy tsara fa aza ariana

 

Mila vonjy e.............................................................

 

Andriamanitra Ray mahery ô , omeo valiny ny hatakay

Fa aza avela handeha irery , tsilovy ny lalan-kizoranay

Tsy izay tinay fa ny sitrakao ihany no tanterahina re ry Ray

Ry tompon’ny hery tsy mety lany , mila vonjy aminao re ny taninay

Kanefa na izany aza , olombelona ihany mandre marary

Mahatsiaro mijaly sahiran-dava , rehefa miakatra ambony ny vidim-bary

Andriamanitra Ray mahery ô , iraho mba hidina aty Jesosy

F’izahay malagasy mitady ho very , sady tsy ampy sakafo no tsy ampy sôsy

Mitanondrika mitaraina re , ampanjakao re ny fahamarinana

‘Reo tompon’andraikitra lehibe , ambeno mba tsy hanao zara vilana

‘Reo olon-dratsy mpisetrasetra , tsy maty manota fa mafibe

Sazio mba hitovy aminay rehetra , na “TIM” izy na “TGV”

 

Mila vonjy e...............................................................

 

Hamaranako izany tafa , henoy tsara raha azo atao

Tonom-bavaka hafahafa , fa sady mamely no mitalaho

Aok’izay ny mifampitady ry mpanao pôlitika tsy an-kanavaka

Atsaharo hatreo ny ady dia ho tonga tsy ho ela ny valim-bavaka

‘Reo mpanompon’I Jeso Kristy ô , hiara-hiasa sy hampihavana

‘Reo basy sy fiara mifono vy , ampirimo amin’izay , soloy fitiavana

Hiara-dalana , hikorana e , Monsieur Guy Rivo sy Ratsivalaka

Ingahy Andry sy Ingahy Ravalo , hiara-handihy salegy, handihy kilalaka

 

Mila vonjy e.................................................................

 

        Mila vonjy , mila vonjy , mila vonjy Zanahary

        Fa ‘ty tanindrazanay ity anie tena marary

Comments:

1. HAJA

Tsara be ny ezaka vitanao Mamy , de mahereza ary raha mety de mba managataka fisehoana indray mandeh fotsiny eto tana
de zay aloh

2. rolisse

salut...rahoviana ny concert aty fra nce.

3. rondrotiana

salut Mamy Bastah be tsara lay hira fa tohizo eh fa angaha moa rava ny tarika Remy eh . Ny mpanankato anie tsy mety maty fa aiza ho aiza izao ny lalanareo iray donakafo taminireny eh . De ahoana moa lay hira hoe " andeha hiosotra taniravo eh" Milay ka ok

4. José

Salut Zoky!
IZao ve izahay vao mba mahita itony zavata tsara be itony kale!
Tohizo foana ny vazo miteny e
Zandry

5. Rafaliarison Joussoua

ghgnbhrgeferqffzzr't

6. NALAHATRA Mitovy

Mes respect les RaMamy a,ze vazo vao2 na toloa na mbola hoavy eo les de revenay foana fa tohizo fa milay e, ok ,mazotoa ary mirary soa.

7. Zé

Tohizo ny vazo miteny fa milay ary ten mpihira anisan'ny ankafiziko raha ianao. Dia tongava any @ izay avo inddra e!

8. SYLVIO

Tsara be ezaka vitanao ry Mamy a! tena afapo zahay, Mirary fahombiazana hatrany e!

Add a comment






[*] Required