Ndrina Zopanage

 

Misaotra an’i Ndrina RANAIVOARIMANANA nanolotra ity  tafatafa ity amin’ny RadioVazoGasy.  Ndrina Zopanage moa no anarana an-tsehatra hahalalana azy eo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy ary monina ao Marseille izy ankehitriny.

Oviana moa izany no tena nanombohan’i Ndrina niseho an-tsehatra ?

Fony vao 10 taona aho dia efa nandray anjara hatrany teny ambony lampihazo, na fetim-pianakaviana izany na tany am-pianarana, izay notohizako nony nihalehibe, mazava ho azy.

Rehefa feno 16 taona aho no tena nanomboka niakatra an-tsehatra amin’ny maha-artista, tao anatin’ny Tarika Zopanage izay nisy ahy nanomboka tamin’izany ka hatramin’izao fotoana izao.

 

Mba azo lazaina fohifohy ve ny momba ity tarika ity ?

Ny faramparan’ny taona 1978 no niforonan’ny tarika Zopanage. I Tsilavina Ralaindimby, mpanolotra sy mpandindra fandaharana tao amin’ny Radio Televiziona Malagasy, no nahatsikaritra azy voalohany. Tamin’ireny fotoana ireny no nandraisan’ny Tarika Zopanage anjara tamin’ireo fandaharana notontosainy tao amin’ ny fahitalavitra malagasy, niaraka tamin’ny tarika Laingo sy Carson.

Teo ihany koa no nanomboka nalaza ny tarika Njila, Jeneraly, Ifanihy, Tsiakoraka, sns, ka noraisin’i Dida, tompon’ny Cabaret Speedy, an-tànana ny tarika, nanao fampisehoana niaraka tamin’izy ireny.

 

Ary Ndrina ankehitriny ?

Nony nifindra monina taty Frantsa aho dia namorona ny tarika Ako, ary taty an-toerana ihany izahay no nanao fampisehoana.

Maro anefa ireo artista niarahako, na tamin’ny fandraisana anjara amin’ny maha-mpitendry ahy, na teo amin’ny famokarana fisehoana an-tsehatra, raha tsy hilaza afa-tsy i Njila, Mahaleo, Rakoto, Nono ary i Solo fotsiny aho.

 

Inona moa izany ny gadon-kira voizin'i Ndrina ?  Ary iza no artista azo lazaina hoe nitaiza ny fahazazana sy fahatonaranao ka namolavola ny aingam-panahinao tamin'ny famoronana mozika ?

Ny gadona "pop" no tena manavanana ahy fa ny artista moa tsy mionona amin'izay hainy fotsiny fa mitrandraka hatrany ka indraindray dia manandrana gadona hafa ihany aho.

Toy ireo iray andiany tamiko dia ry Mahaleo sy Lolo Sy Ny Tariny ary i Tselonina mazava ho azy no natao filamatra tamin'izany, teo ihany koa ry Bessa sy Henri Ratsimbazafy, raha ny mpanakanto malagasy. Ireo artista vahiny kosa dia maromaro ihany, toa an-dry James Taylor, Crosby Stills Nash & Young, Rolling Stones, Beatles, Bee Gees. Mbola erotrerony mihitsy moa tamin'izany fa nony nihalehibe dia nitombo isa ny artista nalaza ary dia nanaraka izany koa ny fivelaran'ny tontolo nianoana mozika.

 

Misy  hetsika miandry ve ato ho ato ? Na atsy ho atsy, ndao atao hoe  : misy ketrika mbola lavitr'ezaka ve ?

Tsy ho ela dia hankalaza ny fahatelopolo taonany ny tarika Zopanage, ka dia hitodi-doha ho any an-tanindrazana aho handray anjara amin’izany. Izay aloha no hetsika lehibe sy akaiky indrindra izao. 

Ny atsy ho atsy kosa dia ho hitantsika miandalana eny ihany. Misimisy ihany ny sangan'asa noketrehana ato ka angamba mety ho avoaka ho rakikira ihany izy ireo rehefa tonga ny fotoanany.

 

Eny ary fa dia eto ihany ny RadioVazoGasy manaraka akaiky anareo mpanakanto. Eo am-piandrasana izany, moa ve misy hafatra manokana ve tian’i Ndrina ampitaina ?

Misaotra ny RadioVazoGasy nanome ahy fahafahana mandray anjara eto. Haharitra anie ny fandaharana mba hahafahana  mihaino ireo antontan-kira malagasy, indrindra ho antsika aty ampitan-dranomasina. MISAOTRA.

 

 

Rondro Volantsoa