You are here: home> News

Ny Ntaolo

Submitted by: raozigasy
On: 07/04/2009

Iza moa ireo antsoina hoe Ntaolo ?

Fahiny fahagola dia nisy mponina teto ampovoan-tany izay novantanin’ny vahiny sy ny misionera raha tonga nitory ny filazantsara taty izy ireo. Mbola fiaraha-monina madio no nanjaka tamin’izany. Nanana rafitra mazava izy ireo na dia voafaritry ny fanjakana nitsotokotoko aza, ary ady madinika mandrakariva no nisy. Andrianampoinimerina no mpanjaka anisan’ny nahavita nanambatra faritra maro indrindra talohan’ny nitsanganan’ny tena foloalindahy tamin’ny andron-dRadama Rainy. Ary izy no nanomboka namitra-pihavanana tamin’ny vahiny dia ireo Sakalava, Arabo Anakara … fa raha dinihana kosa ny momba ireo Ntaolo ireo araka ny lovan-tsofina dia azo lazaina fa azo itarafana ny fahendrena nananany ny kolo-tsaina napetrany na tamin’ny alalan’ny Fomba amam-panao, sy ny Hira, ny anganom-baviantitra sy ny arira ary koa ny ankamantatra, ny ohabolana dia izay fototry ny nitaizany ny zanany.

Ny fiarahamonina fahizay dia nisy sata nifehy azy fa tsy hoe velombelom-poana tsy akory ireo olona ireo. Nisy ny andalan-tohatra mandrindra ny fiaraha-monina ary fehezin’ny didy sy lalana izany. Ny fihavanana no sata mifehy izany fiarahamonina izany, na fototry ny sata ijoroany. Tao anatin’ny antanantohatra dia voazara mazava ny toeran’ny tsirairay :

NY ANDRIANANAHARY na ZANAHARY
NY RAZANA
NY RAY AMAN-DRENY (azo sokajiana toy ny ray aman-dreny ny Andriana mifehy ny ambanilanitra)
NY VAHOAKA

Nino ny Zanahary tokana ny Malagasy, dia izay nahary tongotra aman-tanana azy, natahorany indrindra ary antsoiny isaky ny misy fotoana fankalazana. Inoany koa fa izy no masina indrindra;

Manaraka izany dia ireo lasa-ko razana ka nampialohavany ny teny hoe Itompokolahy na Itompokovavy ho mari-panajana azy. Natahorana ny razana sady ninoana koa fa mitahy.

Ny ray amandreny nololohavina an-tampon’ny loha to teny ary ekena fa Hendry.

Tao anatin’izany fiarahamonina izany araka izay efa voalaza dia misy ny sata mifehy ka ny fihavanana no mamaritra izany dina nifanaovana izany.
Mifankatiava ry velona, fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory fa ny hafa manody…mbola hiverenantsika ny hira sy ohabolana mitanisa izany fihavanana izany fa ny azo amintinana azy dia izany fihavanana izany no mamaritra ny fitondran-tena ka naha lavorary ny fiaraha monina sy maha olom-banona ny vahoaka ao anatiny. Ka na vola na harena dia tsy natakalony izany fihavanana izany. Toy ny hoe “aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam’pihavanana”. Ny fifankatiavana no fomba entina manamafy fatorana izany fihavanana izany ka averimberiny matetika no tsy afaka eo am-bavany : “Vary raraka an-keniheny, ka ombay mitsimpona, ombay mitady” ; “fa na in-telo misandratra aza ny avoko, ka in-telo tsinana ny alahamady, ny fitia aza mba atao lany fa mifandimbiasa fitia : ny ray ho tia zanaka, ary ny zanaka ho tia ray ; fa ny fitia mifamaly no mahatsara fihavanana”.

Ilay olombelona miaina ao anaty fiaraha monina dia Fanahy. Izy no fanahy. “Ny fanahy no olona” : tsy mitsahatra ny fisiany aorian’ny fahafatesana fa mitohy. Ary ny fahatratrarana izany dingana izany dia mampitovy lenta azy amin’ny Zanahary. Natahorany fatratra izany very fanahy mbola velona izany, na koa hoe maty fanahy. Misy fepetra arahina mba tsy ahavery izany fanahy izany dia ny Fanajana ny Zanahary – Fanajana ny Razana (betsaka ireo fomba fanao anehoana izany fanajana ny razana izany toy ny famadihana na ny fikarakarana azy raha mbola am-bohitra akory aza ny razana) Fanajana ny Ray amandreny – Fanajana ny fihavanana…

Ny tambin’ny fahaverezan’ny Fanahy dia ny henatra, ny hena-maso , ny tsiny , ny tody, ny ozona. Tsy zaka zakaina samy olona ary mavesatra indrindra ka nataony ho tena zava-doza nandosirana raha mbola velon’aina koa. Ahafahana misorona izany fahaverezan’ny fanahy izany dia nisy ny fomba fanao sy ny tsy fanao, ny fady mba hitaizana ny zanaka sy ny taranaka. Ny lainga, ny halatra no zava-dratsy indrindra tsy neken’ny fiarahamonina tamin’ny fahagasy. Satria ny olona manao izany dia RATSY FANAHY ary izany faharatsiana izany dia tsy nekena mihintsy satria manakorotana sy mandrava ny fihavanana izay efa napetraka fa sata ijoroan’ny fiarahamonina.
Ny lainga : “ny lainga no toy ny volokotona, mamahatra ambany rano ka mora tapaka : toy ny ravim-bero, maitso faniry fa mora malazo : ary toy ny vary aloha , mahafa-po fa tsy mahavita taona. Tsy misy maty nataoko, fa ny fanorona no maty natoko : tsy misy maty miverina, fa ny masoandro no maty miverina ; sarin-dainga no nahatonga izany. Koa ampindramo fangady aho hiadiako lavaka mandifotra olona amin’ny tany tsy maniry vary mba handevenako ny lainga. Fa ireny no tsy mampitafy ririnina, ary mampandry fotsy fahavaratra : ireny no miteraka ny fitsora-tsy ahazahoana, ary ny fisamboran-tsy misy. Ka ario lahy ny lainga ! “

Ny ray amandreny no manananatra sy notoavina satria izy no nahatahiry ny fahendrena matoa ela velona – fotsy volo amin’ny tany – ny fahanterana dia sitraka, takalon’ny fahaiza-miaina, tsy ny olona rehetra no misantatra izany fa izay Hendry eo amin’ny fiarahamonina ka nohajaina fatratra izy ireo.

Adala ny miavona Hoy ny ray aman-dreny : “ Iza izao Andriamingodanamanavona izao, ka miady izay tsy ho tia ray aman-dreny aloha ? Izaho ity, hoy ilay zaza miavona. Iza no anaranao ?
Ratsimangataka, Ratsimanantena”
“Raha ianao no Ratsimangataka, Ratsimanantena, izahay kosa no Ratsimanery, Ratsifanerena, fa ny kibo tsy tia tsy asesika ary ny fo afaka tsy ananan-tsiny. Koa raha ianareo zanaka aza malain-kanana anay, izahay ray aman-dreny hanana anareo kosa tsy mazoto. Fa raha zaza ariana indray no manary, dia ranovola mangidy no tsara.”
Vokatr’izany zon’ny ray aman-dreny ny manary ny zanany ary fomba nahazatra teo amin’ny fiaraha monina izany.

Nirindra tsara ny fiaraha monina fahizay. Satria samy manaja ny ambaratonga-pitantanana ary samy natahotra ny ho very fanahy. Na tsy koa tsy te hizaka ny tsiny sy ny tody ary ny ozona. Ny tso-drano zava mahery ka tsy sahy manao zavatra izy raha tsy nandray tso-drano tamin’ireo ray aman-dreny. “E ! Andriamanitra ! E Andriananahary ! E ! ray razana tontolo eny ! Tonga eto izahay mianakavy mandady tongotra aman-tanana, mitanty tanan-droa, mangataka ny soa , mangataka ny tsara ; ka tahio andro tahio alina, mba tsy hisy ambaka, fa hisy tongilana, ho tratra antitra, hiara-miroandroana sy miriaria amin’itony tany onenanana itony ; ary mba tsy ho ratsy olona ila anie, fa ho tsara mpitaiza. !”

BEA

Add a comment






[*] Required