Eto ianao : Fandraisana> News

Ny tantara no aoka hitsara

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 03/06/2010
Tao amin'ny : Tsy voasokajy

Ny Tantara no hitsara ! Asio Hasiny ireo maritiorantsika tamin’ny martsa 1947 !

Tsy azo fafana na hodiana tsy fantatra ny tantaran’ny Firenena. Indrindra ireo fotoan’andro nisian’ny vahoaka natao sorona noho ny fitakiany ny zo maha-olona sy ny fiandrianam-pirenena. Ny olona very tadidy dia tsy mahafantatra izay niaviany ary mipenompenona tsy mahalala ny lalan-kalehany. Tsy ny tadidy ihany no very fa ny fiainan-ko aviny ihany koa. Ary ny Fahendrena Malagasy dia milaza fa “Ny itodiahana ny lasa, itsinjovana ny ho avy” !

Tsiahivina ny lasa hakana lesona mba tsy hanaonao foana fa handroso amim-pahamatorana kokoa. Ny olona tena tia fandrosoana marina no tsy maintsy mianatra ny Tantara.

Sady koa ny fanaovana tsinontsinona ny lasa dia fanaovana tsinontsinona ny fahoriana mangidy nozakaina ka sady mampalahelo no mahatezitra. Ary misy alahelo sy takaitra tsy voavidim-bola amin-karena fa tsy maintsy mifanazava, mibaboka sy mifamela. Mariky ny fifanajana izany hamerenana ny fifampitokisana sy fifandeferana. Raha tsy efa izay dia tsy Fihavanana no iarahana fa Fiatsaram-belatsihy ka tsy menatra ny hifamitaka sy hifandrafy indray.

Tsy miady tsy miady kanefa ny kibay an-kelika ihany !

Tsy mandà ny fandripahana vahoaka Malagasy an’aliny ny Fanjakana frantsay  fa kosa manamaivana izany ka nilazàn’andriamatoa Chirac hoe “derives coloniales” izany hoe HADISOANA TSY NAHY na TSY VOAFEHY ireny vono moka tamin’ny 1947 ireny fa tsy HELOKA na “crime”.

Tsy heloka ny fandoroana tanàna, ny fanimbana voly any an-tsaha, ny famonoana biby fiompy mba hahafaty mosary ireo mponina Malagasy nandositra any an’ala.

Ahoana moa ny amin’ireo Malagasy nasaina novonoina taorian’ny hotakotaka ? sazy tsy nisy fitsarana ara-dalàna akory ? meloka daholo ve izy rehetra tsy an-kanavaka ? ary inona no heloka bevava niampangana azy ? satria nitaky fitovian-jo sy Fahafahana ?  Ary mba nisy ve fitsarana na dia frantsay iray monja aza tamin’ireny fifamonoana ireny ? Na dia iray monja aza tamin’ireo nampitifitra olona 166 tao anaty wagons tao Moramanga ? Tanindrazan’iza I Madagasikara ?

Ary ahoana ny amin’ireo mpikambana tao amin’ny MDRM, nampijaliana, novonoina ary natsipy ho hanin’ny alika ny fatiny ?

Raha tamin’ny taona 1789 no efa tafiditra tao amin’ny lalam-panorenana frantsay ny “Déclaration française des droits de l’homme et du citoyen”, valo amby dimampolo amby zato taona (158 années) aty aoriana ny fanaovana habibiana sy fandripahana vahoaka malagasy tamin’ny taona 1947 ary tena mbola tao anatin’ny “fampandrian-tany”, 1948, no lany teo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) ny Déclaration universelle des droits de l’homme.

Inona no heloky ny Malagasy, nitady ho “homme” tahaka ny frantsay ???

Dia mamerina ny fanontaniana amin’Ingahy Chirac aho, “derives coloniales” ve no nitranga tamin’ny 1947 sa crime contre l’humanité ? Qu’est-ce qu’une Nation qui n’a pas le courage d’assumer ses fautes ?

Fa masiaka kosa aho amin’ireo Malagasy manamaivana ny trangan-javatra tamin’ny 1947, mba rà  Malagasy ve no mikoriana ao aminareo ?! na inona fanamarinan-tena ataon’ny mpanjana-tany, ahoana no fihevitrareo ny Hasin’ireo natao sorona hibodoan’ny vazaha ny tanindrazana ? ary tsy izay fanamaivanana izay indrindra ve no niteraka fampitifirana tamin’ny 1971, 1972, 1991, 2002 sy 2008 ?

Tsy ho fankahalana ny frantsay akory no anton’ity lahatsoratra ity, sanatria. Tsy ho fitakiana fifonana velively ihany koa.  Araka ny finoana Malagasy dia misy firindrany ny voahary rehetra nataon’Andriamanitra ka samy anarin’ny ataony eny ary samy mibaby ny heloka vitany. Tsy hiandry tambiny koa isika satria ny aina tsy voavidy ary tsy atakalo vola. Aoka ho FAHAMENDREHANA no asetrintsika izany, izay ilay fanahy maha-olona toavintsika.

Tsy misakana antsika tsy handroso ny lasa sy ny tantara, vao mainka aza hanome HERY antsika.

Na tsy nitovy aza ny hery nifanandrina, azontsika ihany ny Fahaleovantena noho ny sorona nataon’ny Tia Tanindrazana. Tamin’ireny vanim-potoana ireny indrindra no nahaterahan’ny teny filamatra hoe “Masina ny tanindrazana”.

Raha te-ho mendrika ny maha-Malagasy anao ianao, dia mijoroa manao adidy sy mandray andraikitra mba hampisy HASINY ity FAHALEOVANTENA novidian-dafo ity.

Raha mpianatra ianao, milofosa tsara, mandratoa fahaizana sy teknika hampandrosoana ity Firenena lovanao ity mba tsy ho latsa-danja eo anivon’ny fanatontoloana.

Raha mpampianatra ianao na mpanabe, tsy atoro ny tandrify anao. Anampy fotsiny dia ny mba hitaizana ireo ankizy sy tanora hahay ampifaninfran-dalana ny fahaizana sy ny fahendrena.

Raha mpitsabo, na miaramila, na mpitsara, na mpitandro filaminana, asa fanoloran-tena no nirosoanareo, tsiahivo mandrakariva ny fianianana sy voady nataonareo. Asio hasiny izany

Nisy tantsaha tamin’ireo nitolona tamin’ny 1947, nisy mpivarotra, nisy mpanao asa-tanana, sy ny maro hafa, aoka isika mpandimby aty aoriana tsy hanao rano raraka an-tany ny rà latsaka.

“Olona iray tsy mba vahoaka”, aoka samy hanao izay tandrify azy.

Tena ao anatin’ny mangitsokitsoka ny Firenentsika amin’izao fotoana izao. Aoka re ny taranak’ireo nogadraina sy nampahoriana, ny taranak’ireo lasibatry ny basy sy tafondron’ny mpanjana-tany tsy hifandripaka an-toerana. Tsy lohan’angidina ve isika raha ny nataon’ny mpanjana-tany aza efa tsy fidiny ka isika samy Malagasy indray no hifampitifitra sy hifamono eto ?Tsy misy antony na dia toa ny loham-panjaitra akory aza hahafahana manamarina izany fifandirana sy adilahy izany. Tsy henatra eo anatrehan’izao tontolo izao ihany fa tena fanaovana zinona ireo maritiorantsika mihintsy ary fanapotehana ny ho avin’ny Firenena sy ny taranaka.

Dia tena jamban’ny vola ve ? sa tratry ny adalam-pahefana ?sa jamban’ny voninahitra sy ambo-po diso toerana ? sa domelin’ny toaka sy ny rongony na lasa adalan’ny filibana ny maro amin’ireo misora-tena ho mpitondra isan-tsokajiny ? sa te-hanapotika ity tanindrazana ity ho toy ny mofomamy ifampizarana amin’ny mpanondrana harena sy ny mpanjanaka samihafa indray ?

Mety tsy ho voarakaraka toa an’ireo mpanjanaka fahiny na hifanao famotsoran-keloka !

Aza adino anefa fa ny olona no mety manadino fa ny Tantara tsy very tadidy.

Mandalo ihany ny “regimes”, mety ho potika ny Firenena, fa ny Malagasy sy ny Tantarany mitoetra.

Soa fa tsy niteraka I Hitler fa mba ho nanao ahoana re ny fiainan’ny taranany e !

Ho antsika Malagasy tsirairay, izay mahatsiaro tena : Asio Hasiny re ny maha-olompirenena antsika e ! aza dia hamidy foana na hanaovana rebik’ondry hanarahana olona mpitady sy mpiaro seza ! aza matin-kaninkely amin’ny tombotsoa samihafa fa ny soa itambarana sy ny ho lovan’ny taranaka no aoka ho jerena. Ny lohandohan’ny mpisorona mahita lalan-kadosirana foana fa ianao izay vahoaka manohana azy isany avy mba ho aiza ?

Raha tena mpitondra marina izireo tsy natao hotompoina na hivavahana fa natao hanompo kosa, raha tsy izany inona no maha-hafa azy amin’ny mpanjanaka ?

Miloloha lanitra ka tsy maintsy lena, mandia tany ka tsy maintsy solafaka. Tsy misy afaka mitompo teny ho tsy manan-tsiny eto. Aoka isika hahay hifamela. Tondro tokana tsy mahazo hao ary izay mitambatra vato. Mila FIRAISANKINA ny fanarenam-pirenena. Aoka averintsika ny fanahy maha-olona mandala hatrany ny Fahendrena Malagasy. Aoka isika samy hiezaka hifandefitra ary hiara-monina sy hiara-hiezaka amin’ny fampandrosoana ao anatin’ny fifampitokisana sy fifanajana.

Ajoroy ny RARINY sy HITSINY ary kajio ny FAHALEOVANTENA fa izay no nanaovan’ireo havantsika sorona ny ainy.

 

José Ramaromanana

 

 

 

 

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina