You are here: home> News

Six poetes malgaches d'expression malgache

Submitted by: raozigasy
On: 21/10/2009

Resadresaka momba ny boky : « Six poètes malgaches d’expression malgache »

 Tsy zava-baovao eo amin’ny haisoratra malagasy ny fandikana tononkalo. Ny Baiboly no boky voadika tamin’ny teny malagasy voalohany tany amin’ny taona 1820 ary ahitana ireo tononkalo nanohina tokoa ny fon’ny Malagasy tao amin’ny boky samihafa raketiny toy ny Salamo, ny Ohabolana, indrindra ny Tononkira dia Tononkira. Nony tonga ireo mpikaroka vahiny dia niezaka nandika kosa tamin’ny teny anglisy na teny frantsay ireo tahirin-drazana malagasy toy ny angano na ny hainteny. Ny tena tsaroantsika matetika dia ireo fandikana nataon’i Jean Paulhan tany amin’ny taona 1912 ny hainteny merina. Azo lazaina fa nijanona teo amin’ny sehatry ny fikarohana anefa mazàna ny fandikana ireo vako-drazana ireo, fa ela taty aoriana vao nisy ny poety malagasy nandika tamin’ny teny frantsay ny tena tononkalo malagasin’ny vanin’andro vaovao. Ny isan’ny voalohany tamin’ireny mpitari-dalana ireny dia Jean-Joseph Rabearivelo izay nandika ny asa soratry ny namany sy ny azy manokana, tsy tamin’ny teny frantsay ihany fa tamin’ny teny espaniola ihany koa. Mipetraka mandrakariva ny fanontaniana hoe : Nosoratany tamin’ny teny malagasy ve vao nadikany tamin’ny teny frantsay ny bokin-dRabearivelo toy ny Saiky-Nofy (Presque songe), Nadika tamin’ny alina (Traduit de la nuit) sa ny mifanohitra amin’izany ?

 Taorian’ny boky navoakan’ny mpampianatra Solotiana Nirhy-Lanto Ramamonjisoa tamin’ny taona 2001 ahitana ny tononkalon’ny poety telo dia Jupiter, Bruno Rahaingo ary Ny Malodohasaha, dia vao tsy ela kosa isika no nahita ny tononkalon’i Georges Andriamanantena (RADO) voadika amin’ny teny frantsay. Fandikana nataon’ny mpanan-talenta vitsivitsy izay samy manana ny maha-izy azy. Ny ezaky ny mpandika dia ny hampahafantatra ny mpamaky vahiny ny haren-tsoratra malagasy mendrika ho fantatr’izay rehetra liana amin’ny haisoratra eran-tany.

 Raha nandika ireto tononkalon’ny poety malagasy vitsivitsy ireto izahay (Georges Andriamanantena (RADO), Jean-Joseph Rabearivelo, Ny Avana Ramanantoanina, Jean Verdi Salomon Razakandraina (DOX), Randja Zanamihoatra, Samuël Ratany) dia ho enti-manohy ny ezaka efa natomboky ny mpikaroka ary tafiditra ao amin’ny fototra ijoroan’ny fikambanana UPEM-Havatsa hatreny am-piandohana dia ny hampahafantatra ny haisoratra malagasy aty ivelany.  Kanefa na izany aza no hita ao amin’ny teny fanolorana dia natao indrindra koa ho an’ny Malagasy tsy vaky volo ny fandikana. Hanampy amin’ny fahazoana ny tononkalo malagasy ny fahitana ny dikany amin’ny teny frantsay. Na dia fantatra aza, ary zarainay tokoa ny filazana hoe : “Mandika dia mandiso” (Traduire c’est trahir), kanefa izay iezahan’ny mpandika rehetra dia ny tsy hanalavitra ny hevitra sy aingam-panahy fonosin’ny tononkalo adikany ny fandikany.

Napetraka taminay ny fanontaniana hoe : Nahoana no ireo poety ireo no nofinidy ho adika ?  Antony roa no azo avaly izany amin’ny teny tsotsotra. Safidy manonkan’ny mpandika ary satria koa ireo no isan’ny poety malagasy fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy indrindra raha araka ny fahalalanay. Satria maro koa ny poety hafa mendrika ho adika  kanefa voafetran’ny pejy. Ny fanontaniana faharoa dia hoe : Mitovy avokoa ve ny fomba entina mandika ny tononkalon’ny poety tsirairay ? Araka ny hevitray manonkana dia tsy mety raha toe-tsaina na toe-po mitovy no andraisana ny tononkalon’ny poety samihafa koa tsy maintsy ampifanarahana amin’ny fomba fanoratry ny poety tsirairay arak’izany ny fandikana ny tononkalony.

Manantena izahay fa hitondra fanampiana na dia kely monja aza ho an’ny mpikaroka sy ny manan-talenta amin’ny fandikana ity boky kely ity, izay toy ny sava ranonando ihany, ary indrindra hampitombo ny fankafizan’ny Malagasy ny tononkalo voasoratry ny poety mpiray firenena aminy satria fomba tsotra no azontsika hisarihana ny hafa hamaky ny tononkalo voasoratra amin’ny tenindrazantsika dia ny fampianarana azy hiteny malagasy na koa ny fandikana mba ho azony ny asa soratra tiantsika hovinakiny.

 Ny boky dia azo hafarana any amin-dRamatoakely Miora Lala Andrianaivomanjato (Andamioly) : andamioly@gmail.com na ao amin'ny www.shop.serasera.org, na ao amin’ny foiben’ny UPEM-HAVATSA Frantsa, 2 rue Mozart 92220 BAGNEUX ary 15 euros no sarany.

 François-Xavier Razafimahatratra

 


.- Anthologie bilingue de littérature malgache  Ed. l’Harmattan Paris

1.-  « Fiteny roa En deux langues » poèmes de Georges Andriamanantena  Imprimerie NEWPRINT Ankorondrano Madagascar 2005.

 

Add a comment






[*] Required