Eto ianao : Fandraisana> News

Soratononina 2010

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 07/09/2010
Tao amin'ny : Kolotsaina

 

Ny « Fitafiana nentim-paharazana Malagasy » no lohahevitry ny lahatsoratra amin'ity fahavalon'ny fifaninanana ny soratononina « Soratonon'2010 » ity, izay hatao amin'ny faha-25 septambra amin'ny roa tolakandro ho avy izao ao amin'ny Faculté de Chirurgie Dentaire – 1, rue Maurice Arnoux – 92120 Montrouge.
Ny lamba no fototra tokan' ny fitafy malagasy, ny endriny kosa dia miovaova manara-penitry ny fomban'ny toerana sy ny foko misalotra azy. Ny lamba dia anisan'ireo singam-pototra iombonana amin'ny maha-malagasy.
Ny tanjon'ny soratononina dia fanamafisana, fandalinana ary fampitomboana ny fahalalana ny teny malagasy amin'ny alalan'ny lohahevitra.
Koa manainga antsika ho tonga maro handray anjara amin'ity hetsika ity mba ho vavolombelon'ny fitiavana ny Teny Malagasy.
Anisan'ny loka ho zaraina ho an'ny voalohany amin'ny sokajy voalohany : "Ordinateur portable" vaovao mitentina 450 euros.

Aza misalasala ary misoratra anarana eto :http://tinyurl.com/29gza6f

KOLO
http://kolomalagasy.blogspot.com/

 

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina