Eto ianao : Fandraisana> News

TIA sy INDRAM-PEO

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 24/03/2011
Tao amin'ny : Kolotsaina

Miverina eto indray Raozigasy mitondra vaovao ho anao mpamaky.

Nahita masoandro, i TIA : boky voalohany nosoratany.

Tia : amboara voalohany narafitr’i Raozigasy ho fehezan-tononkalo, hizarany amin’ny mpamaky ny fiTIAvana ao anatiny

TIA no anarana nasalotra ity boky voalohany nosoratana ity. Boky mirakitra ireo kirakiram-pitia sy ireo trangam-pitiavana. Fitiavana ; ilay fihetseham-po tokana, mitondra eny an-tendron’ny fifaliana, nefa koa mandavo eny an-tongotry ny ngidim-pijaliana.

Inoana fa ireo endrim-pitia zaraina ato dia ampy hitarafatsika ireo karazam-pitia niainana , iainana ary hiainana. Ka sady hamerin-jery antsika mpamaky no hahatsapantsika ihany koa ireo lanjam-pitia samihafa.

Amboara misy tononkalo 35, notsinjaraina ho sokajy 7, ary notsongaina tao anatin’ireo tononkalo 400 mahery, nosoratana sy voatahiry. Vanim-potoana samihafa no nolalovana teo am-pandrafetana ireo tononkalo ireo. Aingam-panahy sy entam-po tsy sahala no vaika nampiboika izao loharanon-tsoratra izao.

Ho antsika eto Frantsa dia azontsika atao sahady ny mamandrika izany amin'i Raozigasy. Eo am-pamandrihana dia azo omena ny anarana handrafetana ny rangom-penina.

Saran'ny boky : 05 euros

Ho antsika aty Madagasikara dia miandry ny fanontana manaraka.

Ho fampahalalana izany boky izany dia misy hetsika homanina nasalotra ny anarana :

INDRAM-PEO

Ilay teny Malagasy, izay nampianarina ahy,
Ilay teny tsara indrindra, tsy menatra mitaha
No hitantarako anao, ny fiainan’ny fitia

Ka ireo feo Malagasy, kanto no hindramiko
Hizarako aminao, ireo soratsora-mamiko
Koa dia asaina ianao, andeha hiara-dia

Dia hitambarantsika, ireo vetsovetsom-po
Hambarako aminao, ireo riman’olon-droa
Hokaloiko anao, ireo tondrom-peon’ny foko
Ka ilay boky “Tia” , hiavaka an-doko

Indram-peo no hetsika voalohany aseho an-tsehatra, hiantsana ireo tononkalon'i Raozigasy.

Izany dia hatao ny asabotsy faha 21 mai 2011, manomboka amin'ny 08.00 alina, ao Paris 75014.

Ny toerana dia ao amin'ny 20 rue de la Tombe Issoire.
Metro : Saint Jacques

Seho - Feo - Jiro - Zava - Kalo - Dihy - Tsako - Sotro : ireo laro sy kanto handravahana ity hetsika voalohany ity

Ny fandraisana anjara dia 15 euros ary hahazoana boky 01
Voafetra ny toerana

Fifandraisana : raozigasy@gmail.com

Finday : 06 58 98 54 86

Hevitra:

1. minas

Mirary soa sy fahombiazana tanteraka r'ise amin'io seho io an. Aiza no mividy tapakila raha aty Dago ? hi hi hi

2. Rakaroka

Miarahaba Raozy namoa ny vonindraozy nokoloina ! Mirary ny hahaleo hahalasana indrindra eo @ kinasa rehetra ! mamerovero ny "kanto"sy "hanitra" rehefa mahakasika ny fisiana manontolo ! Matetika ny artista jamban'ny "art"-ny fa 'za nanatrika "mahatsapa" ny finiavana hikatsaka ny soa sy mety indrindra ho an'ireo mpijery ka na feno ity fampisehoana satria nisy ny tsmbalivali-kira, tononkalo, sakafo , ey fa na ny koban-dravina, bonbon anglais mifogasy sns ! dia nanana ny anjara toerany tao avokoa. Nody nody mbola nisy vatsim-podiaa narahina vatomamy . waouhhh ! bonbon choco mint tsiaro ny fahiny ! Afa-po fa dia misaotra e ! Ho avy tokoa amin'ny manaraka fa soasoa hany ny fampisehoana amim-pomba "Raozigasy". Mankasitra leiroa ! Mirary soa koa ho an'ireo ankohonana !

3. nirina aty dago:

faly miarahaba anao aho nahatontosa ity vokatra ity,mba miagavy aho ny mba ahatongavan'io vokatra io aty Madagasikara fa mba te ahazo sy hamaky an'io ny tenako,dia misaotra mialoha e,ary mirary soa ho anao ny tenako.

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina